LAISOA

Ananas sy legioma
LAISOA
KARAZANY
-
Laniera
Chou Qintal d’Alsace
Chou marché Copenhangue
Chou cœur de bœuf ( fonomby)
Chou pointu
Chou rouge d’été
Chou gros rouge
Hybride F1 Cross ho an’ny amorontsiraka
Rustique F1
1./ ANKAPOBENY
1.1./
NY TANY METY AMBOLENA AZY
•
•
1.2./
•
•
•
•
Tany fambolena anana, miparasaka, be roka sy masaka
Matevina nofontany, ampy azota sy sofra
FOTOAMPAMBOLENA
Tsy mahatanty hafanana be loatra sy haintany
Toetrandro mangatsiaka somary mando ( voly ririnina)
no tiany
Maripàna antonony : 1520 °C
Fotoana fambolena azy :
o faritra Alaotra : marsaavril : famafazana
o avrilmai : fanetsana
1.3./
1.4./
1.5./
FIFANDIMBIASAMBOLY
• Isaky ny telo na efatra taona vao miverina amin’ny
toerana iray efa nambolena azy ny voly laisoa
• Tys tokony hovolena laisoa ny tany efa misy soflera,
petsay, navet, radis izay mitovy fianakaviana aminy.
• Tsara raha izy no ambolena voalohany amin’ny tany avy
niala sasatra
Fifandimbiasamboly tokony atao aminy :
• Celeri Anamamy Persila.
Azo atao koa ny voly miaraka aminy :
• miaraka amin’ny tsaramaso, pitipoa, salady, celeri ,
cocombra, ovy, voatabia.
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 151617 Jona 2005
Ananas sy legioma
2./ TANINJANAK’ANANA
•
2.1./
Azo atao ny voly manatsatoka mivantana ny voany, na koa ny
manetsa ny zanany.
FIKARAKARANA NY TANY
• Tombanàna amin’ny angady ny tany hanaovana plasy
• 1520 sm ny halalin’ny tombana
• Asiana zezipahitra nohatsaraina na compost 80 Kg isaky
ny 10 m²
• Potehina sy aravina tsara ny tany.
2.2./ FAMAFAZANA
• Afafy manifinify ny voandaisoa mifangaro amin’ny
fasika na lavenona atao manaratsipika
• Elanelan’ny voan’anana roa ambony tsipika : 12 sm
• Halaliny : 1 sm
• Totofana tany sy tsindrina tsara alohan’ny hanondrahana
azy
• Rakofana mololo na bozaka maina ny pilasy voafafy
• Mitsomoka ny voandaisoa 56 andro aorian’ny
namafazana
• Faharetan’ny zanadaisoa eo amin’ny pilasy 46
herinandro
2.3./ FIKOJAKOJANA
• esorina ny rakotra rehefa mitsimoka daholo ny
voananana
• Akarina atao alokaloka ny bozaka teo
• Anongotana ny zana’anana ka isaky ny 5 sm no
elanelan’ny fototra roa amin’ny tsipika.
• Mba hampatanjaka sy ahasalama ny zanaka laisoa
• Tondrahana matetika ary tsy avela ho maina mihintsy ny
plasy
• Avaina tanàna matetitetika koa
• Tsya azo atao ny mampiasa zezibazaha any amin’ny
taninjanakazo.
3./ FOMBA FAMBOLENA
3.1./
FIKARAKARANA NY TANY
• Asaina lalina tsara ny tany vantany vao mitsahatra ny
orana
• Potehina tsara ny bainga
• Manao plasy tsara izay manana sakany 1,20 m
• Manao lavadavaka ambony plasy manaratsipika
• Habehan’ny lavaka : 40 cm ny savaivony
• Halalin’ny lavaka : 20 sm
• Elanelan’ny lavaka roa :
• 5080 sm elanelantsipika
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 151617 Jona 2005
Ananas sy legioma
•
•
•
•
•
•
3.2./
3060 sm elanelan’ny fototra roa anaty lavaka
manaratsipika
Tsara raha tsipika roa ihany no eo ambony plasy iray.
Manisy zezipahitra nohatsaraina na compost sahabo iray
raotra ( roa tànana lehibe) isandavaka.
Afangaro tsara amin’ny tany anaty lavaka
Tondrahana tsara ny lavaka
MANATSATOKA MIVANTANA NY VOANDAISOA
• Ny fikarakarana ny tany, ny plasy, ny lavaka dia mitovy
ny teo aloha ihany.
• Aorian’izay rehetra izay dia alentika tokony ho 1 sm
isandavaka ny voandaisoa efa voafantina tsara ka 1 na 2
isandavaka no atao.
• Totofana manifinify, dia tondrahana tsara
• Rehefa maniry avokoa izy ireo, tokony ho 56 ravina ,
dia ongotana ny iray.
• Azo hanosohana izay tsy mipoitra izany.
3.3./ FIKOJAKOJANA
• Havaina ary kendrena hadion lalandava ny tanindaisoa
• Evoevoina tsy dia lalina loatra isandavaka, mba hahazo
rivotra ny tany
• Totofana isampototra mba hanamafisana azy aorian’ny
fievoevoana, mba tsy hitolilaka.
• Tondràhana matetika isamaraina na isankariva
isampototra.
•
•
•
•
3.4./ NY ZEZIKA
Hitondrana zezipahitra nohatsaraina na compost 30 ka
hatramin’ny 40 Taonina inanhektara amin’ny fotoana
fiasàna ny tany
Hitondrana 5 grs N.P.K .15.15.15 sy 3 grama solfata de
potasioma isampototra isaky ny 3 herinandro.
Asiana orea 1 sotro lehibe lehibe isampototra raha
sendra mihamavomavo ny raviny.
Rehefa manomboka hiboko ny laisoa, dia fatorana
moramora amin’ny ravin’akondro ny raviny ivelany
hikombona ;
4./ VOKATRA
4.1./ FIHOTAZANA
• Rehefa mafy tsara ny bokony, dia azo alaina ny laisoa (
3 na 6 volana aorian’ny fanetsana)
• Asiana tahony kely manaraka rehefa mihoty azy izany
hoe : tapahina ambanin’ilay ravina farany ivelan’ny
mpiharo azy.
• Tsy azo sasàna milohan’ny itondrana azy eny antsena.
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 151617 Jona 2005
Ananas sy legioma
4.2./ FITEHIRIZANA
• Tehirizina amin’ny toerana mangatsiaka ( 5 à 10 °C)
misy tafo, azondrivotra tsara, ka ny ahavony dia tsy
mihoatra ny 1,20 m
• Faharetany : herinandro maromaro
5./ ADY AMIN’NY ARETINA SY NY FAHAVALO
5.1./
Fonte de semis : ( Borytis CINEREA )
• Fahafatesan’ny zanadaisoa vao mitsiry
5.1.1./
Ady
• Tsaboina amin’ny Dithane M 45 ny ambeoka/
mialohan’ny hamafazana azy
5.2./ Hernis du Crucifère
• holatra amin’ny tany
• mainty ny tongony
5.2.1./
ady
• Hajaina antsakany sy andavany ny toromarika amin’ny
fanaovana ny tanindaisoa
• Ampidirina ao amin’ny fifandimbiasamboly ny
fambolena ny voly mitondra voa madinika ( graminées)
• Atsoboka anaty ranompanafody Thiophanatemethyl ny
fakan’ny zanadaisoa mialohan’ny fanetsana azy.
5.3./
5.4./
Champignons des organes foliaires :
• ( mildion, altérnariose, maladie des taches noires,
rouilles blanches, pourriture grise)
5.3.1./
Ady
• Fafazana Chlorotatoni na Cymoxamil sy mancozène,
raha vao mitsimoka ny voa ka averimberina isaky ny
810 herinandro
• Fitsaboana ny ambioka amin’ny alalàn’ny exipipodione
( atsoboka)
• Fitsaboana ireo atokana angalàna voa atao ambioka
amin’ny alalàn’ny carbendazine sy Ipodone
• Fitsaboana raha mbola ampotorany izany
Maladies bactériennes : Nervation noire des crucifères
• Fahavalon’ny tahondaisoa
5.4.1./
Ady
• Fampiasana ambeoka salama na voatsabo
• Lanjalanjaina ny fitondrana azota
5.5./
Virose : Mosaïque du choufleur
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 151617 Jona 2005
Ananas sy legioma
•
5.6./
5.5.1./
ady
fifantenana tsara ny zanadaisoa salama tokony haketsa
Mpanimba ny fakany, vozony sy taho :Charançon gallicole du chou
• Fanatsobohana ny ambeoka anaty fanafody biby
• ohatra : Chlorfenoinphos
• Fanondranana ny plasy misy zanadaisoa amin’ion
ranompanafody io ihany
• Fifantenana ny zanadaisoa salama
5.7./ Lalindaisoa ( mouche de choux)
• Fifantenana ny zanadaisoa salama
• Fitsaboana amin’ny benfinacarbe, carbofuran diazinon
5.8./ Kankana madinika
• fampiharana ny ady mifandraika amin’izany
5.9./ Bibikely ( Insectes)
• Fampiasana mialoha ny fanafody biby amin’ny fotoana
fanatodizany( fanafody mamono atodimbiby), ka
miafara amin’ny fanafody mamono ny olitra
• Tsara raha ny hariva no atao ny fitsaboana
5.10./ Olitra ( larves)
• Fomba fanaon’n Tantsaha :
• mandavaka 0,5 m x 0,5 m x 0,5 m
• Dorana ao anatiny ao ny mololo mifatratra tsara
• Rotsahana rano
• Tondrahana amin’io inakerinandro ny laisoa voaketsa
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 151617 Jona 2005