litorjia-28-09-2014 - FJKM Tranovato Ambatonakanga

14/09
Rakitra
Voalohany
Adidy, adidy ivelany, Vokatra
Ezaka FMBM
192.720
239.000
342.800
FITAMBARANA
774.520
Rakitra ffp: 174.500 Ariary
Rakitra aff : 193.700 Ariary
MOFON’AINA
“Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona
fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan’Andriamanitra.” (Mat.4:4)

Daty
28/09
29/09
30/09
01/10
02/10
03/10
04/10
05/10
06/10
07/10
08/10
09/10
10/10
11/10
12/10
13/10
14/10
15/10
16/10
17/10
18/10
19/10
20/10
21/10
22/10
23/10
24/10
25/10
FFIIIAAANNNG
G
O
N
A
N
E
S
O
A
O
G
A
S
K
A
R
A
GO
ON
NA
AN
N’’III JJE
ES
SO
OA
AK
KRRRIIISSSTTTYYY EEETTTO
OM
MAAADDDAAAG
GA
AS
SIIIK
KA
AR
RA
A
TTRRRAAANNNO
O
V
A
T
O
M
B
A
T
O
N
A
K
A
N
G
A
OV
VA
AT
TO
OA
AM
MB
BA
AT
TO
ON
NA
AK
KA
AN
NG
GA
A
FANEKEM-PINOANA ARAKA NY
SORATRA MASINA LAH-4
RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA
28 SEPTAMBRA 2014 – 25 OKTOBRA 2014
Teny hovakìna
Isa.52: 7-12; Mar.16: 14-18; Rom.10: 11-17
Mar.16: 14-18
Isa.52: 7-12
Sal.33: 12-17
Mat.24: 9-14
Jao.6: 25-27
Gen.49: 16-18
1 Sam.1: 9-20; Mat.10: 21-23; Heb.10: 32-30
Apok.14: 12-13
Mat.10: 21-23
Sal.17: 1-12
Fil.1: 27-30
Heb.10: 32-39
Mar.13: 32-36
Dan.3: 19-30; Lio.22: 24-30 ; 2 Kor.11: 21b-33
Sal.130
Lio.22: 24-30
I Tim.4: 11-16
Sal.34: 1-10
Dan.3: 19-30
Tit.2: 11-14
Jer.20: 7-13; Mat.25: 1-13 ; Jak.5: 7-11
I Mpa.11: 29-39
Kol.1: 21-23
Jak.5: 7-11
Apo.3: 7-13
Jer.20: 7-13
Lio.21: 12-19
Manambara ny finoantsika an’i
Jesoa Kristy isika, dia araka ny
tenin’i Jaona Mpanao Batisa hoe:
“Indro
ny
Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay
manaisotra ny fahotan’izao tontolo
izao” (Jao.1, 29)
Sy araka ny teny nataon’i Andrea
hoe : “Efa nahita ny Mesia izahay”
(Jao.1, 41)
Sy araka ny teny nataon’i
Natanaela hoe : “Raby ô, Ianao no
Zanak’Andriamanitra, Ianao no
Mpanjakan’ny Isiraely”
Sy araka ny teny nataon’ny
Samaritana hoe : “Ny tenanay no
nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no
Mpamonjy izao tontolo izao”
(Jao.4, 42)
Sy araka ny teny nataon’i Petera
hoe
:
“Ianao
no
Kristy
Zanak’Andriamanitra
velona”
(Mat.6, 16) “Ianao no manana ny
tenin’ny fiainana mandrakizay”
(Jao.6, 68) ary araka ny teny
nataon’i Tomasy hoe : “Tompoko
sy Andriamanitro” (Jao.20, 28).
Amena.
“Vakionareo ny Soratra Masina ...”
TENY FIAINANA Romana 1: 16
«Fa
tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena
izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa
koa.»
Fandraharahana :  22 222 75 // Mpitandrina : 22 240 50 – 032 07 611 15 // 033 02 240 50
www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg
Isan’ny natonta 500 ex
TAKELA-PIFANDRAISANA
avoakan’ny Vaomieran’nyFifandraisana sy Asa sosialy
ALAHADY , faha- 28 SEPTAMBRA 2014 –9 ora 30mn
“NY FANANTENANA NO NAMONJENA NY MINO”
“MITORY NY FAMONJENA NY MINO”
TATITRY NY FIHAONAMBE AFF MAHAJANGA
Ry Havana,
Ho aminareo hatrany ny Fahasoavan’ny Tompo.
Isaorantsika ny Tompo fa tanteraka teto Mahajanga tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao ny
Fihaonamben’ny Sampanasa Asa Fitoriana Filazantsara sy ny ivon’ny fankalazana
an’Andriamanitra noho ny faha-40 taonany, ny 17-21 Septambra 2014 teo. Koa mety ny maneho
fisaorana ireo rehetra nifarimbona tamin’ny fanatontosana izany.
 Atoa Marinasy, Mpitandrina, Sekretera Jeneraly sy Atoa Radimisaon Jonah, Mpitandrina TDF
izay misolotena ny birao Foibe FJKM.
 Ny SP, AFF Boina Vaovao tarihin’Atoa Prezida Synodaly mivady
 Ny Komitin’ny Fankalazana ny faha 40 taona Nasionaly sy ny tao S/P Boina Vaovao.
 Ny Mpitandrina mivady sy ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga nandray ny fivoriana.
 Ireo mpizaika rehetra izay 1.800 mahery avy amin’ny S/P maro.
Niompana tamin’ny teny faneva hoe : Miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny
Filazantsara “Filipiana 1: 27b” ny Fihaonambe.
 Efa manana paikady eo amin’ny Asa fitoriana isika ka mila fiombonana, fiaraha-miezaka
amin’ny maha-tena (vatana) iray antsika mba hampahomby sy hampandroso tsara izany.
 Miatrika ady mandrakariva isika mpitory nefa tokony ho feno fiflaliana amin’izany satria efa
nomena antsika ny hery entina mandresy fa momba antsika hatrany ny Tompo.
 Tokony hanana ny sain’i Kristy, hanapaka ny fiainantsika, mba hahazoantsika manafoana ny
tenantsika ka hahafoy ny tena na ny aina eny izay rehetra hananana hampandroso ny asa
fitoriana.
Nandritra ny fankalazana ny faha 40 taona ny AFF : dia nisy ireo hetsika:
 Tafika Masina niarahana tamin’ny Campus, teatra, lalao, Diabe (rodorodo) : izay fomba nentina
nampitana hafatry ny Filazantsara.
 Fananganana fiangonana olona sy Trano Fiangonana any Beroroha izay hany renivohitry ny
Distrika tsy misy FJKM no Tsangambato; ka nisy ny ezaka manokana natao izay
nampientana ny fon’ireo mpizaika rehetra tamin’izany; ary anentanana ny fiangonana; ny
S/P rehetra mba handray anjara ihany koa.
Izay nampiavaka ny fihaonambe ity dia ny fisian’ny Fanekena nataon’ireo mpizaika “Handray ho
Andraikitra ny Fitoriana ny famonjena, ka hanavao ny saina hiray fo hiara-miezaka hanohana,
hampandroso ny asa Fitoriana amin’ny lafiny rehetra.
Manao veloma antsika ho mandra-pihaona any Morondava amin’ny Fihaonambe 2016.
Ny Filohan’ny AFF / Foibe
Atoa RARIJAONA Hery, Mpitandrina
Ny Filohan’ny Komity faha 40 taona,
Atoa RAKOTOTIANA Fidimanana, Mpitandrina
ALAHADY, faha – 28 SEPTAMBRA 2014
FAMARANANA NY FAHA-35 TAONA VFL/FZA SY
FANAMARIHANA NY FAHA-17 TAONA FMA
FIDIRANA: Mpitandrina, Mpikambana VFL/FZA, FMA, Loholona sy Diakona
tompon’anjara
LITORJIA FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA
«Haleloia, miderà an’i Jehovah, ry fanahiko. Hidera an’i Jehovah aho,
raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona
koa.»
Mpitarika :
Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala
ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no
hahafoanan’ny fikasany.”
STK KANTO FEHIZORO
.
FISAORANA
Misaotra an’Andriamanitra lehibe izahay fa tontosa ny fivahinianana tany
Mahajanga ka nahafahana niatrika ny fihaonam-be faha 40 taonan’ny AFF sy
ny fiseharana tantara an-tsehatra tao amin’ny Maison de la Culture Mahajanga
ny Zoma 19 Septambra.
Tolorana fisaorana isika mpianakavin’ny finoana rehetra, ny Mpitandrina
mivady, ny biraon’ny fiangonana sy ny rafitra rehetra misy eto amin’ny
fitandremana, ny STK, ny AFF ; ireo fianakaviana nanome fanampiana
mivantana mba hanamaivanana ny fandaniana.
Ny Tompo manakarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo
Besinimaro: “
Iarahana : “Sambatra
izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy
sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny. Amena.” (Sal.146: 1-5)
 HIRA : 20 and.1, 2, 5
VAVAKA FIDERANA
Fiatoana kely : Feon-javamaneno / Hiran’ny Mpihira
LITORJIAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
 HIRA : 216 and. 1, 3
VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
FAMAKÌNA NY SORATRA MASINA : Isa.52 : 7-12 ; Mar. 16: 14-18 ; Rom.10 : 11-17
 HIRA 179 and. 1, 4
TORITENY AN-KIRA (Feon’ny Maintimolaly Ambatonakanga)
LITORJIAN’NY ASA
VAVAKA FANGATAHANA
FANEKEMPINOANA ARAKA NY SORATRA MASINA – LAH.4
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
RAKITRA : I (Fiangonana); II (VFL/FZA) / III (Tsangambato) :  HIRA : 275
VAVAKA FANOLORANA
ASA VAVOLOMBELONA
LITORJIA FAMARANANA
 HIRA : 582 and. 1, 3
TSODRANO
 HIRA : HF 34 and. 3
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena”
SAMPANA FIFOHAZANA – ANTOKO MPIHIRA A.F.ATRA.
FISAORANA
Misaotra an’Andriamanitra Lehibe izahay, noho ny fitantanany fa dia tontosa
soa aman-tsara ny famangiana sy ny fitsidihana ny FJKM Salazamay tany
Toamasina. Nahafaly azy ireo tokoa ny fahatongavana sy ny fiarahanankalaza an’Andriamanitra tamin’izy ireo ary dia nanamafy mandrakariva
ny fiaraha-miasa izany.
Isaoranay etoana ihany koa ny Fiangonana manontolo tamin’ny fitondrana
am-bavaka sy ny fanomezan-tanana samihafa ka nahafahana
nanatanteraka izany. Ilay Andriamanitra manan-karem-pahasoavana, ry
havana, hamaly fitia anareo tokoa. Dia ho Azy irery ny voninahitra
tamin’izay rehetra vita sy mbola ho kinasa.
FANKALAZANA NY EPIFANIA
Toy ny tamin’ny taon-dasa dia hitohy hatrany ny fankalazana ny Epifania
izay tanterahan’ny Antoko Mpihira A.F.ATRA any amin’ny fiandohan’ny
volana Janoary 2015 ho avy iny. Koa dieny izao, dia miantso izay rehetra tehanatevin-daharaha azy ireo sy ny Mpikambana am-perin’asa hiomana
amin’ny fiatrehana izany. Ny famerenana dia isaky Alahady aorian’ny
fanompoampivavahana maraina sy ny Asabotsy tolakandro, amin’ny 2 ora
sy sasany, aty am-piangonana.
Diakona tompon’anjara amin’ny volana SEPTAMBRA / Faritra FAHATELO
Filoha : Atoa RAHARINJATOVO Claude
Tompon’anjara Alahady :
28/09: VFL/FZA: Famaranana ny faha-35 taona sy fanamarihana ny faha-17 taona FMA
05/10: Fiangonana – fidirana in-droa : 7ora sy 10 ora (+batisa)
Anjara voninkazo :
28/09: Rtoa RAVELOARIJAONA Fanjahanta
05/10: RAMIANDRISOA Haritiana sy Dina Vahatriniaina
Fanatazana ny Rakitra III: 28/09: SLK – 05/10 Fid. I: SAFIF-05/10 Fid.II: STK- 12/10: Vao. Zavamaneno – 19/10:
Katekomena – 26/10: Dorkasy-02/11 Fid.I: AFF-02/11 Fid.II: Komity site web – 09/11: SAMPATI – 16/11: VFL – 23/11:
V.Vola – 30/11: V. Fifandraisana – 07/12 Fid.I: Dorkasy- 07/12 Fid.II: SLK – 14/12: SVM – 21/12: Komity Tsangambato –
28/12: V. Fanompoampivavahana
-3-