Version imprimable

FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Zoma 4 Jolay 2014
- Antoandro -
- Fitohizan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………. 01
- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana ………………………………….. 01
- Kabary nataon’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena ………………………………. 02
- Fifaranan’ny fivoriana ……………………………………………………………………………………………….. 07
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA:
- Andriamatoa VANOVASON Jean Adrien.
- Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina.
FOTOANA: Zoma 4 Jolay 2014, tamin’ny 11 ora, atoandro.
FANDAHARAM-POTOANA: Lanonam-pamaranana
voalohan’ny Antenimierampirenena, taona 2014.
ny
fotoam-pivoriana
ara-potoana
-1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa sy Ramatoa isany, Solombavambahoaka, mpiara-mikambana ato amin’ny Birao
Maharitry ny Antenimierampirenena;
Ianareo, Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka, Filohan’ny Vaomiera Maharitra;
Ianareo, Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka hajaina isany;
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mitohy ny fivoriantsika.
Miarahaba antsika, tonga manatrika izao lanonam-pamaranana ny fotoam-pivoriana arapotoana voalohan’ny Antenimierampirenena izao.
Izao dia iangaviana, Ramatoa Mpitantsoratra, hamaky ny andininy faha-75 ao amin’ny
Lalàmpanorenana.
-2- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana
Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina.
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha.
Andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana:
Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoampivoriana isanisany dia ferana ho 60 andro.
Manomboka ny Talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny
Talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana
indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
Izay no izy, Andriamatoa Filoha.
2
-3- Kabary nataon’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Mpitantsoratra.
Andriamatoa sy Ramatoa isany Mpikambana ato amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
Ianareo rahalahy sy anabavy, Solombavambahoaka, hajaina isany;
Ramatoa sy Andriamatoa isany Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Andriamatoa Filoha Lefitry ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana momba ny
Tetezamita;
Ianareo olo-manan-kaja Sivily sy Miaramila manatrika eto;
Tompokolahy sy Tompokovavy, hajaina, isany.
Ny sisy hazo no fiandohan-drafitra, ny kintana no mialoha johary, ny tehina no mialoha
Andriana. Ny azafady kosa no fiandoham-pitenenana. Koa manao azafady aminareo,
Tompokolahy, manao aza tsiny aminareo, Tompokovavy, raha hiserana anareo ampitenenana. Fa ny hitsikitsika, hono, andringiringy hazo, ny voromahery andringiringy vato,
ny omby manga andringiringy solatra. Ombalahy tsy zehen-tandroka ianareo manatrika
etoana, olom-be mitafy haja sy voninahitra eo amin’ny tany sy ny firenena, ka omen-kasina
sy toavin-tsata. Ny haolo manana tombon-dia, ny mitari-bato mana-pihaika, ny teny hatao
misy mpitarika. Anjara entana eto an-dolohako ny hitondra fitenenana, koa ataoko
mahasolanga izany. Ny lambasarik’i Bodoadala no rovi-tsisin’ny mpindrana, fa ny ahy kosa
lambalandy tsara hafatr’Ikaky sy Ineny, ka na malefaka aza tsy akopaka.
- Tehaka Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny voalohan-teniko dia ny fisaorana an’Andriamanitra, noho ny nahazoantsika
nanatanteraka ny asa maro samihafa teto amin’ny Antenimiera, nandritra izay fotoampivoriana ara-potoana voalohany izay. Heverinay fa tsara raha atao toy ny miarahaba
Andriana ny fiarahabana anareo, ka ny loha miondrika, ny tanana mitsotra ary ny fo
mankasitraka.
- Tehaka Miarahaba, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
Ny bitsika tokoa mantsy, hono, an’olon-droa ary ny tafasiry an’olom-bitsy, fa ny famaranana
amin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana, toy izao, dia ilaina tokoa ny mifanotrona.
Araka izany dia ankasitrahana ianareo rehetra tsy an-kanavaka, fa tsy nataonareo toy ny
niantso an’efitra izahay raha nanasa, fa novaliana tamim-pitiavana. Henin-kaja, henimboninahitra ity Andrimpanjakana ity noho izany, ka tsy hainay ny tsy hankasitraka anareo.
Mankasitraka, mankatelina, Tompoko.
3
Izay no ela, somary lava nefa tsy azo nampandeferina noho ny voninahitrareo sy ny fanajana
misy eo amintsika.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ity hofaranantsika anio ity moa no fotoam-pivoriana voalohany niainan’ity Andrimpanjakana
misy anay ity, taorian’ny nahavoafidy. Tsy afenina, fa tsy maintsy nolalovana ny fizaran’asa.
Nisy fandaminana tsy maintsy natao ary nahabe resaka indraindray. Io moa “ny valala misy,
ny mpilaza koa mahay”; nefa raisinay ho adidy eto no manambara fa “toy ny vato ambany
riana ihany izahay tato, ka tsy nikorontana fa naka toerana”.
- Tehaka Etsy andaniny dia afaka mirehareha koa izahay, fa tsy araky ny tsaho mandeha, fa tena niasa
izahay tato. Eto ny tenako dia manararaotra misaotra anareo Solombavambahoaka namana,
mpiara-miasa, fa nahefa be isika tamin’ny asa.
Porofo: raha toa ka ny Volavolan-dalàna (Projets de loi) miisa 8 no tonga tato amin’ny
Antenimierampirenena dia voadinika sy nolaniana avokoa izy ireo. Hita tao ny fankatoavana
fampindramam-bola, ny fandaniana « Loi de règlement 2007 », sy ny sisa…
Miisa 5 kosa ny tolo-dalàna (proposition de loi) voapetraka. Ny iray dia nolaniana ary ny 4
kosa dia miandry amin’ny fotoana manaraka ny fandinihana azy.
Miisa 3 kosa ny Volavolam-pehikevitra (proposition de résolution) nandalo fandinihana, ka
nolaniana avokoa izy telo.
Ny fihaonana amin’ny Governemanta isam-bolana moa dia tanteraka soa aman-tsara ary vao
omaly ny iray. Nandritra izany dia tena nanadihady sy namakafaka ny Solombavambahoaka.
Tsy nitsitsy nitsikera ny tsy mety ary nanara-po tanteraka tamin’ny fametrahana
fanontaniana.
Tsy mety moa ny midoka tena, nefa ny vahoaka koa etsy andaniny tsy azo atao tompontrano mihono. Ka izay no tsy maintsy nitantarana ny zava-bita sy ny asa natao. Vavolombelon’ny mpiasa, hono, ny bainga. Ireo no santionany amin’ny bainga voavadika; koa mbola
hisy sahy milaza ihany ve fa variana izahay ato.
- Tehaka Tsy misy ny tonga lafatra, fa ataonay toko-tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina,
ny fomba fiasanay ato amin’ity Lapa ity.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Raha eo amin’ny raharaham-pirenena ankapobeny kosa dia tsy hay ny tsy hankasitraka
anareo Governemanta sy ny Filohan’ny Repoblika Hery RAJAONARIMAMPIANINA, manokana
tamin’ny ezaka nataonareo niarahana tamin’ny Solombavambahoaka sasantsasany, tamin’ny
ady amin’ny tsy fandriampahalemana any Atsimo. Efa misy ny vokatra azo, saingy tsara
4
raha banjinintsika sy omanina miaraka ny fandriampahalemana maharitra. Tsy ny any Atsimo
ihany, fa manerana ny Nosy mihitsy.
Vao nodinihanay tato omaly moa ny Volavolam-pehikevitra mahakasika ny fanaingana ny
lafiny ara-toe-karena (relance économique), ka hisy fahasarotany ihany izany raha tsy
mandry fahalemana ny tany.
Raha eo amin’ny lafiny vahoaka amin’ny ankapobeny kosa dia tsorinay eto, fa mbola tsy dia
nisy fiovàna aloha ny fari-piainan’izy ireo. Nampanantena isika ary nanome fotoana izy ireo
amin’ny fiomakomanana isan-karazany nataontsika Mpitondra Fanjakana. Sao dia mba efa
tapitra kosa ilay fotoana, fa fiovàna sy fihatsarana amin’izay no tokony hitsidika sy
manomboka ho hita taratra.
- Tehaka Ekena fa efa manomboka tonga ny vola avy any adilam-bato, nefa hatreto aloha dia toy ny
banga nahandro hoditra, ihany izy ireo, ka ny fofony fotsiny no re, fa mbola tsy afa-mihinana.
- Tehaka Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ankasitrahana ihany koa ny Governemanta manontolo tamin’ny fiarahana tamintsika teto,
nandray ireo hetahetam-bahoaka avy amin’ny faritra misy antsika sy namaly ireo
fanontaniana maro avy amintsika Solombavambahoaka ary naneho ny fahavononany hiaramiasa amin-kitsimpo amintsika.
Misaotra, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
- Tehaka Amin’izao famaranana ny fotoam-pivoriantsika izao dia heveriko, fa mety ny
fampatsiahivana sy ny hananterana indray, fa andraikitra masina sy lehibe eto amin’ny
firenena no iantsorohantsika Solombavambahoaka. Mpitondra ny feom-bahoaka isika ary
natao hanara-maso ny fanatanterahana ireo soritrasa samihafa hanasoavana ny fiainambahoaka. Ao anatin’ny fifankatiavana, firaisan-kina, fahamendrehana, fahitsiana, fandalampihavanana ary fitiavan-tanindrazana no hanatanterahantsika izany asa ankinin’ny vahoaka
amintsika izany. Ny tsy hikatsahantsika afa-tsy ny soa iombonana ho an’ny firenena
manontolo no ahafahantsika mifampitondra toy ny mpirahalahy mianala, ka izy tokiko, izaho
tokiny. Adidintsika no mitarika ny vahoaka hanao ho zava-dehibe izany firaisan-kinantsika
izany. Ezahantsika ho hita taratra eto amin’ity Antenimierampirenena ity ny fiombonana ho
amin’ny fampandrosoana ny firenena. Manana anjara lehibe amin’ny fanarenana ny firenena
amin’ny lafiny rehetra isika na amin’ny politika izany na amin’ny lafiny ara-toe-karena na
amin’ny sosialy na ny kolon-tsaina sy ny sisa …Tsy mitsaha-mandroso mantsy izao tontolo
izao. Hifandrindra soroka miaraka amin’ireo vahoaka nifidy antsika isika, mba tsy ho faralahy
hatrany amin’ny firenena eran-tany ny firenentsika.
5
Ekena koa anefa, fa farihibe minon-doharano maro ity Antenimierampirenena ity. Eto ny
sora-damba samy manana ny azy, ny tantely samy manana ny reniny, ny loha itokotokoan’ny
hevitra. Harena ny fahasamihafana toy izany, fa ny hevitry ny maro kosa no mahatakadavitra. Ny avo feo miantso, ny lava manaka-drano. Natao hifameno ny tsirairay amintsika.
Isika rahateo toy ny voasary na misy hasiny aza ampiraisin’ny hodiny. Noho izany, na dia eo
aza ny fifahasamihafan-kevitra na ny fifanoheran-kevitra mihitsy aza, izay tandroka tsy
misaraka aman-tsofina amin’ny Demokrasia, dia tokony ho ny soa ho an’ny firenena hatrany
no hotsinjovina. Isika Solombavambahoaka mihitsy aza no tokony ho ohatra velona amin’ny
fifampizakana amin’izany fahasamihafana izany, mba ahitana ny lalana mety sy ny tsara
kokoa hatrany ho an’ny firenena.
Mitaky fiovan’ny toe-tsaina amintsika ny fiantsorohana adidy maha Solombavambahoaka
antsika, hahatonga ity Antenimierampirenena ity, hisondrotra hasina mandrakariva, ho
mpandray anjara mahomby amin’ny fampijoroana ny tena Demokrasia sy Fanjakana tandalàna sy tsara tantana, ny mangarahara araka ny filamatra ezahan’ny firenena
hotanterahana ankehitriny, mifototra amin’ny soridalan’ny Filohan’ny Repoblika, izay
tarihin’Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Tsy mety ny mitono tsy re hanitra na
mahandro tsy mivoa-pofona. Koa ho fampiharana ny fitantanana mangarahara eto amin’ity
Andrimpanjakana lehibe ity, dia miantso ny tompon’andraikitra na ny sehatra samihafa
misahana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana, toy ny “Inspection d’Etat” na
ny ao amin’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) ny tenako, hizaha
ifotony ny fitantanana eto amin’ny Antenimierampirenena, nanomboka tamin’ny fijoroan’ity
Andrimpanjakana ity tany amin’ny voalohan’ny taona, ka mandraka ankehitriny
farafaharatsiny.
- Tehaka Efa nambara ombieny ombieny moa, fa ady amin’ny fahantrana no atrehintsika eto amin’ity
firenena ity. Amin’izany adin’ombalahy izany no anompanantsika ny herintsika rehetra.
Miandrandra antsika ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy. Mangetaheta fandrosoana
mendrika azy izy ireo.
Marin-doatra ihany koa anefa, fa ny tany hadiana tsy ho mby an-karona avokoa. Na maika
avokoa aza ny zava-drehetra, tsy voaenjika i Babay sy i Lohavohitra. Isika firenena vao
miezaka mitraka. Misy ny lafin-javatra mety ho mbola mampikaviavia. Saingy fianarana
isan’andro ny fiainana. Ataontsika ho zava-dehibe mandrakariva ny maka lesona amin’ny
tantara sy ny lalana nolalovana. Manefy antsika ho olon-tsahy sedra ny andro rehetra iasana
sy iantsorohana andraikitra ary iatrehantsika olana isan-karazany. Mandrisika antsika
handroso amim-pahatokiana sy fahatsapan-tena ho manana adidy eto amin’ny firenena.
Tokana ny tanjona: fampandrosoana an’i Madagasikara Tanindrazana iombonantsika, mba
ho firenena mamiratra sy misandratra.
Iraha-mahita ankehitriny, fa mivonona hifanohana sy hifanome tanana amintsika ny firenendrehetra eran-tany, mbamin’ireo rafitra amam-pikambanana iraisam-pirenena eran-tany
isan-tsokajiny. Lokanga tsy hatao no mahabe voatavo. Fotoana izao anehoantsika Malagasy
ny tena fahavononantsika hiatrika amim-pahamatorana ny fampandrosoana marina ny
firenentsika. Manana anjara lehibe amin’izany isika Solombavambahoaka. Izany indrindra no
6
antony tsy isalasalantsika, mijery ifotony ny fahasahiranam-bahoaka ary namolavolantsika
lalàna hodinihan’ny Governemanta. Anisan’ny asa nataontsika tamin’ity fotoam-pivoriana ity
izany. Rariny loatra izany, satria sotrobe mahita ny aty vilanin’ny valalatsimandadiharona,
any amin’ny faritra samihafa misy antsika any isika. Hitantsika ny vay marary ny
vodiahitriarivo. Nanome toky antsika Solombavambahoaka rahateo ny Praiminisitra sy ny
Governemanta tarihiny, fa tsy hataon’ny Governemanta lamako tsy mipaka na diamanga tsy
misy tohiny na antso tsy misy mpanoina ireny volavolan-dalàna avy aty amintsika ireny, fa
hodinihiny sy havadibadiny, ka haveriny aty amintsika hanapahan-kevitra. Tsy tohon-tsofina
naelin’ny rivotra izany fanomezan-toky izany, fa teny natao ren-tany, ren-danitra teto omaly.
Ny samoina, hono, tanana amin’ny lelany; ny omby rohizana amin’ny tandrony, fa ny olona
kosa tazonina amin’ny teniny. Lehibe mifanaiky isika.
- Tehaka Dingana iray izay no vita. Vao ny hafaladia no afaka. Mbola lavitra ny lalan-kizorana. Mbola
maro ny asa miandry antsika Solombavambahoaka amin’ny ho avy. Koa mirary soa antsika
rehetra, hahatontosa antsakany sy andavany ny andraikitsika, rehefa tafaverina any amin’ny
faritra misy antsika isika. Ny asa iarahantsika eto amin’ity Lapa ity mantsy no mifarana, fa ny
manandrify antsika any amin’ny toerana tsirairay misy antsika, anivon’ny vahoaka any kosa
dia mitohy hatrany.
Farany, maro amintsika Solombavambahoaka no efa nanatontosa ny fametrahana samboady
tany amin’ny faritra misy antsika. Misy kosa ireo izay mbola tsy nahavita izany. Hezahana ny
hamita izany ary manentana antsika Solombavambahoaka, mba hifanotrona amin’ireny
lanonana ireny, mba ho mariky ny fifankatiavana sy ny firaisan-kinantsika.
Raha lava, hono, ny ahitra, very ny kisoa. Raha lava ny teny, very ny marina. Koa tsy
hivalampatra ela intsony aho, ianareo koa mbola maro adidy aman’andraikitra. Koa ny
hamaranako ny lahateny dia mamerina hatrany ny fisaorana anareo tonga maro manotrona
sy nahafoy fotoana.
Ankasitrahako manokana ianareo Solombavambahoaka, namana nahavita niatrika sy
nanatontosa antsakany sy andavany ny asa izay notontosaintsika teto. Manararaotra koa,
manentana sy mamporisika anareo amin’ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka, fa tafiditra
ao anatin’ny asa tokony ataontsika izany.
Misaotra anareo, mpiasa mpandraharaha ato amin’ny Antenimierampirenena, nitoto
nahafotsy, nahandro nahamasaka, niara-nisalahy tamin’ny adidy sy ny asa nandritra ny
fotoam-pivoriana.
Mirary ny fitahian’Andriamanitra ho antsika rehetra.
Misaotra, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
- Tehaka -