Omby vavy be ronono

Omby vavy be ronono
OMBY VAVY BE RONONO
1. Karazany :
Enina ny karazan’omby hita eto madagasikara :
ƒ Omby gasy sy rana : azo avy amin’ny safiotra gasy sy omby avy any ivelany isankarazany, ambany ny voka-dronono azo avy aminy nefa mahatanty toetr’andro sy aretina
aty amin’ny faritra.
ƒ Manjan’ ny boina : azo avy amin’ny safiotra omby gasy sy ‘’ brune des alpes’’, ambany
ny voka-dronono azo , tsy mihoatra ny 2500l isaky ny famokaran-dronono saingy
mahatanty toetr’andro sy aretina ary faritra iva izy.
ƒ Renitelo azo avy amin’ny safiotra Afrikaander limousin sy omby gasy : sady manome
ronono 3000l isantaona no manome hena.
ƒ fita mena norveziana : mamokatra ronono mandritra ny 10 volana (6500 – 8000l) ary
miteraka indray mandeha isan-taona, mahatanty toe-tany aty amin’ny faritra afoavoany
ƒ Fita mainty frizaonina frantsay : mamokatra ronono mandritrany 10 volana (6500 –
8000l), miteraka indray mandeha isan-taona, mahatanty toe-tany sy toetr’andro aty
amin’ny faritra.
ƒ Normandy : avy any frantsa, mamokatra ronono mandritra ny 10 volana (6500 – 7500l),
miteraka indray mandeha isan-taona, mahatanty toe-tany sy toetr’andro aty amin’ny
faritra, sady mamokatra ronono no manome hena.
ƒ Prim’Holstein : avy any Etazonia ny tanin-drazany fa nafarana avy any Nouvelle
Zelande, mamokatra ronono mandritra ny 10 volana (6500 – 10 000l) ary miteraka indray
mandeha isan-taona, mahatanty toe-tany aty amin’ny faritra afoavoany andrefana saingy
sarotiny aminy aretina sy ny fikarakarana.
2. VALAN’OMBY
Ainga fototra ahitana ny fitandrovana ny fahadiovana, fahasalamana, zezika, fanaraha-maso
ƒ Ny fandrafetana azy dia avy amin’ny fitaovana hita eny an-toerana sady mora vidy, ary
aorina amin’ny toerana tsy talaky rivotra
ƒ Manara-penitra ny refiny : mihoatra 10 cm ny halavan’ny omby
ƒ Madio sy maina lalandava
ƒ Mora diovina, misolampy manodidina ny 1%, manary rano, misy lakan-drano fivarinandrano
ƒ Misy lafika maina, voasolosolo ara-dalana
ƒ Misy lavaka fanangonan-jezika mitokana tsara
ƒ Tsy mihiboka be loatra azon’andro
ƒ Atokana isan-tsokajiny ny omby
ƒ Toerana mora arahi-maso
3. SAKAFO ARA-DALANA
Mameno ireo filana ho any fahavelomana sy famokarana
Filana isan’andro izay mitsinjara ho Vilona (vilomaina, vilomaintso na otri-bilona) izay fotontsakafo
Sakafo fanampiny izay antsoina hoe praovandy
Rano fisotro madio araka izay lany ( 30 – 40 l isan’andro ho any bevohoka, 70- 80 l ho an’ny
omby terena).
-1-
Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava
natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006
Omby vavy be ronono
4. VOLY VILONA
• Omby vavy be ronono iray milanja 600 kg dia mila voly vilona 0,25 ha ka
hatramin’ny 1ha araka ny hatsara sy ny karazana volena.
• Ireo karazana vilona fahita sy fampiasa araka ny vanim-potoana :
ƒ Mandritra ny fahavaratra :Pennisetum , Chloris, Brachiaria,katsaka ,Sétaria,
Desmodium (tsy mety aty Bongolava), stylosanthes, loeucena.
ƒ Ririnina fampiasa amin’ny tany azo tondrahana ; avoine, Ray grass, soja
ravina,mololo , tahom-boanjo.
ƒ Fitsinjarana ny sakafo isan’andro :
Taona
Vilo
maitso
Ronono (L)
Provandy (kg)
vilomaina(kg)
1-12 herinandro
5-2
0.1- 1.7
manomboka ny
2herinandro
Izay laniny
manomboka ny 2
herinandro
13-16 herinandro
-
2.2-2.4
Izay lany
- Izay lany
20-24 herinandro
-
0-2.5
2
Izay lany
24 herinandro sy
mihoatra
-
0- 4
8
40
0.5 - 8
10 - 12
55 - 65
Mandritra ny famokarana -
Otri-bilona
20 - 30
Ny omby dia mahalany vilomaintso tsara: farafaharatsiny 1/10 ny lanjany indrindra eny
ampiraofana, mihena mety hidina hatrany amin’ny1/20 ny lanjany izany raha ratsy ny kijana
Fanamarihana: tsy azo atao be loatra ny fatrany legominosy
Azo atao ny manome mangahazo maintso ho fanampi- tsakafo amin’ny ririnina
5. FAMPITOMBOANA TARANAKA
Ny fampitombona taranaka dia miankina amin’ny famantarana ny fihenjen’ny ombivavy
(taitra sy mihetsika).
•
5.1.
Famantarana iombonana
Vao manomboka:
ƒ Mitady hitaingina ny
namany
ƒ Tsiloly fotsy kely madity
ƒ Ranga ny sofiny
ƒ Taitaitra
•
Fotoana antenantenany:
ƒ Manaiky ho taingenan’ny
namany
ƒ Mivonto ny fivaviany
ƒ Mando ny molotry ny
fivaviany
ƒ Mihena ny ronono sy ny
sakafo lany
-2-
Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava
natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006
Omby vavy be ronono
5.2.
Famantarana raha tokana
am-bala ny ombivavy
ƒ Mitady hanapa-tady raha mifatotra
ƒ Mandrava vala
ƒ Mandositra mitady namana
ƒ Taitaitra
ƒ Mi-mà-mà
ƒ Mihena ny ronono
5.3.
Famantarana raha misy namana ny ombivavy
ƒ Mitady hitaingina ny namany
ƒ Tsiloly madio mangatsakatsaka mitarika amin’ny fivaviany
ƒ Manaiky ho taingenan’ny namany
5.4.
Famantarana tsy fahita firy
ƒ Mandeha foana ny tsiloly fotsy madity mandritra ny 3 andro
ƒ
Mifarana:
• Tsiloly manompy mavo toa misy rà
• Tsy manaiky ho taingenan’ny namany
• Mitosaka ny rà (60%)
5.5.
Famantarana raha mihenjy mangina ny ombivavy
(chaleurs silencieuses)
• Tsy misy fihetsika hahitana azy ety ivelany.
• Misy tsiloly fotsy eo amin’ny fivaviany rehefa matory
ny ombivavy.
6. TSARA HO FANTATRA EO AMIN’NY FIANAN’NY OMBIVAVY
• Fampanarahana voalohany:
ƒ Vantotromby: 18-30 volana (Lanja: 250-300 kg).
ƒ Reninomby: 40-60 andro aorian’ny fiterahana
• Fitondrana vohoka: 282 andro (270 – 288 andro)
• Fiterena ronono: 300 – 305 andro
7. TSARA HO FANTATRA EO AMIN’NY FIANAN’NY OMBIVAVY
ƒ Fitsaharana amin’ny fiterena: 60 andro alohan’ny fiterahana.
ƒ Elanelam-piterahana< 400 andro (350 – 365 andro)
ƒ Fihenjana: 18 ora.
ƒ Fitsapana ny ombivavy bevohoka: 45 – 90 andro aorian’ny fampanarahana
rehefa tsy miverina ao anatin’ny 21 andro ny fihenjena.
-3-
Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava
natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006
Omby vavy be ronono
8. TSARA HO FANTATRA
ƒ Faharetan’ny fihenjen’ny ombivavy : 18 ora.
ƒ Fivoahan’ny atody (ovulation): 12 ora aorian’ny fihenjeny farany.
ƒ Fahaveloman’ny tsirinaina vavy : 4 – 6 ora.
ƒ Fahaveloman’ny tsirinaina lahy : 24 ora.
ƒ Tsara raha ohatra ka hita mihenjy ny omby ny maraina dia atao ny
fampanarahana ny hariva ary raha ny hariva dia atao ny maraina.
9. FOTOANA TENA METY ANAOVANA NY FAMPANARAHANA
LASA ALOHA
TSARA
TARA LOATRA
- Mivonto ny fivaviany
- Tsiloly betsaka, mangarahara - Tsy manaiky hotaingenan’ny
sy mitarika eny amin’ny tany
namany
- Mandina sy
menamena
- Mihena ny ronono sy
- Tsiloly kely madity
ny sakafo lany
somary mandronono
- Tsiloly kely sy madity
- Taitaitra
- Mitretrena
- Misy rà mandeha
- Mitady hitaingina ny
- Manaiky hotaingenan’
(60%)
namany
ny namany
Tsara ho fantatra: tokony ho tony sy milamina tsara ny omby vavy avy nanaraka
10. ARA-PAHASALAMANA
Sarotiny amin’ny aretina ny omby ka tsara ny misoroka :
ƒ Fitandrovana ny fahasalamana, ara-fahadiovana (trano, olona, biby), arafanafody (vaksiny, fitsaboana).
ƒ Fanaovana vakisiny ara-potoana
ƒ Fiarovana amin’ny kantsetsitra anatiny sy ivelany
ƒ Raha misy ny aretina mahazo ny omby dia tsara ny manatona ny mpitsabo
biby fiompy
-4-
Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava
natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006