litorjia-12-10-2014 - FJKM Tranovato Ambatonakanga

RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA
05/10
Rakitra
Voalohany fid.I
Voalohany fid.II
Alitara fid.I
Alitara fid.II
Fandraisana fid.I
Fandraisana fid.II
Adidy, adidy ivelany, Vokatra
Tany lova
Mariazy
FITAMBARANA
FANEKEM-PINOANA NIKEA KONSTANTINOPLA
265.430
153.500
389.550
209.000
457.500
204.100
811.600
190.000
80.800
2.221.480
Rakitra tsangambato : 222.350 Ariary
Rakitra tsangambato : 137.400 Ariary
Ambohimanjaka: 1.277.500 Ariary
MOFON’AINA
“Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona
fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan’Andriamanitra.” (Mat.4:4)

Daty
12/10
13/10
14/10
15/10
16/10
17/10
18/10
19/10
20/10
21/10
22/10
23/10
24/10
25/10
26/10
27/10
28/10
29/10
30/10
31/10
01/11
02/11
03/11
04/11
05/11
06/11
07/11
08/11
12 OKTOBRA 2014 – 08 NOVAMBRA 2014
Teny hovakìna
Dan.3: 19-30; Lio.22: 24-30 ; 2 Kor.11: 21b-33
Sal.130
Lio.22: 24-30
I Tim.4: 11-16
Sal.34: 1-10
Dan.3: 19-30
Tit.2: 11-14
Jer.20: 7-13; Mat.25: 1-13 ; Jak.5: 7-11
I Mpa.11: 29-39
Kol.1: 21-23
Jak.5: 7-11
Apo.3: 7-13
Jer.20: 7-13
Lio.21: 12-19
Sal.33: 18-22; Mat.15: 21-28 ; Asa.26: 19-23
I Jao.2: 15-17
Gal.5: 2-6
Mar.13: 12-13
Joda 17 - 23
Rom.15: 5-13
Hab.3: 17-19
1 Sam.2: 1-3 ; Jao.16: 19-24 ; Fil.1: 12-18
I Sam.18: 5-7
Sal.81: 1-10
I Sam.2: 1-3
Lio.13: 14-17
Jao.16: 19-24
Ezr. 3: 10-13
“Vakionareo ny Soratra Masina ...”
TENY FIAINANA Jakoba 1: 4
« Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka,
mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka
tsy hisy tsy ampy na inona na inona.»
Isika mino an’Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny
lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny
tsy hita. Ary an’i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy
Tokan’Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan’izao
rehetra izao, ny Mazava, avy amin’ny Mazava,
Andriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra, nateraka fa
tsy natao, miray amin’ny Ray amin’ny zavatra rehetra ; Izy
no nahariana izao rehetra izao. Noho ny amintsika
olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany
an-danitra Izy, ary nataon’ny Fanahy Masina nofo avy
tamin’i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy.
Nohomboana tao amin’ny hazofijaliana ho fanavotana
antsika, tamin’ny nanapahan’i Pontio Pilato Izy : nijaly Izy
ka nalevina. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro
fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any andanitra Izy, ary mipetraka ao an-tànana an-kavanan’ny
Ray ; avy any no hiaviany Indray amin’ny voninahitra
hitsara ny velona sy ny maty, ary ho mandrakizay ny
Fanjakany.
Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady Mpanome
aina, Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy
ankalazaina miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ; Izy dia
niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany. Isika mino ny
Fiangonana Iray, miorina amin’ny fanambaran’ny Apostoly
ary manerana izao tontolo izao. Isika manaiky ny batisa
iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan’ny
maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena.
HIRA SAFIF 10
-1-Asandrato avo re ny hiranao
Ka derao Ilay Mpanjaka lehibe
Izay namorona izao tontolo izao
Tamim-pahendrena be
Saotra! hira fiderana
Saotra! atolorinao
Saotra ! hira fanajana
Aoka ho an’Andriamanitra
-3-Mba derao, ‘zao Andriamanitra
Izy no nahary sy namelona
Ary na marary na finaritra
Izy no Mpanohana
Saotra! sns...
HIRA SAFIF 70
-1-Ry Fanahy Masina ao ambony
Irak’i Jeso Tompo
Izahay aty dia mila vonjy
Hafanao, hatanjaho!
Ry Fanahy Masina ô! Midina
Hanafana, hampahery
Izany fo lazolazom-pahotana
O! Vonjeo, sao very.
Fandraharahana :  22 222 75 // Mpitandrina : 22 240 50 – 032 07 611 15 // 033 02 240 50
www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg
Isan’ny natonta 500 ex
FFIIIAAANNNG
G
O
N
A
N
E
S
O
A
O
G
A
S
K
A
R
A
GO
ON
NA
AN
N’’III JJE
ES
SO
OA
AK
KRRRIIISSSTTTYYY EEETTTO
OM
MAAADDDAAAG
GA
AS
SIIIK
KA
AR
RA
A
TTRRRAAANNNO
O
V
A
T
O
M
B
A
T
O
N
A
K
A
N
G
A
OV
VA
AT
TO
OA
AM
MB
BA
AT
TO
ON
NA
AK
KA
AN
NG
GA
A
TAKELA-PIFANDRAISANA
avoakan’ny Vaomieran’nyFifandraisana sy Asa sosialy
ALAHADY , faha- 12 OKOTOBRA 2014 –9 ora sy 30mn
“NY FANANTENANA NO NAMONJENA NY MINO”
“MAHARITRA AMIN’NY FAMONJENA NY MINO”
“Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego,
Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy.”
(Dan. 3, 28b)
Anisan’ny tantaram-pamonjena mampitolagaga indrindra ao amin’ny
Baiboly ity tantaran’ny namonjena an’i Daniela sy namany tamin’ny
lafaoro mirehitra afo ity. Nahatonga fiovam-po sy niteraka finoana teo
amin’ny lehilahy jentilisa be voninahitra sy tompon’ny fanapahana
tamin’ny androny ny zava-nitranga, dia Nebokadnezara mpanjaka izany.
Ny asan’Andriamanitra sy ny heriny ary ny famonjeny sy ny fombàny
ny olona matoky Azy, ka tsy mba mivadika eo anoloan’ny toe-javatsarotra mianjady amin’ny fiainany no asehon’ny tantara. Na dia ny mafy
indrindra aza no iaretan’ny olon’Andriamanitra, dia tsy mandao na
mahafoy azy Izy, fa manome hery sy manokatra lalana amin’ny fomba tsy
takatry ny saina mba ho fanavotana ny mpanompony amin’ny loza sy ny
fahafatesana.
Ry havana, isika olon’Andraiamanitra dia zohìn-doza sy didinimpahoriana mandrakariva. Indraindray dia ny mafy sy ny mafaitra mihitsy
no zakaintsika. Aoka anefa tsy hatahotra na hangorohoro noho izany isika.
Aoka tsy hanome tsiny an’Andriamanitra, na sanatria hivadika aminy, fa
miezaha misaotra Azy noho ny famonjena izay efa homaniny ho antsika.
Aoka ho tazonintsika ny faharetana, fa ao amin’izany no handresentsika sy
hamonjen’ny Tompo ny olona mifikitra aminy sy matoky Azy isan’andrro.
Hoy ny teniny hoe: “Aza matahotra izay efa hiaretanao. Aoka ho
mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” (Apok. 2,10)
RAZAFINIARIVO Fidison M., Mpitandrina
ALAHADY, faha – 12 OKTOBRA 2014
ALAHADIN’NY SAMPANA FIFOHAZANA
“Maharitra amin’ny famonjena ny mino”
LITORJIA FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA
Mpitarika : «Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano
ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.»
Besinimaro : « Nizaha toetra ny foko Ianao; namantatra ahy nony alina. Nizaha
toetra ahy tamin'ny memy Ianao. »
Mpitarika : « Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao; tsy solafaka ny tongotro.
Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'
izao tontolo izao. »
Ia rah an a : « Isaorana anie Andriamanitra, Izay maniraka ny anjeliny hamonjy
ny mpanompony izay matoky Azy. Amena.” (Sal. 17,1s.5.14 ; Dan. 3,28)
 HIRA : 10 and. 1, 3 (SAFIF)
VAVAKA FIDERANA
Fiatoana kely : Feon-javamaneno
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY
LITORJIAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
 HIRA : 70 and. 1 (SAFIF)
VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA
FAMAKÌNA NY SORATRA MASINA: Dan. 3, 19-30; Lio. 22, 24-30; 2 Kor. 11, 21b-33
 HIRA : 190 and. 2
TORITENY (faranana amin’ny Hiran’ny ORIMBATO)
LITORJIAN’NY ASA
VAVAKA FANGATAHANA
FANEKEMPINOANA NIKEA KONSTANTINOPLA
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
RAKITRA : I (Fiangonana); II (SAFIF); III (Tsangambato):  HIRA : 306
VAVAKA FANOLORANA
ASA VAVOLOMBELONA:
BATISA: HIRA: 813 and. 1, 2, 6
ASA FAMPAHEREZANA
b
LITORJIA FAMARANANA
TSODRANO
 HIRA : 543 and. 3
SAMPANA SEKOLY ALAHADY
.
"Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza raràna
fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra"
(Mar 10, 13)
- Toy ny isan-taona dia hotanterahina ny Alarobia 15 Oktobra 2014 amin’ny 3 ora tolakandro eto ampiangonana ny Fandraisan'ny Mpitandrina mivady ny ankizy rehetra eto amin'ny Fitandremana. Koa
entanina isika mpianakavin'ny finoana handefa ireo zanatsika; ary antsoina ihany koa ny Mpiandraikitra
Sekoly Alahady rehetra ho tonga avokoa hifampitantana amin'ny Mpitandrina amin’ny fampilalaovana ny
ankizy.
- Ny Asabotsy 18 Oktobra 2014 : Fihaonamben'ny Sekoly Alahady Synodamparitany Iarivo Avaradrano, any
amin’ny FJKM MAHATSINJO. Hisy filaharana sy Carnaval araka ny lohahevitra
" Ny tontolo iainana sy ny teknolojia". Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ireo Biraon'ny Sampana
sy ao amin’ny Sekretera Mpandraharaha.
SAMPANA VFL-FZA
« Ary mahereza ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà, fa Izaho no momba anareo » (Hag 2.
4b)
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika, ry Havana, tamin’ny nahatontosana soamatsara ny taompankalazana Azy noho ny faha-35 taonan’ny Sampana VFL-FZA tamin’ity taona 2014 ity. Isaorantsika tokoa ny
Tompo, tamin’ny nahazoan’ny Mpikambana rehetra niara-nientana tamin’izany, niaraka tamin’ny
Mpianakavin’ny finoana, na ny teto amin’ny Tranovato Ambatonakanga, na ireo avy amin’ny Foibe sy ny
Synodam-paritany ary ireo Fiangonana rahavavy.
Tanteraka tamintsika tokoa ny Teny Faneva hoe « … miasà fa Izaho no momba anareo » araka ny
fisongadinan’ny asa izay niaraha-nikely aina. Nisoritra tokoa izany nanomboka teo amin’ny fanokafana ny
taom-pankalazana ny 09 Febroary, ny fiarahantsika nanatontosa ny « Sakafom-pankalazana » ny 02 Martsa,
nahazoantsika izay nenti-manana ny fandaniana tamin’ny ivon’ny fankalazana ny 14 Jona, (fanasana ireo avy
amin’ny foibe FJKM sy ny SFL - ny SPIA sy ny VPL ary VFL namana rehetra) – Ary dia mbola
ankasitrahantsika feno koa ny Tompo ny amin’ny nahazoantsika mbola nifanohana tamim-bavaka sy nifanolotanana tamin’izay tsy ampy, ka nahatsanganana ny « Tranoheva Fialofana »- ho tsangambaton’izany faha-35
taona izany, ary natolotra ny fiangonana tamin’ny Fotoam-pamaranana ny 28 Septambra 2014 lasa teo. Ary
amin’ny maha-an’ny fiangonana izany, dia ny mpianakavin’ny finoana rehetra no hisitraka ny fampiasana izany
sy ny fikajiana azy rahateo koa.
Fa ny Dera sy ny Laza ary ny Voninahitra kosa dia ho an’Andriamanitra Tompontsika Irery ihany !
Manohy ny fivoriana sy ny fiaraha-mandinika ny Soratra Masina toy ny fanao isam-bolana ny Sampana amin’ny
Alahady 26 Oktobra 2014 , manomboka amin’ny 8 ora latsaka fahefany, ao amin’ny Akany Rasolofoson. Izany
dia anasana ireo vonona hanatevin-daharana ny Sampana sy ny mpianakavin’ny finoana. Fa hoy ny Tompo,
«Dinihinareo ny Soratra Masina, ... fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no
manambara Ahy. » (Jao 5.39)
Diakona tompon’anjara amin’ny volana OKTOBRA / Faritra FAHA-EFATRA
Filoha : Atoa RAKOTOVELO Martin
Tompon’anjara Alahady :
12/10 : SAMPANA FIFOHAZANA
19/10: MAMRE FJKM (Dorkasy)
Anjara voninkazo :
12/10: Rtoa RASOAMANANA Mireille sy Rtoa ANDRIAMANOHERA Bakoly
19/10: Rtoa RAZATOVOMBAHOAKA Olga
Fanatazana ny Rakitra III: STK- 12/10: Vao. Zavamaneno – 19/10: Katekomena – 26/10: Dorkasy-02/11 Fid.I:
AFF-02/11 Fid.II: Komity site web – 09/11: SAMPATI – 16/11: VFL – 23/11: V.Vola – 30/11: V. Fifandraisana – 07/12
Fid.I: Dorkasy- 07/12 Fid.II: SLK – 14/12: SVM – 21/12: Komity Tsangambato – 28/12: V. Fanompoampivavahana
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena”
-3-