Omby vavy be ronono

Fiompiana
OMBY VAVY BE RONONO
Toko -1-KARAZANA
Tanjona : Misafidy karazan’omby mifanaraka amin’ny fomba fiompy misy
1.1./
1.2./
Ireo karazany tsy mifangaro:
1.1.1./
Pi rouge Norvégienne (PRN)
• Fiaviana –Norvége
• Mamokatra ronono hatramin’ny 10 volana ary raha tsara fikarakarana:
6,500-8 000 litatra
• Lanjany: 700-800 kg
• Tsy afaka miaina amin’ny ahabo latsaky ny 800m, afaka ompiana any
amin’ny faritra amoron-tsiraka raha voaaro amin’ny hafanana
1.1.2./
Frisonne française Pie Noire (FFPN)
• Fiaviana – Frantsa
Mamokatra ronono hatramin’ny 10volana ary raha tsara fikarakarana :
6 500-8 000litatra
Lanjany mitovy amin’ny PRN
Afaka ompiana amin’ny toerana manana ahabo latsaky ny 800m
1.1.3./
Prim’Holstein
Fiaviana – France, azo avy amin’ny fampivadiana FFPN x Holstein
Friesian
Mitaky fikolokoloina sy fikarakarana indrindra ny ara-tsakafo
1.1.4./
Karazana Normande
Fiaviana – Frantsa
Famokaran-dronono mandritra ny 10 volana ary tsara ompiana eto
Madagasikara : 4,200l
Mahazaka ny toe-tany eto Madagascar
Ireo karazana azo avy amin’ny fampivadiana omby eto Madagasikara
1.2.1./
•
•
Manjan’i Boina:
Azo avy amin’ny fampivadiana omby gasy x sy karazana “Brune des Alpes”
Famokaran-dronono latsaka noho ny karazana “Normande”
Ny haben’ny vatany mitovy amin’ny karazana “Normande”
1.2.2./
•
•
Rana :
Azo avy amin’ny fampivadiana omby gasy x FFPN na PRN na Normande
Vokatra ronono: 2,500litatra
Karazan’omby ompian’ny ankamaroan’ny mpiompy
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
1
Fiompiana
1.3./
Fisafidianana ireo karazana omby ompiana
Mahay misafidy ireo omby vavy manana nono lehibe sy mirafitra tsara,
mivelatra tsara ny maojany. Ny fahatsaran’ny omby dia miankina
indrindra eo amin’ny fahaizana misafidy ny lafim-pianakaviana, miankina
amin’ny tenany manokana ( haingam-pitombo hatramin’ny fahakeliny),
miankina amin’ny hatsaran’ny vatany ( mijoro tsara)
Toko -2-TRANON’OMBY
Tanjona:
Tranon’omby tsara mahaaro azy ireo amin’ny hafanana, orana, hatsiaka
amin’ny fotoanan’ny ririnina
1- Torolalalana ankapobeny eo amin’ny fanamboarana ny trano
Trano amboarina amin’ny toerana maina sy tsy azon’ny hamandoana
Tsy azon-drivotra loatra
2- Trano ipetrahan’ny omby vavy voarefy
Tsy maintsy asiana faritra samihafa ao an-tranon’omby
- Hialana sasatra, hisakafoanana, hanaovana ny fitsaboana, hiterena azy.
2.1./
Refin’ny trano
2.1.1./
Halavany:
halavan’ny biby + 0,10m na
ƒ 1,60m-2,2m: omby vavy
ƒ 2,20m
: omby lahy
ƒ 1,20m
: zanak’omby
ƒ 1,90m
: vatotr’omby
2.1.2./
sakany:
ƒ
2.1.3./
1,2m – 1,60m: omby lehibe
0,60m
: zanak’omby
Isan’ny omby
Ny toerana hametrahana ny trano: any am-povoan-tany
Ny tranon’omby dia tokony haharo azy amin’ny hatsiaka amin’ny
fotoann’ny ririnina, ary ny eny amoron-tsiraka dia tokony haharo azy
amin’ny hafanana.
2.1.4./
Tavy fisakafoanana:
• Habehany : mahalany 250l isaky ny omby
• Halavany mitovy ny an’ny toerana ipetrahany
• Sakany: 0,60m – 0,70m
• Lalan-tsara misy karazany 2:
o Lalantsara fikarakarana: 1,50m ny sakany
o Lalantsara fitsinjarana sakafo: 1,30m ny sakany
2.1.5./
Fandrin’ny tany na ny fisolampin’ny tany:
Fisolampin’ny andalovan’ny tatatra 1 à 2%
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
2
Fiompiana
Fisolampin’ny toerana mankany amin’ny an-davan’ny tatatra: 2%
Fisolampin’ny lalantsara mankany amin’ny andavan’ny tatatra 1%
2.1.6./
Trano ipetrahan’ny omby malalaka
Trano azo hivezivezen’ny omby ankahalalalana
Mizara 3 ny toerana:
• Toerana fisakafoanana, azo sasana amin’ny rano na sorohana amin’ny angady
• Toerana fialan-tsasatra na fatoriana: asiana 6 – 8kg bozaka maina isaky ny omby
isan’andro
• Toerana fihetsiketsehana: tsy voasarona fa kosa voafefy. Azo hametrahana ny sakafo sy
ny mololo
2.2./
Ireo firafitry ny tranon’omby
2.2.1./
2.2.2./
Ny rindrina
- Fitaovana na akora ilaina
Ny hazo no tena tsara ampiasaina mba hisian’ny fidiran’ny rivotra madio
ary ahafahan’ny rivotra maloto sy ny fofona maimbo mivoaka. Azo
arafitra amin’ny fomba maro, mora afindra raha misy ilana izany
Ny biriky
Volobe tetitetehana
- Ny ahavony
Rindrina tsy feno , 1,50m ny ahavony mba hisian’ny rivotra madio
betsaka miditra ao an-trano
Ho an’ny zanak’omby tsy mahatanty hatsiaka be dia be, tsy maintsy atao
feno ny rindrina, saingy karohana hatrany ny ahazoany rivotra madio
hatrany.
Ny fanambanin’ny trano
Tany nafatratra:
o mora diovina
o mando lava
o tsy dia lafo
Hazo fisaka:
o Mora atao, nefa mora simba haingana indrindra amin’ny
fotoanan’ny fahavaratra
Tsy maintsy asiana lafika (mololo, ahitra maina, ...) mba hiaro amin’ny
famandoana nefa tsy maintsy solona isan’andro
Sarotra diovina
Mitana hamandoana ny fahavaratra
Vato fisaka natambatambatra:
Mafy, nefa sarotra diovina
Tsara kokoa noho ny tany nafatratra
- Simenitra afangaro amin’ny fasika na vatokely
Tsara noho ny tany nafatratra sy ny hazo, nefa lafo ny fanatanterahana azy
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
3
Fiompiana
Hajaina hatrany ny silongan’ny marin-trano mba hikoriana tsara ny rano
eo amin’ny fanadiovana azy
Kendrena mba hatao marokoroko ny fanambonin’ny trano mba tsy
hampibolisatra ny omby mandeha eo amboniny
2.2.3./
Ny tafo
Natao hiaro azy amin’ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny orana. Tokony
tsy hosoloina matetika
Tafo bozaka: Tsy dia lafo loatra, mahaaro tsara amin’ny hafanana sy ny
hatsiaka
Tafo taila: Tsy dia lafo loatra, mahaaro tsara amin’ny hafanana sy ny
hatsiaka, nefa tsy maintsy soloina matetika, mitahiry voalavo.
Tafo fanitso: Lafo vidy, miaro tsara amin’ny hatsiaka, hafanana ary ny
hamandoana, mateza
Tafo ravim-potsy
2.2.4./
Ny vavahady:
Ahavony : 2m farafahakeliny.
Ilaina ny vavahady mba hidirana ao an-tranon’omby ahafahana manadio
sy mizara sakafo
Habeny : sakany: 1,20m
Toko -3-NY SAKAFON’OMBY
Tanjona: Sakafo ara-dalana, ahazoana vokatra tsara
3.1./
Zavatra ilaina
3.1.1./
Rano:
Ny filana ara-drano dia miankina indrindra amin’ny fotoan’andro sy ny
sakafo hohanina
Fanampiana rano ara-dalana ho an’ny omby: omby vavy mitondra
vohoka: 30l à 40l, omby mamokatra ronono: 70 à 80l
3.1.2./
Otrik’aina:
Asany:
Ilaina mba hanome hafanana ho an’ny vatan’ny omby
Ilaina eo amin’ny fihetsiketsehany
Ilaina eo amin’ny famokarana ronono
Ireo sakafo misy otrik’aina (glucides sy lipides)
3.1.3./
Ny prôteina
Vokatra manome proteina:
Ny sérèaly: vary , varim-bazaha, katsaka
Mangahazo, vomanga, ovy
Ampombom-bary, ampombom-barimbazaha
Ny asan’ny protida:
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
4
Fiompiana
Ilaina eo amin’ny fitombon’ny nofo eo amin’ny famokarana hena
Ilaina amin’ny famokarana ronono
3.1.4./
Ny Mineraly
Fiahaviany:
Soja
Faikana soja, failam-boanjo, faikana hasy na landihazo,faikam-boanio
Vovo-trondro maina, vovo-taolana, vovon’akorandrika
Vovoka hena sy rà
Ny anjara asany:
Ilaina eo amin’ny fiforonana sy fanamafisana ny taolana
Fampitomboana ny nofo sy ny ronono
Ny tsy fahampiany dia miteraka tsy fitomboana sy areti-taolana
(Ostéopathie),fikorontanan’ny fananahan’ ny omby
Ny tsy fahampiana:
Kalsioma sy fosfora: Ny tsy fahampian’ireo dia miteraka tsy
fahombiazana
Vokany:
fahafahan-jaza, mihamahia ny omby
Ny sira: manome tsiro ny sakafo, mitombo hery mampitombo
3.1.5./
•
Ny Vitaminina
Ny sakafo amin’ny ankapobeny dia misy otrik’aina sy protida ary
mineraly
Ny vovoka taolana ( misy kalisioma, fosfôra)
Sakay (Ca)
Ny sira (Sodioma)
Ny tsy fahampian’ny vitaminina dia mitondra fikorontanana eo amin’ny
fitomboana sy fananahany ary miteraka fahafatesana
Ireo karazana Vitaminina:
Vitaminina A: miantoka ny fitomboana eo amin’ny zanakomby sy ny
vantony
Vitaminina D: miaro ny taolana mba tsy iharan’ny fahalemena sy ny aretitaolana
Vitaminina E: Miantoka ny famorana
Vitaminina B sy C
3.2./ Ireo sakafo fototra
Ny ahimaitso sy ny otri-bilona:
Ny Vilomaitso: Azo lazaina fa ny vilomaitso no tena foto-tsakafon’ny
omby. Ankoatran’ireo ahitra efa misy eny ankijana dia ilaina ny
fambolena ahi-maitso indrindra mba atao fiandry amin’ny fotoana tsy
fisian’ny ahitra
3.3./
Fomba fambolena sy fitehirizana vilona
Penissetum à Collet rouge (Penissetum merveri)
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
5
Fiompiana
Penissetum à éléphant ( Penissetum pupureum).
Ambolena amin’ny botira 80cm x 50cm – tonony 3 ka ny 2 milevina.
Kapaina raha vao 80 cm ny hahavony. Zaraina amin’ny omby ambala.
Mety atao otri-bilona
Chloris (Chloris Gayana) : ambolena volana Décembre 50g/ara. Kapaina
in 2 isan-taona . Tsy andefasan’omby ny taona voalohany fa tapahana.
Maharitraa 4 taona. Tsara atao vilona maina
Bracharia ( Bracharia ruzizinsis – Brancharia brizantha) ambolena :
20kg/ha. Azo atao botira ary atao mahitsy elanelanina 30cm
Guatemala ( Trisacum laxum) : ambolena botira na silaka 1mx1m.
Kapahina raha vao 1,20m ny halavany. Azo atao otri-bilona, maitso
ririnina
Vilo-maina: Stylosanthés-Ambolena 8kg/ha. Tsy mila zezika
Vokatra : 45T/ha in 3 mandidy, maharitra 5 taona. Azo atao maina,
tandremana tsy ho very ny raviny fa mihintsana, fady atao otri-bilona.
Ny otri-bilona: Fomba iray ahazoana mitahiry ny vilona ho maitso hatrany
sy ahafahana mitazona ny ampahany maro amin’ny otrik’aina ao aminy
ny otri-bilona
Tapahana ny vilona amin’ny fotoana hanombohany hamony;
Tsy avela hihahy eo amin’ny masoandro fa avadika amin’ny forisa
Apetraka eo amin’ny toerana mangatsiatsiaka;
3.4./ Fepetra fanatanterahana ny otrik-bilona
- Lavaka:
Mandavaka “silo” amin’ny tany mafy, maina ary saika atao amin’ny tany
misolampy no hanaovana azy
Arotsaka ao amin’ilay toerana fanotrehana vilona na ilay lavaka ny vilona
notapatapahana 2Ocm ny halavany. Kendrena mba hifatratra tsara
Saromana bozaka na mololo avy eo rakofana tany eo amin’ny 40 à 60cm
ny hateviny
Mandritra ny fotoana maina no hanokafana ny otri-bilona, ary tsy maintsy
foanana ao anatin’ny fotoana fohy ny lavaka
Esorina ny tany nanarona azy iny
Amin’izay faritra holoarana ihany no tokony hosokafana;
Verenana saronana amin’ny bozaka ihany ny otri-bilona mba tsy ho
simba;
Azo omena otri-bilona 10 à 15 kg isan’andro ny omby iray.
3.5./ Ireo fanampin-tsakafo: provandy
Tsy maintsy ilaina ny fanampin-tsakafo mba hameno ireo otrik’aina entin’ny vilona, mba
ahazoana vokatra tsara.
Ankoatran’ny sakafo omena isan’andro dia tokony homena:
- 0,5 kg provandy manomboka eo amin’ny faha-enimbolan’ny fitondrany vohoka
- 1kg provandy eo amin’ny faha 7 sy faha 8 volana hitondrany vohoka
- raha mpamokatra ronona ny omby dia tokony hanampy 0,5 kg na provandy
isaky ny 1l ronono vokariny
ohatra :
Filàn’ny omby vavy mpamokatra ronono
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
6
Fiompiana
Sakafo
Katsaka
Ampombom-bary
Faikam-boanjo
Mineraly
Totaliny
Lanja
50
25
21
4
100
Filàn’ny zanak’omby eo amin’ny fikojakojana ny vatana miampy
fitomboana
Sakafo
Lanja
Katsaka
40
Mangahazo
20
Faikam-boanjo
25
Vovo-drono
13
Sira
1
Mineraly
0,8
vitaminina
0,2
Totaliny
100
Toko -4-FAMPITOMBOAN-TARANAKA SY FAMOKARANA
RONONO
4.1./
Fampitomboan-taranaka
Matetika ny vavy dia ampanarahana amin’ny omby lahy na manao
ny fampaanarahana enti-tanana
4.2./
Famokaran-dronono
Fiterena
Ny tena fampiasa dia ny fiterena amin’ny tanana.
Dingana arahina amin’ny fiterena
Tsy maintsy madio ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ny fiterena (siny
...)
Tsy maintsy madio, manao fitafiana madio ny mpitery ronono
Tsy maintsy omanina mialoha ny nonon’omby mba handotso ( sasana
amin’ny rano matimaty ny loha-nono), terena kely avokoa ny
nonon’omby efetra mba ivoahan’ny ronono voalohany izay azo antoka fa
maloto
Azo atao ny mampiasa ny zanak’omby mba hampan-dotsoana ny
nonon’omby ho an’ireo reniomby miara-mitoetra amin’ny zanany
Indroa isan’andro no tsara hiterana ny omby
Maharitra eo amin’ny 7 à 10mn ny fiterena tena izy
Tsy maintsy foanana tanteraka ny ronono sisa tavela ao amin’ny
nonon’omby satria :
o Ao no mifatratra ny menaka izay manome ny tsiro ny ronono
o Manome vahana ny otrik’aretina mpanimba ny nonon’omby ny fijanonany
maharitra ao
Tatavanina amin’ny lamba madio ny ronono azo mba hialan’ny loto
rehetra
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
7
Fiompiana
Apetra amin’ny toerana mangatsiatsiaka ny ronono alohan’ny hizarana
ary.
Toko -5-IREO KARAZAN’ARETINA
5.1./
Aretina vokatry ny “ bacteries”
5.1.1./
RABOKA
Fisehony ivelany: Mikohakoha-maina tsy maharitra sady mitsitapitapy ny
omby indrindra rehefa reraka sy mangatsiaka ny andro. Avy eo
mihamatetika ny fikohafana, sempotra izy raha vao manao fihetsehana
kely. Amin’ny farany, mikohaka matetika sy mitarazoka ary mamoaka
rehoka amin’ny vavany mihitsy aza. Mitombo habe ny mosavin-kena na
eo amin’ny foto-tsoroka, na eo amin’ny elanelam-pe.
5.1.2./
Beary, Besoroka, Fivalanan-dririnina
Misy vakisiny vokarina eto an-toerana. Samy areti-mifindra avokoa izy
ireo
5.1.3./
Beary sy Besoroka
Fisehoan’ny aretina:
Amin’ny voalohany manavy be ny omby, malain-komana, mangovitra,
misefosefo sy sempotsempotra, mitsanga-mitoetra satria mahatsiaro
fanaintainana izy. Mivalana betsaka sady masiso no miloko mainty.
Mamoaka amany misy rà, mivoaka ranon-delo, mangana ny ati-orony sy
ny ati-vavany ary ny fivaviany ho an’ny vavy.
Ny besoroka:
mampiavaka azy ny fivontosana eo amin’ny nofon-tenda, nofo-tsandry,
nofon-tsoroka ary raha tsapaina dia mafana ary handrenesana zavatra
mipoampoaka ao anatiny. Tsaboina amin’ny antibiotika ny biby
5.1.4./
Fivalanan-dririnina
Fisahon’ny aretina:
Malaindaim-pihetsika, mitsangam-bolo
Tampoka, mivalana be, tena mandranoka sy mipiriritra mihitsy sady tena
maimbo. Misy fanaviana kely
Mitohy tsy ankijanona ny fivalanana raha tsy mahazo fitsaboana,
mihamahia ny omby. Miafara amin’ny fahafatesana raha tsy mahazaka
ilay aretina izy
Drodro na habokana: areti-koditra vokatry ny “bacterie” antsoina hoe:
Dermatophilus Congelensis”. Areti-mifindra saingy tsy dia mitondra
fahafatesana loatra fa manelingelina eo amin’ny famokarana kosa.
Fisehon’ny aretina:
Misy fivontosana kely maromaro mipoitra eny amin’ny hoditry ny omby.
Misy nana ao anatiny ary mihintsana ny volo amin’ireny fivontosana
ireny. Mivadika ho fery ary misy tako-pery avy eo
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
8
Fiompiana
5.2./
5.3./
Aretina azo avy amin’ny parazita
5.2.1./
Ditan’omby
Fisehon’ny aretina:
malain-komana, mitsangam-bolo
mivalana matetika
hatsatsa amin’ny ankapobeny
mihamahia miandalana
ny omby vavy mpamokatra ronono dia mihena ny vokatra azo
mora reraka
Misy fivontosana eo amin’ny verany
Mety ho faty raha tsy voatsabo
5.2.2./
Kankana
Maro ireo kankana izay mipetraka any amin’ny:
Taovam-pandevonan-kanina
Taovam-pisefoana
Anaty hoditra
Aretina hafa
5.3.1./
Ny fizihiran-kibo
Misy karazany 2:
Ny fiangonan’ny rivotra betsaka eo amin’ny roroha izay tokony hivoaka
rehefa mandinika na mamadik’ota izy kanefa tsy mivoaka
Ny fiangonan’ny roatra ( rivotra tafa-haro amin’ny rano) ao amin’ny
roroha ihany
• Ny fihinanan’ny omby vilona tanora loatra, be rano efa simba , ory vilona
mora levonina be dia be, toy ny zava-maniry mandrotsa-boa no tena
antony mampiforona haingana ny rivotra na roatra ao anatin’ny
vavonin’omby ao ka mampizihitra azy.
5.3.2./
Fahakendana
Fisehon’ny aretina
Sady tsy mihinana, no tsy misotro ary tsy mamadik’ota ny omby
Mamoaka rora be dia be izy ary mizihi-kibo ihany koa
Mety hiafara amin’ny fahafatesana
5.3.3./
Areti-nono
Fisehon’ny aretina
Amin’ny voalohany matsora kokoa ny ronono mivoaka, misy zavatra
mivaingambaingana madinika
Avy eo mihamarihitra ny ronono, miova loko, mivoara mena be ny nono
marary
Madity be avy eo, mivonto be sy mafy ny nonon’omby, manaintaina raha
tsapaina amin’ny tanana. Vokatr’izay malain-komana, mihamahia
Amin’ny farany, mijanona ny fanaintainana, mijanona ho mafy ny nono,
tsy mivoaka intsony ny ronono
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
9
Fiompiana
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo
natao ny 15-16-17 Jona 2005
10