Marsa 23-28-15 A manao fanekena amin`ny Olony

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady II mialoha ny Paska
Herinandro 23-28 Marsa 2015
“Ny faneken’Andriamanitra amin’ny olony ”
*
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony, dia fanekem-pitahiana ho azy. Hoy Izy raha nampionona ny
Zanak’Isiraely babo tany Babylona: ”Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga
fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany” Jer.29:11. Tano mafy ny fanekena, fa fitahiana
mandrakizay no didìn’Andriamanitra ho an’izay mihazona izany (Deo.28:1-2).
Alatsinainy 23: Fanekem-pitahiana no ataon’Andriamanitra amin’ny olony.
“Ho fitahiana tokoa hianao” Gen.12:2b.
Vakiteny 1: Sal.21:1-7.
Vakiteny 2: Gen.12:1-3.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Gen.12:2.
Talata 24: Andriamanitra manaiky hitoetra eo amin’ny olony.
“Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” Apok.21:3b.
Vakiteny 1: Ezek.37:24-28.
Vakiteny 2: Apok.21:1-5
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Apok.21:3.
Alarobia 25: Andriamanitra tsy manadino ny fanekeny amin’ny olony.
“Niahy an'Isiraely mpanompony Izy fa nahatsiaro ny famindrampony” Lio.1:54.
Vakiteny 1: Jer.31:1-6.
Vakiteny 2: Lio.1:46-55.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Lio.1:54.
Alakamisy 26: Ny faneken’Andriamanitra tsy ho foana.
“Tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako”Isa.54:10e.
Vakiteny 1: Gen.17:1-7.
Vakiteny 2: Isa.54:7-10.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Isa.54:10.
Zoma 27: Ny ran’i Jesosy no miantoka fanekena mandrakizay.
“Hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro” Mar.14:24.
Vakiteny 1: Heb.9:15-22.
Vakiteny 2: Mar.14:17-25.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Mar.14:23-24.
Asabotsy 28: Hazòny ny fanekena.
“Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny” Mat.5:37a.
Vakiteny 1: Sal.25:1-3.
Vakiteny 2: Mat.5:33-37.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Mat.5:36-37.
*
Nota:
. Ny votoatin'ny perikopa : manaraka ny fihodinana fahatelo amin'ny Perikopan'ny Fiangonana Loterana Malagasy.
. Iray ihany ny toriteny amin'ny fotoana maraina (6 ora eo amin'ny FLM 67 Ha), araka ny safidin'ny mpitory (na Vakiteny
1, na Vakiteny 2, na teny mifanaraka amin'ny Lohahevitra).
. Ity perikopa ity dia azo jerena ao amin’ny Site www.flm67ha.org ary azo afarana amin’ny E-mail [email protected]