Avrily 06-11-15 Misandratra Jesosy

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady Paska I & II
Herinandro 06-11 Avrily 2015
“ Misandratra Jesosy ”
*
Fitarihan-kevitra: Andro Paska: misandratra Jesosy! Hoy ny fanekem-pinoantsika manambara ny fiaretan’i Jesosy sy ny
fisandratany: ”...Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, nitsangana
tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho an’ny an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray
Tsitoha...”. Nasandratry ny Ray tokoa ny Zanany Lahitokana ”Mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika
rehetra na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany” Fil.2:10. Deraina ny Anarany Masina!
Alatsinainy 06: Misandratra Jesosy.
“Hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra” Isa.52:13b.
Vakiteny 1: Jao.3:5-14.
Vakiteny 2: Isa.52:13-15.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Isa.52:13.
Talata 07: Ny teny fikasam-pananganana.
“Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy” Hos.13:14b.
Vakiteny 1: Lio.24:17-24.
Vakiteny 2: Hos.13:14.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Hos.13:14.
Alarobia 08: Efa nitsangana Jesosy.
“Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy” Mat.28:6a.
Vakiteny 1: 1 Tes.4:13-18.
Vakiteny 2: Mat.28:1-8.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Mat.28:6.
Alakamisy 09: Ny lohalika handohalika eo anatrehan’i Jesosy.
“Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony, ka niankohoka teo anatrehany” Mat.28:9b.
Vakiteny 1: Fil.2:5-11.
Vakiteny 2: Mat.28:9-15.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Mat.28:9.
Zoma 10: Ny fitsanganan’i Jesosy, fanantenam-pahasoavana.
“Antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy” 1 Pet.1:13b.
Vakiteny 1: Jao.1:14-18.
Vakiteny 2: 1 Pet.1:7-23.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: 1 Pet.1:13.
Asabotsy 11: Omeo voninahitra Andriamanitra.
“Ary ho an'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra... ho Azy anie ny voninahitra” Efes.3:20,21.
Vakiteny 1: Lio.17:11-19.
Vakiteny 2: Efes.3:14-21.
Toriteny 1: safidin'ny mpitory, na Vakiteny 1, na teny hafa tandrify ny lohateny.
Toriteny 2: Efes.3:20-21.
*
Nota:
. Ny votoatin'ny perikopa : manaraka ny fihodinana fahatelo amin'ny Perikopan'ny Fiangonana Loterana Malagasy.
. Iray ihany ny toriteny amin'ny fotoana maraina (6 ora eo amin'ny FLM 67 Ha), araka ny safidin'ny mpitory (na Vakiteny
1, na Vakiteny 2, na teny mifanaraka amin'ny Lohahevitra).
. Ity perikopa ity dia azo jerena ao amin’ny Site www.flm67ha.org ary azo afarana amin’ny E-mail [email protected]