RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA 09/11 Rakitra Voalohany Adidy, adidy ivelany, Vokatra Mariazy 171.880 533.500 63.500 FITAMBARANA 768.880 Rakitra II: Ariary Rakitra tsangambato : Ariary MOFON’AINA “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona ny teny rehetra izay aloaky ny favavan’Andriamanitra.” (Mat.4:4) 16 NOVAMBRA 2014 – 06 DESAMBRA 2014 Daty Teny hovakìna 16/11 17/11 18/11 19/11 20/11 21/11 22/11 23/11 24/11 25/11 26/11 27/11 28/11 29/11 30/11 01/12 02/12 03/12 04/12 05/12 06/12 07/12 08/12 09/12 10/12 11/12 12/12 13/12 FFIIIAAANNNG G O N A N E S O A O G A S K A R A GO ON NA AN N’’III JJE ES SO OA AK KRRRIIISSSTTTYYY EEETTTO OM MAAADDDAAAG GA AS SIIIK KA AR RA A TTRRRAAANNNO O V A T O M B A T O N A K A N G A OV VA AT TO OA AM MB BA AT TO ON NA AK KA AN NG GA A FANEKEMPINOANA ARAKA NY SORATRA MASINA LAH-3 Mik.7: 7-10; Lio.15: 1-10; Asa.8: 1-8 Sal.51: 6-12 Lio.15: 1-10 I Pet.4: 12-16 II Sam.22: 47-51 Asa.8: 1-8 Sal.96: 11-13 Isa.25: 9-12; Mat.13: 44-46 ; 1 Tim.6: 17-19 Jao.3: 25-30 Isa.25: 9-12 I Tes.2: 17-20 Zak.2: 12-15 Mat.13: 44-46 II Kor.13: 5-14 Zak;9: 9-11; Jao.3: 25-30 ; 1 Tes.2 : 17-20 Mik.7: 7-10 I Pet.2: 1-10 Lio.12: 32-34 Sal.27: 1-3 Heb.10: 32-39 Dan.3: 13-18 Isa.12: 1-6 ; Jao.6: 34-40; 1 Jao.5: 10-15 Jer.29: 8-15 I Tim.4: 6-10 Jao.6: 34-40 Apo.12: 7-12 Isa.12: 1-6 Lio.18: 1-8 Mino an’Andriamanitra Tsitoha aho, Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Andriamanitra dia Fanahy, Andriamanitra dia fitiavana, Andriamanitra dia manjaka hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Andriamanitra dia nampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Mino an’i Jesoa Kristy, Zananilahy Tokana, Tompontsika aho. Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very. Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Izy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Mino ny Fanahy Masina aho. Izy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray. Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Tompo ô, ampitomboy ny finoanay. Amena “Vakionareo ny Soratra Masina ...” TENY FIAINANA Isaia 65 : 18 «Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.» Fandraharahana : 22 222 75 // Mpitandrina : 22 240 50 – 032 07 611 15 // 033 02 240 50 www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg Isan’ny natonta 500 ex TAKELA-PIFANDRAISANA avoakan’ny Vaomieran’nyFifandraisana sy Asa sosialy ALAHADY , faha- 16 NOVAMBRA 2014 –09 ora 30mn “NY FANANTENANA NO NAMONJENA NY MINO” “MIFALY AMIN’NY FAMONJENA NY MINO” HAFATRA FOIBE SAMPATI FJKM Ry Havana, Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika. Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo mahatratra izao fotoana famaramparanantsika ny taom-piasana 2011-2015 izao. Misaotra antsika rehetra tamin’ny fandraisana andraikitra samihafa sy ny fihazakazahana ka nampahomby ny asa fanabeazana nataontsika nandritra izay efa-taona izay. “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany” (Heb.6.10) Tonga ankehitriny ny fanovàna ireo tompon’andraikitra samihafa araka ny fandaminana avy aty amin’ny FJKM Foibe. Noho izany dia mampahatsiahy anareo isam-pitandremana sy isaky ny SAMPATI Synodamparitany izahay, fa ny volana Mey 2015 izao bo farany fanatanterahantsika ny fanavaozana eo anivon’ny SAMPATI Synodamparitany. Anjaranareo SAMPATI Synodamparitany no mamaritra ny datin’ny SAMPATI Synodamparitany Fitandremana. Mba afahana mifandray amin’ny SAMPATI Synodamparitany dia ny 10 Jona 2015 no tonga aty amin’ny SAMPATI Foibe ny tatitra sy ny lisitry ny birao vaovao miaraka amin’ny adiresy Mail (raha misy) sy nomerao telefaonina. Tsara koa ny mampahafantatra antsika rehetra fa ho tanterahina amin’ny 02, 03 Septambra 2015 ny komity Lehibe izay ahitana ny solontenan’ny synodampairtany ary ny 04,05, 06 Septambra 2015 ny Zaikabe faha VII izay atao any Toliara avokoa raha sitrapon’Andriamanitra, dia ho entintsika am-bavaka sahady no mampiomana antsika hiatrika izany. Mbola hisy ny fanamafisana an-taratasy ho alefa. Misaotra antsika rehetra nanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny SAMPATI Foibe tamin’ny alalan’ny rakitra. Eto am-pamaranana dia mampatsiahy anareo Birao sy ny Tonian’ny SAMPATI Synodamparitany izahay fa tsy mbola tonga aty amin’ny SAMPATI Foibe ny statistika izay nangatahana taminareo, koa mampahatsiahy anareo ny amin’izany. Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho aminareo mandrakariva. Ny Filohan’ny SAMPATI Foibe Atoa RANDRIANARIZAY Lucien, Mpitandrina Ny Tonian’ny SAMPATI Foibe Atoa RAMANAMPAMONJY Eddy Laura, Mpitandrina ALAHADIN’NY SAMPANA MPANAZAVA SY TILY FJKM “Mifaly amin’ny famonjena ny mino” VAOMIERAN’NY FANANANA FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (Sal.96: 1-6) Mpitarika: «Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah ; mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra.» Besinimaro: « Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany ; lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly.» Mpitarika: «Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.» Besinimaro: « Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.» Iarahana : « Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona ; fa Jehovah no nanao ny lanitra. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany ; hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ny fitoerany masina. Amena.» HIRA : HF 45 - VAVAKA FIDERANA FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA (II Kor.13: 11) Mpitarika: Hoy ny Soratra Masina : «Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka hianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna ; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.» Iarahana: « . Angatahana ny Sampana rehetra handray sy hanala ireo taratasim-pifandraisana sy hafa mipetraka ao amin’ny “Casier” ao amin’ny biraon’ny Fandraharahana. Misaotra mialoha. VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA SY SOSIALY Fizarana fankasitrahana ho an'ny afa-panadinana (taom-pianarana 2013 -2014) Izany dia hotanterahina ny alahady 30 Novambra ho avy izao. Iangaviana isika izay afa-panadinana ara-panjakana :CEPE, BEPC, BAE, BACC,Licence, Maîtrise, Doctorat... mba hisoratra anarana dieny izao ao amin’ny Sekreteram-pandraharaha. Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. EZAKA FANORENANA FIANGONANA ANY AMBOHIMANJAKA Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny tenivavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra. Amena (Sal.119, 2) HIRA : 2 and. 3 “Koa ankehitriny anaka, ho aminao anie Jehovah, ka ambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’i Jehovah Andriamanitrao, araka izay nilazany anao” (I Tan 22.11) Isaorantsika Andriamanitra amin’ny fandrosoan’ny asa fanorenana ny trano Fiangonana any Ambohimanjaka, izay mihazakazaka tokoa ankehitriny. Ankasitrahana indrindra isika rehetra tamin’ny ezaka niarahantsika hatreto. Ho famitana tanteraka ny rindrin’izany Fiangonana izany hatramin’ny faran’ity taona ity, dia hanokana ny alahady 07 Desambra 2014 isika hanaovana rakitra alitara. Koa manasa antsika tsirairay avy mba hanatrika sy handray anjara amin’izany fotoan-dehibe izany. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Ho aminareo kosa ny fiadanana. Amena FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA (vavaka ataon’ny mpitarika) HIRA 599 and. 1, 2 TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Isa.54: 10, 1 Jao.2: 1-2) Mpitarika: Hoy Jehovah Mpamindra fo aminao: « Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy ho hitsoaka ny faneken’ny fihavanako. Voavela ny helokareo, sns...» ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena.» Iarahana: «Sambatra HIRA : 543 and. 1, 3 FANEKEM-PINOANA ARAKA NY SORATRA MASINA – LAH-3 > Fiatoana kely : Feonjava-maneno / Hiran’ny Mpihira FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA RAKITRA : I (Fiangonana) / II (sampati fjkm / III (aff): HIRA : 45 - VAVAKA FANOLORANA HIRA : 786 and. 1 VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA FAMAKINA NY SORATRA MASINA: Mika 7: 7-10 ; Lio.15: 1-10 ; Asa.8 : 1-8 HIRA : 226 TORITENY (Faranana amin’ny hiran’ny Mpihira) VAVAKA FANGATAHANA HIRA : 430 and.1, 2 TSODRANO HIRA : 430 and. 4 Diakona tompon’anjara amin’ny volana NOVAMBRA / Faritra VOALOHANY Filoha : Atoa RAZAFIMAMONJY Fabrice Tompon’anjara Alahady : 16/11: SAMPATI FJKM 23/11: SAMPATI Anjara voninkazo : 16/11: Rtoa RAVONIMALALA Hanitriniaina 23/11: Mbola tsy misy Fanatazana ny Rakitra III: 16/11: VFL – 23/11: V.Vola – 30/11: V. Fifandraisana – 07/12 Fid.I: Dorkasy- 07/12 Fid.II: SLK – 14/12: SVM – 21/12: Komity Tsangambato – 28/12: V. Fanompoampivavahana Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena” -3-
© Copyright 2024 ExpyDoc