LITORJIA 16 03 2014a - fpma-athis

T A F O
FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY ANDAFY
Toerana: Eglise Saint-Denis
8 Place de l’Eglise
Adiresy Postaly: 10 Rue Etienne Lebeau
91200 ATHIS-MONS
Tél: 01.69.38.53.26 & 06.76.14.71.40. &.06.52.53.22.56
ALAHADY 16 MARTSA 2014
ALAHADY FAHAROA AMIN’NY KAREMY
Mitarika : Ny Mpitandrina RAZAFIMAHATRATRA Marcellin
Mitoriteny: Ny Mpitandrina RAFENONIRINA Laza
------------------------------------------------Zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny olona)
Mpitarika: Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Fiangonana: Amen
FIARAHABANA APOSTOLIKA (mipetraka ny Fiangonana aorian’izany)
FANATONANA SY FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA (mitsangana)
Mpitarika : Aoka isika hanatona ny Tompo ka hiara-mankalaza sy manome voninahitra Azy amin’ny
fiarahantsika mamaky ny Salamo voalahatra, eo amin’ny fandaharana
Fiangonana: «Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina ; fa miendrika hataon’ny olo-mahitsy
ny fiderana. Miderà an’i Jehovah amin’ny lokanga ; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo. Mihirà
fihiram-baovao ho Azy ; mitendre tsara amin’ny feo fifaliana.Fa mahitsy ny Tenin’i Jehovah ; ary ny
asany rehetra dia mahatoky avokoa.Tia fahamarinana sy rariny Izy ; Henika ny famindram-pon’i
Jehovah ny tany. Ny Tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra ; ary fofonain’ny vavany no nanaovana
ny hamaroany rehetra. Aoka hatahotra an’i Jehovah ny tany rehetra ; aoka hangovitra eo anatrehany
ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao. Fa Izy no miteny, dia ary izany ; Izy no nandidy, dia
nitoetra mafy izany.Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona
nofidiny ho lovany. Indro ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny
famindrampony,mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana…Jehovah ô, aoka ny
famindramponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao
» (Sal 33 : 1-6, 8-9, 12,18-20,22)
Hira FF13
VAVAKA FANATONANA SY FIDERANA
Feon-java maneno fohy.
VAVAKA FIFONANA SY FIAIKEN-KELOKA (mipetraka)
Mpitarika:Ry havana malala, hanetry tena eo anatrehan’ny Tompo isika hiaiky ny fahotantsika sy
hivavaka hangataka famelana noho ny helotsika.
Fiangonana: Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay; mamelà ny helokay; diovy
izahay ho afa-pahotana; sasao izahay mba ho afa-keloka ; ary havaozy ny fanahinay mba ho vononkanompo Anao. Ny fitiavan'i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.
Hira 408 :1,5
TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA (mitsangana)
Mpitarika: Raiso, ry havana malala, ny Teny Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra antsika izay
milaza ny haben’ny famindrampon’Andriamanitra amintsika ao amin’i Jesoa Kristy : «Izay mandre ny
teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina.Fa toy izao
no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zananilahy Tokana mba tsy ho very izay
mino Azy, fa hananana fiainana mandrakizay » (Jao.5 :24 ; 3 :16 ). .Voavela ny helotsika noho ny
Anarany masina, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony. Haleloia! Miderà Tompo!
Hira 480 :1
SITRAPON’ANDRIAMANITRA (mitsangana)
Mpitarika: Ary satria efa navelan’Andriamanitra heloka isika, dia afaka handre ny sitrapony tiany
hotanterahintsika, araka izay hita ao amin’ny Soratra Masina:« Ry zanak’olona, mijere amin’ny
masonao, ary mihainoa amin’ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao.Ity
1
no Zanako Malalako Izay sitrako ; Izy no henoy. Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy
ny fonareo» (Eze.40 :4 ; Mat.17 :5 ; Hebreo 4 :7 ).
Fiangonana : Amen !
/s : - ! m : d / f : m ! r : d / r : - ! d : - /
(hiraina)
FANKALAZANA(Gloria)
Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny Avo Indrindra ho an’Andriamanitra*
Fiangonana: Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany*.
Zava-maneno- InterludeFOTOANAN’NY SEKOLY ALAHADY
SAMPANA TANORA KRISTIANA
SORATRA MASINA
Fiomanana amin’ny Vakiteny sy ny Toriteny
Hira 190 :1
Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo*
Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao*
Mpitarika: (vavaka hampahazava ny Teny)
Fiangonana: Amen
Testamenta Taloha sy Epistily:Genesisy 12 :1-8 ; II Timoty 1 : 8-10
Hira 164 :1 (mitsangana)
Filazantsara: Matio 17 :1-9
Fiangonana:« Ray Masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny Teninao no
fahamarinana ».Amen* (hiraina)
FANEKEM-PINOANA III (mitsangana)
Hira 354 :1,2 ,3 (mitsangana)
TORITENY
Feon’orgue malefaka dia malefaka sy vavaka mangina
ANTOKO MPIHIRA
RAKI-PISAORANA: 430
Fanolorana ny rakitra: (mitsangana) : Ry Tompon’ny harena ô
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA (Prière d’intercession)
Hira FF14 :1,3
FILAZAN-DRAHARAHA (Mipetraka)
FIVORIAMBEN’NY MPANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO
HAFATRA SY TSODRANO
Hafatra fanirahana: Ny Tompo dia mialoha lalana anareo eo amin’izao tontolo izao. Raiso ny hafatra
atolony anareo: Hafatra
«Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa.Ny Teny izay nolazaiko taminareo
dia fanahy sy fiainana. Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino.Izaho no Làlana sy Fahamarinana
ary Fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Deoteronomia 30 :15 ;
Jaona 6 :63-64 ;14 :6 )
Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo*
Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao*
Mpitarika: « Ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra hiaro ny fonareo sy
ny hevitrareo ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany
Tompontsika » ( Filipiana 4 :7). *
Fiangonana: Aleloia ! Amen*(hiraina)
Hira FF29
Mpitarika: Voninahitra ho an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Izay hatramin'ny
taloha indrindra ka ho mandrakizay, amen.Mandehàna amin'ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo
ary torio amin’ny teny sy ny asa ny Filazantsara.
Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra.
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amen !
2