Andriamatoa RANAIVOSON Andriamasy Bruno (RAB

Tafa tamin'i
Andriamatoa RANAIVOSON Andriamasy Bruno (RAB)
34 taona, mpandraharaha ara-barotra ao amin'ny DHL, manam-bady ary manan-janaka telo.
Monina ao amin'ny P01 Cité Fitiavana Anosiala Ambohidratrimo ary Filoha Lefitry ny Fikambanana Fitiavana.
Anisan'ireo tanora nahazo tombontsoa tamin'ny fisarihana voalohany ny trano
eny Anosiala ianao - azonao lazaina ve ny fihetsem-po tamin'izany ?
- Tahaka ireo tanora 60 nahazo ny trano dia tena faly, naka fotoana mihitsy
nandinika hoe anisan'ny nahazo ny trano. Noho ny antony arak'asa dia tsy afaka
nanatrika ny fisarihana, tsy handry mihitsy ny fotoana hijerena ny trano rehefa
voatonona fa anisan'ny nahazo.
Inona no nanosika anao haka trano eny ?
- Taorian'ny nanatrehana ny fampirantiana izay natao teny Anosy, dia tena
tapa-kevitra mihitsy izahay mivady fa fotoana tsy misy ohatr'izao handefasana
ny antotan-taratasy rehetra mba ho anisan'ireo hahazo ny trano. Eny fa na eo
aza ny halaviran'ny toerana, hafa ihany izany manana trano an'ny tena eo
amin'ny fahatanorana mba ho lovan'ny taranaka any aoriana. Eo koa ny
fahafantarana fa tanora latsaky ny 35 taona no hiara-monina.
Tsy ny trano ihany no atsangan'ny Analogh fa ny fanatsarana ny tontolo
manodidina ihany koa. Mahafa-po anao ve ny zava-misy eny ankehitriny ?
- Tsy azo lazaina ny hoe afa-po fa mahatsapa kosa ny tena fa anisan'ireo
nahazo tombony, miohatra amin'ireo tanora hafa. Sady salama lalandava ny
zanako noho ny hatsaran'ny rivotra sy ny masoandro ary ny toerana lavitry ny
"pollution".
Inona no zavatra tsapanao fa tsy ampy amin'ny maha-tanana an'Anosiala
ankehitriny ?
- Tena ratsy ny làlana mihazo ny tanàna: na ny làlan'ny fiara izany na ny làlan'ny
mpandeha an-tongotra
- Tsy ampy ny jiro manazava ny làlana ao amin'ny tanàna
- Tokony hojerena manokana ny fanalana ny fako. Ny ataon'ny fikambanana
aloha izao dia ny mandoro nefa mitarika fahasimban'ny tontolo iainana izany.
- Tahaka ireo nahazo ny trano dia irinay ny mba hamefena manodidina ny
tanàna noho ny antony ara-pandriam-pahalemana ary koa ireo mponina
amin'ny manodidina izay mamboly ary mitady hiakatra ny tanàna
- Tokony hanangana trano lehibe manokana ho an'ny fivoriana sy fialam-bolin'ny
ankizy sy ny rehetra araka izay hita tamin'ny "maquette" nandritra ny
fampisehoana ny "Projet TRANO MORA"
Ny teninao farany ?
- Amin'ny anaran'ireo rehetra nahazo ny trano no hanolorako ny
fankasitrahana ireo rehetra namolavola sy nanatanteraka ny "
vonona ihany koa ny hanohana na amin'ny fomba inona
hananan'ireo tanora rehetra toa ahy trano amin'ny vidiny mora ary
fisaorana sy
Projet " ary
izany mba
koa amin'ny
fandoavana izany tsikelikely tahaka izao.
- Mangataka ny ANALOGH mba hijery akaiky ny fikarakarana ny taratasy rehetra
rehefa voaloa avokoa ny vidin'ny trano.
Soso-kevitra :
1- mety hanatsara kokoa ny tanàna ny fanaovana "jumelage" amin'ny tanàna hafa
any ivelany, amin'ny fifanoron-kevitra sy ny fifanampiana ara-materialy
2- Tsara koa ny hananganan'ireo tanàna rehetra izay hanorenan'ny ANALOGH
trano, hampijoro FIKAMBANANA (Association) fa maro ny tombontsoa mety ho azo
amin'izany na amin'ny fandrindrana ny fiaraha-monina, ny filaminana, ny
fikarakarana ny tanàna.