Ny - Ministère des Finances et du Budget

SEPTAMBRA 2014
Bitsika
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014
MINISITERAN’NY FITANTANAMBOLA SY NY TETIBOLA
RAOILISOA Harilala Onintsoa
Directeur de la Programmation et du Cadrage Budgétaire
Ny fanatanterahana ny Lalàna fanitsiana ny Tetibola 2014 dia
mitaky fanarahana ireo didy aman-dalàna manankery
P. 2
Fihaonamben’ny mpitantana ny Faditseranana
Tanjona ny hamerenana ny hasin'ny Faditseranana
P. 7
EDITO
VAOVAO
MFB
FANDANIANA NY LALÀNA FANITSIANA
manankery ho an’ireo mpiantsehatra
ara-tetibola.
Tokony hafainganina anefa ny
asa mba ahatrarana ny tanjona
napetraka ho an’ny Minisitera sy ny
Andrim-panjakana tsirairay. Noho
izany, raha ilaina dia tendrena
haingana ireo mpiantsehatra aratetibola sy ireo tompon’andraikitra
isan-tsokajiny toy ny Mpanalalana
faharoa (ORDSEC) sy ny Mpitantana
asa (GAC), sns ...
RAOILISOA Harilala Onintsoa
Directeur de la Programmation et du Cadrage Budgétaire
A
nisan’ny fitaovana lehibe
hampandrosoana
sy
hampandehanana
ny
raharaham-pirenena
ny
Lalàna
mifehy ny tetibolam-panjakana. Ireo
toe-javatra lehibe miseho eto amin’ny
Firenena dia mitarika ny fanitsiana
azy io.
Fanjakana Malagasy. Izany toejavatra izany no nitarika ny fanitsiana
ny Lalàna Mifehy ny Tetibola 2014
izay lany teny anivon’ny Parlemanta
ary manankery ankehitriny. Noho
izany, tomombana avokoa ny fepetra
rehetra hanatanterahana ny Politika
Ankapobe ny Fanjakana.
Raha tsiahivina dia niato avokoa ny
fanampiana ara-tetibola ho an’ny
Firenena Malagasy nandritra ny dimy
taona. Tanteraka ihany ny fifidianana,
tafatsangana ny Governemantan’ny
Repoblika faha-efatra, naneho ny
finiavany hivoaka amin’ny krizy na ny
Vahoaka na ny Mpitondra Malagasy.
Namerina ny fitokisany tamin’ny
Firenena Malagasy ireo Mpiaramiombon’antoka aminy avy any
ivelany.
Tanjon’io politika io ny fanamafisana
ny
fahaiza-mitantana
sy
ny
fampandrosoana maharitra an’i
Madagasikara izay andraisan’ny
rehetra tsy ankanavaka anjara. Mba
ho tanteraka anefa izany dia samy
manana ny anjara tandrify azy ny
rehetra ary samy tokony hitondra ny
anjara birikiny mba hahatrarana ny
vina napetraka amin’ny fanarenana
ny toekarem-pirenena sy ny ady atao
amin’ny fahantrana.
Ireo fihaonana nifandimby tamin’ny
Mpitondra Malagasy indrindra fa
ny Teknisianinan’ny Minisiteran’ny
Fitantanambola sy ny Tetibola
tamin’ireo Mpiara-miombon’antoka
vahiny, dia namerina amin’ny laoniny
ny fahatokisana napetraka tamin’ny
Izany no antony nanomezana vahana
ny fampandrosoana ny lafiny sosialy
amin’ny alalan’ity Lalàna fanitsiana
ny Tetibola ity. Ny fanatanterahana
io lalàna io anefa dia mitaky
fanarahana antsakany sy andavany
ireo fepetra sy didy aman-dalàna
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 2
Marihina fa na maika aza ny
fanarenana an’i Madagasikara, ary
na eo aza ny tanjona tsy maintsy ho
tratrarina, dia tokony ho tazomina
hatrany ny fifandanjana ao amin’ny
vola miditra sy ny fandaniam-bolampanjakana ary ny fiandraiketana ny
fandaniana.
Ny Mpandrindra ny tetik’asa no
mamaritra ny laharam-pahamehana
amin’ny asany amin’ny alalan’ny
fifanakalozan-kevitra anatiny na
dialogue interne, araka ny taha
ankapobe
nahazoana
alalana
na Taux de régulation. Izy ihany
koa mandrafitra ny fitsinjarana ny
tetibola isaky ny SOA mifanaraka
amin’ny laharam-pahamehana izay
efa voafaritra mialoha.
Anisan’ny vina napetraky ny Firenena
Malagasy ny hisian’ny fitantanana
mahomby ny volam-panjakana.
Izany no antony anarahana maso
hatrany ny fizotry ny fandaniambola
ankapobe ny Minisitera.
RAOILISOA Harilala Onintsoa
Directeur de la Programmation et du
Cadrage Budgétaire
NY FITANTANANAM-BOLAM-PANJAKANA 2014
Ny fivoriam-be ampahibemaso ho fanehoana sy fandaniana ny Lalàna Fanitsiana ny
Fitantanambolam-panjakana 2014, araka ny volavolan-dalàna faha-014/2014 tamin’ny 25
Jolay 2014, dia notanterahina ny 05 Aogositra 2014, tao amin’ny Antenimieram-pirenena,
Tsimbazaza.
D
elegasiona
mafonjan’ny
Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola,
notarihin’Andriamatoa Minisitry ny
Fitantananambola sy ny Tetibola, ny
Profesora
RAZAFINDRAVONONA
Jean, no tonga tamin’izany fivoriambe izany. Ny nandrafitra izany
delegasiona izany dia ny Talen’ny
Kabinetra, ny DGT sady SG p.i,
ny DGI, ny DGD, ny DGCF, ny
DGGFPE, ny DPCB, ny DEB ary ireo
Tompon’andraikitra ambony eto
anivon’ny Ministera.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany,
ny Tompon’andraikitra voalohany
amin’ny fitantanambolam-panjakana
dia nilazalaza ny momba ny tontolo
ankapoben’ny
Volavolan-dalàna
fanitsiana ny fitantanambolampanjakana eto an-toerana sy any
ivelany, ny famariparitana ny
harifaobe, ny famariparitana ny
tetibola, ny famatsiana ny fatiantoka,
ireo toromarika ankapobeny mikasika
ny tetibola, ny politikan’ny hetra, ireo
fandaniana voafaritra ao amin’ny
PLFR 2014 ary ny fitsinjarana izany
fandaniana izany isaky ny Andrimpanjakana sy ny Ministera.
Mikasika
ny
Toromarika
Ankapobeny momba ny Tetibola, ny
Fanjakana dia hametraka toetsaina
fanalalahana mikasika ny fanarenana
ny toekarena tahaka izao : Fanjakana
tsara tantana ara-bola, ara-tetibola,
ara-ketra sy araky ny lalàna ;
Fampiroboroboana ny Fiaraha-
miombon’antoky ny Fanjakana sy ny
Sehatra tsy miankina; Fotokevitra
momba ny fitantanana miompana
amin’ny vokatra azo mikasika ny
fitantanambolam-panjakana.
Tsara ny manamarika fa raha
ny mikasika ny fitsinjarana ireo
fandaniana isaky ny Andrimpanjakana sy ny Ministera, ny tetibola
nomena ny tsirairay dia nitombo
amin’ny ankapobeny.
Ho an’ireo laharampahamehana
voafaritra ao amin’ny Politika
ankapoben’ny
Fanjakana,
ny
sehatra sosialy (fanabeazana ny
fahasalamana) sy ny fotodrafitrasa
no lohalaharana. Ohatra amin'izany
ny fandraisana mpianatra Zandary
miisa 1 200 sy fandraisana
ho
Mpiasam-panjakana
ireo
mpampianatra FRAM miisa 10 000.
Ny
fandraisam-pitenenan’ireo
solombavambahoaka
dia
nirona
tamin’ny
faharatsian’ny
fotodrafitrasa, ny fangatahana
sampandraharaham-paritra,
ireo
olana amin’ny fandriampahalemana,
ny fahasalamana, ny fampianarana
ary ny tahan’ny hetra izay heverin’izy
ireo fa ambony loatra (indrindra ho
an’ireo mpandraharaha tsy miankina).
Valin-teny
mahafapo
no
nasetrin’Andriamatoa Minisitry ny
Fintantanambola sy ny Tetibola izany
fanontaniana izany ary namafisina
fa hatao vaindohan-draharaha ireo
lafin-javatra ireo.
Nanome toky ireo mpikambana
ao amin’ny Parlemanta izy fa
voarainy ireo fanamarihana sy sosokevitra ary fitakiana ireo. Hanao
fandravonan-kevitra ny Ministeran’ny
Fitantanambola sy ny Tetibola mba
hanomezana valiny mahafapo :
fikaroham-bahaolana,
fanaovana
tatitra mankany amin’ireo Ministera
voakasika na koa fampidirana izany
amin’ny LFI 2015 araka ny filàna sy
ny entimanana.
Notsipihany ihany koa fa hisy
fanarahamaso
sy
fizohiana
mahomby atao amin’ireo fandaniana
samihafa araka ny fitakian’ny
solombavambahoaka.
Lanin’ireo
solombavambahoaka
miisia 118 ao amin’ny Antenimierampirenena, araka izany, ny Lalàna
Fanitsiana ny Fitantanambolampanjakana, izay tsy nisy nitsipaka
ary tsy nasiam-panovàna.
Nofaranan’ny
Minisitry
Fitantanambola sy ny Tetibola tamin’ny
fisaorana ireo solombavambahoaka
ny fivoriana noho ny nandraisan’izy
ireo fanapahankevitra mitsinjo ny
vahoaka malagasy izay soloany
tena.
JOHASY Haritiana
Ccom Cabinet
Dikateny Malagasy :
ANDRIANAVALO Yann Ely
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 3
VAOVAO
D P CB
NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY LALANA FANITSIANA
NY FITANTANAMBOLAM-PANJAKA 2014
Hatramin’ny namoahana hanankery ny Lalàna voalohany mifehy ny Fitantanambolampanjakana 2014, maro ireo toedraharaha lehibe niseho teo amin’ny sehatra ara-politika
sy ara-toekarena malagasy. Eo anatrehan’izany, vitantsika ny dingana fiomanana rehetra
amin’ny fiverenana amin’ny filaminana manaraka ny lalam-panorenana, izay notovozintsika
avy amin’ireo loharanom-bola fanampiny avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mba
hiatrehantsika ireo filàna maika taorian’iny fahasahiranana iny. Izany dia nitarika fanitsiana
ireo tanjona napetraka tany am-boalohany sy fanovàna ny rafitra sy ny fifandanjan’ny
tetibola, izay antony nandrafetana izao Lalàna fanitsiana ny fitantanambolam-panjakana
2014 izao.
AKORAM-BAOVAO ARAPOLITIKA SY ARA-TOEKARENA
Nahafahana nametraka ny fototry
ny
Repoblika
fahaefatra
ny
nahatanterahan’ireo
fifidianana
Filoham-pirenena sy Solombavambahoaka tamin’ny 2013 sy ny
Fanendrena
Praiminisitra
ary
ireo mpikambana ao amin’ny
Governemanta. Ny fanehoana ampahibemaso ny Politika Ankapoben’ny
Fanjakana, izay mifototra amin’ny
vina Madagasikara : mivaotra sy
miroborobo ary nampahafantarina
ny
Antenimieram-pirenena,
dia
manamarika ny fahavononan’ny
Governemanta hanarina indray
ny
toekarena
aorian’izao
fahasahiranana izao.
Vokatry ny fiverenana amin’ny
filaminana manaraka ny lalampanorenana, maro ireo Mpiray
Ombon’Antoka ara-teknika sy arabola no naneho indray ny fiarahamiasany amintsika. Ny fiverenan’ny
fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola
Iraisam-pirenena dia nitarika ireo
fanampiana avy etsy sy avy eroa,
indrindra ireo manana endrika
fanampiana
ara-tetibola
izay
mahatratra hatramin’ny 257,6 miliara
Ny fotoana teny amin'ny Parlemanta
Ariary. Ambonin’izany, manamafy
ny fahatokisana sy ny fiarahamiasa amin’ireo mpamatsy vola ny
fiverenantsika indray ao amin’ny
AGOA sy ny fampiharana ny APEi.
FAHAMARINAN-TOERAN’NY
TONTOLON’NY HARIFAOBE
Ireo hanam-pamokarana fanampiny
izay
hotanterahina
hatramin’ny
faran’ny taona 2014 dia hisy akony
amin’ny fitomboan’ny toekarena
amin’ny taona 2015. Noho izany,
voatana ho 3,0% ny tahatombon’ny
toekarena 2014, izay azo avy
amin’ny fahombiazan’ny sehatry
ny fambolena sy fiompiana, ny
fahakingan’ireo tetikasa eo amin’ny
sehatry ny fitrandrahana harena an-
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 4
kibon’ny tany ary ny firoboroboan’ny
fizahantany.
Hiakatra kely ny vidim-piainana
amin’ny faran’ny taona 2014, ka raha
6,2% no vinavina teny amboalohany
dia ho lasa 7,0% izany. Izany dia
vokatry ny fialan’ny Fanjakana
tsikelikely
amin’ny
fanampiana
ara-bola ireo mpamatsy solika ka
hampiharana tsikelikely ny vidintsolika tena izy.
Ny fatiantoka ara-tetibola dia 3,5%n’ny Harin-karena faobe raha 1,6%
izany tany am-boalohany. Ny tahan’ny
fifanakalozana
dia
vinavinaina
ho 3733,7 Ariary/DTS amin’ny
faran’ny taona 2014 raha toa ka
3678,0 Ariary/DTS no voafaritra tao
amin’ny Lalàna voalohany mifehy ny
Fitantanambolam-panjakana 2014.
POLITIKA MOMBA NY HETRA
SY MOMBA FADITSERANANA
MANOME VAHANA NY
FANANARENANA NY
TOEKARENA
Tanjona fototry ny fandraharahana
ny hetra sy ny faditseranana
dia
ny
hahamarinan-toerana
ireo lalàna mba hahafahan’ireo
mpandraharaha mijery ny ho aviny
ao anatin’ny tontolo mirindra.
Ireo fepetra momba ny hetra dia
hiompana amin’ny fanatevenana ny
kitapombolam-panjakana, tahaka
ny :
(i) fampanarahan-dalàna ireo
sehatra tsy manara-dalàna amin’ny
alalan’ny fampandoavana Hetra
momba ny Vola miditra tsy mitohy
an’ireo mpanankanto tsy manana
laharam-pamantarana;
(ii) fametrahana fetra farany
ambany hakana Hetra momba ny
Vola miditra sy ny Mitovy Aminy ho
an’ny mpiasa rehetra ;
(iii) famerenana ny haba 20%
alaina amin’ny zanak’akoho vao
fohy iray andro. Misy ihany koa
ireo fepetra famporisihana ny
famokarana eto an-toerana toy
ny famokarana sigara vita eto
an-toerana, ny zava-pisotro misy
alikaola ary ny tafia.
Ireo
fepetra
mikasika
ny
Faditseranana
dia
hiompana
amin’ny fampifanitsiana ny Haba
amin’ny Ladoany eto an-toerana
amin’izay efa nekena teo amin’ny
sehatra iraisam-pirenena mikasika
ny APEi.
Noho izany, ny tahan’ny tsindrinketra dia ahitsy ho 11,6%
raha 10,7% izany tamin’ny LFR
2014, noho ireo loharanom-bola
fanampiny avy amin’ny Hetra
anatiny mitentina 124,5 miliara
Ariary sy 146,3 miliara Ariary avy
amin’ny Faditseranana. Miampy
ireo
fanampiana
ara-tetibola
andrandraina izay mitetina 257,6
miliara Ariary, ny fitambaran’ny
vola miditra sy ny fanampiana ho
an’ny taona 2014 dia hahatratra
3670,0 miliara Ariary.
OMENA VAHANA NY SEHATRA
SOSIALY SY FONDRAFITRASA
FOTOTRA
Araka ny LFR 2014, irao
fandaniana momba ny karama
dia hahatratra 1535,6 miliara
Ariary, ny fandaniana momba
ny
fampandehanan-draharaha
ivelan’ny karama dia 1252,2
miliara Ariary ary ireo fandaniana
amin’ny hanam-pamokarana dia
1177,4 miliara Ariary.
Ireo laharam-pahamehana amin’ny
fandaniana dia, andaniny, ny
fanatanterahana ny fifidianana
Ben’ny
tanàna,
ankilany,
ny
fanamafisana
ny
fitantanampanjakana sy ny fanjakana
tan-dalàna, ny fanatsarana ny
fahafaha-misitraka ireo raharaha
momba ny fahasalamana sy ny
fampianarana, ny fanamafisana
ny fiarovana ara-tsosialy sy aratsakafo, ny fanarenana ny sehatry
ny angovo, ary ny fanohanana ny
famoronana asa.
Raha ny marimarina kokoa, ireo
toromarika mikasika ny hanampamokarana dia hiompana amin’ny :
(i)
Fampiroboroboana
ny
fampidirana sy famerenana antsekoly ireo zaza tokony hianatra,
ny fananganana efitra fianarana
vaovao ho an’ny ambaratonga
voalohany ary ny fanamafisana ny
fanomezana
fitaovam-pianarana
ho an’ny mpianatra rehetra amin’ny
EPP ;
(ii)
Fanokafana
Tombimpahasalamana (CSB) sasantsasany,
ny fanamafisana ny fampitaovana
ara-pahasalamana, ny fividianana
vakisiny ary ny fanatsarana ny
kalitaon’ny
fikarakarana
arapahasalamana ny reny sy ny zaza ;
(iii) Fampiroboroboana indray ny
famokarana ara-pambolena, ny
fikojakojana sy ny fanarenana
fotodrafitrasa sy tambajotrandrano ilaina amin’ny fambolena
ary ny fampitomboana ny vokatra
amin’ny alalan’ny fizarana masomboly nohatsaraina sy zezika amin’ny
vidiny mirary ;
(iv) Famerenana amin’ny laoniny sy
fanokafana tsikelikely ireo lalampirenena sy tetezana ;
(v) Fanetsiketsehana indray ny
sehatra angovo sy fizahantany.
FAMENOANA NY FATIANTOKA
AVY AMIN’NY LOHARANOMBOLA ANATINY
Hahatratra 3,5%-n’ny Harinkarena
faobe ny fatiantoka eo amin’ny
tetibola (1,6% no vinavina teny
am-boalohany), izany hoe 906,8
miliara Ariary. Mba hamenoana io
fatiantoka io, ny Governemanta dia
naminavina ny hitondra 448,3 miliara
Ariary avy amin’ny loharanom-bola
anatiny ka ny 348,0 miliara Ariary
dia avy amin’ny rafitry ny banky.
Ireo famatsiam-bola avy any ivelany
dia hameno ny ambiny izay mitentina
458,6 miliara Ariary.
RAOLISOA Harilala Onintsoa
Direction de la Programmation et du
Cadrage Budgétaire
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 5
VAOVAO
VAOVAO
DGD
MFB
VALANDRESAKA SAVARANONANDO HO FANOMANANA NY
TETIBOLA 2015
Ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola (MFB) dia nikarakara valan-dresaka
savaranonando momba ny fanomanana ny Lalàna mifehy ny Fitantanambolam-panjakana
2015 ny Zoma 08 Aogositra 2014 lasa teo.
N
y
Minisitry
ny
Fitantanambola
sy
ny
Tetibola no nanokatra
tamin’ny fomba ofisialy io fotoana io.
Nanome voninahitra izany fotoana
izany ihany koa ny Tale Jeneralin’ny
Tetibola, Andriamatoa RAZANAJATO
RAZAFINIMANANA Mialy Lanto,
ny Tale Jeneralin’ny Fitantanana
Ara-bola ny Mpiasam-panjakana,
ny Solontenan’ny Tahirimbolampanjakana
ary
ny
Talen’ny
Fandaharana sy famariparitana ny
Tetibola.
Ho an’ny Ministeran’ny Fitantanambola
sy ny Tetibola, ny tanjon’io fihaonan’ny
Andrimpanjakana
sy
Ministera
rehetra io dia ny mampiditra
tsikelikely ny sampandraharaha
rehetra
amin’ny
fandrafetana
ny Tahirinkevitra mirakitra ireo
Toromarika
ara-toekarenan’ny
Tetibola (DOEB), izay mikasika
ny tetibolam-pandaharanasa eto
Madagasikara.
Io
tahirinkevitra
io
dia
mampisongadina ireo toromarika
amin’ny tanjona tratrarina mihoatra
amin’ny
Politika
Ankapoben’ny
FIHAONAMBEN’NY MPITANTANA NY FADITSERANANA
Ny Alakamisy 07 aogositra 2014 dia nanatrika sy nanome voninahitra ny fihaonamben’ireo
mpitantana ny Faditseranana teo amin’ny Hotêl Le Louvre Antaninarenina ny Minisitry ny
Fitantanambola sy ny Tetibola, ny Profesora RAZAFINDRAVONONA Jean. Fihaonambe
izay nokarakarain’ny Tale Jeneralin’ny Faditseranana RAMINOMANANA Hajarizaka ka
nanasany ireo Talen’ny Faditseranana izay voatendry hiara-miasa aminy, ireo lehiben’ny
Sampandraharaha ary ny mpamory haban-tseranana rehetra(receveur) eto Madagasikara.
H
Ny Mpitondra ao amin'ny MFB nitarika pré-conférance budgétaire
Fanjakana (PGE), ireo vinavinantetibola amin’ny ankapobeny ary ny
fanazana ny fivoaran’izany fivoriana
izany.
Teo am-pamaranana, ny Minisitry ny
Fitantanambola sy ny Tetibola dia
nitondra fanamarihana ho an’ireo
izay nanatrika rehetra ny amin’ny
tokony hanajana ny torolalana sy ny
fenitra takian’ny MFB, ny famerana ho
22 ireo fanamby ho tratrarina araka
izay voafaritra ao amin’ny PGE.
Amin’ny
tompon’andraikitry
ny
faminavinana ny vola miditra azy,
ny Solontenan’ny Tahirimbolampanjakana dia nanamarika ny tsy
fisian’ny mangarahara eo amin’ny
vola miditra amin’ny Andrim-
Ny nanatrika ny pré-conférance budgetaire
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 6
panjakana sy Ministera sasantsasany
izay tokony hatao manara-dalàna
mba tsy handiso ny vinavina.
Ny Tale Jeneralin’ny Fitantanana
Ara-bola ny Mpiasam-panjakana
ihany koa dia nanao fanamarihana
ny amin’ny tokony handefasana
haingana
ny
didim-pitondrana
mikasika ny fisondrotana kilasy
na antanantohatry ny Mpiasampanjakana am-perinasa sy ny
taratasy fikarakarana ny fisotroandrononon’ireo mpiasa efa misotro
ronono mba tsy handiso ihany koa
ny vinavina hatao sy ny fivoahan’ireo
tombontsoan’ny mpiasa ireny.
Ny Andrim-panjakana sy ny Ministera
tsirairay dia tokony hamerina
ny Tahirinkevitra mirakitra ireo
Toromarika
ara-toekarenan’ny
Tetibola (DOEB), fara-faha-tarany
ny 18 Aogositra 2014 ao amin’ny
Foibem-pitantanana ny Fandaharana
sy ny Famariparitana ny Tetibola
(DPCB).
RAZANAJATO
RAZAFINIMANANA Mialy Lanto
Tale Jeneralin'ny Tetibola
etahetan’ny
Minisitra
tokoa ny hahafantatra sy
hitafa amin’ireto mpiaramiasa vaovao ka nampitàny
ny hafatra sy ny politikampitantanan’ny governemanta eo
amin’ny lafiny fampidiran-ketra sy
haba, ary ny fomba fitantanana sy
fifampitondrana tokony hahomby
ka hahatongavana amin’ny tanjona
dia ny hampitombo ny vola miditra
amin’ny alalan’ny hetra sy haba.
Novelabelarin’ny
Minisitry
ny
Fitanatanambola
ny
toetra
sy
fitondran-tena
tokony
hananan’ny tsirairay eo amin’ny
fanatanterahana ny asany, satria
mpitarika sy tompon’andraikitra
izy ireo. Voatanisa tamin’izany
ny toetra tokony hananana eo
anoloan’ny mpiara-miasa , ny fomba
ifandraisana aminy, ny fomba
hampandraisana andraikitra azy,
ary ny fomba atao hampivelatra azy
amin'ny asany. Kanefa notsindriny koa
ny fampahafantarany ny andraikiny
eo anatrehan’ny fahadisoana sy
fihoarana fefy.
Teo
amin’ny
dinika fampahaf a n t a r a n a
notarihan’ny
Tale Jeneralin’ny
Faditseranana
RAMINOMANANA
Hajarizaka
dia
nanolotra
ny
Ankavia miankavanana : Atoa Tale ny Kabinetra, ny Minisitry ny
tanjon’ity SampanFitantanambola sy ny Tetibola ary ny Tale Jeneralin'ny Faditseranana
draharahamvoatendry kosa dia nampahafantatra
panjakana ity izy dia ny hamerenana
ireo departemanta hiasany sy ny
ny hasin’ny Faditseranana mba
asa sahaniny tamin’ny alalan’ireo
hananan’ny mpandraharaha sy ireo
Sampandraharaha iandraiketany.
mpiara-miasa aminy fahatokisana
Betsaka ny nahaliana tamin’ireo
tanteraka, hanatsarana hatrany
fanovana teo amin’ny fitantanana
ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny
fa ny hasongadina manokana ny
fampiofanana sy fampitaovana
fisian’ny Sampandraharaha Service
takian’ny toetr’andro, fametrahana
de la Valeur et de l’Origine izay ao
lamina maty paika hanatsarana
amin’ny Direction de la Législation et
ny fampidiran-ketra sy haba,
de la Valeur na ny DLRE (Direction de
fanomezana vahana ny serasera
la Législation et de la Règlementation
na anatiny na ivelany. Nasehony
et des Etudes) teo aloha.Tafiditra ao
tamin’ireo mpanatrika ny rafitry
anatin’izao fanovana izao koa ny
ny
ambaratongam-pitantanan’ny
fampihodinana ireo mpiasa amin’ny
Faditseranana (organigramme) izay
alalan’ny famindrana toerana ireo
nahitana fanavaozana.
mpiasa.
Ireo Talen’ny Faditseranana izay
Nofaranana
tamin’ny
fiarahamisakafo tao amin’ny toerana
nivoriana ny fihaonana nentina
nanamafisana indray fa tarika
iray ireto mpiara-miasa ireto ary
hikendry ny tanjona sy ny fanamby
napetraka.
Ny nanatrika ny Colloque
RAKOTONDRAZAKA Hermann
Ccom DGD
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 7
VAOVAO
VAOVAO
MFB
MFB
FIKAHONAN-DOHAM-PIRENENA MOMBA NY FANARAHAMASO NY VOLAM-PANJAKANA
Ho fanadiovana ny fitantanana ny volam-panjakana, ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny
Tetibola dia nampihatra nanomboka ny taona 2006 ny lalànan’ny budget programme, fomba
fiasa izay mametraka fa ny tanjona tratrarina sy ny asa mifandraika aminy ao amin’ny
rantsamangaikan’ny Departemantan’ny Ministera isan-tsokajiny no mametra ny sorabola
ampiasaina.
I
o fanapahankevitra io dia
noheverina
fa
hitondra
fanatsarana
teo
amin’ny
fitantanana ny volam-panjakana
nefa tsy araka izay nandrasana ny
vokatra azo. Valo taona aty aoriana,
mbola maro ny olana eo amin’ny
fanatanterahana ny tetibola sy ny
fanaraha-maso izany indrindra ny
fanaraha-maso ny zava-bita.
Ny Fitsarana ny kaontim-panjakana
izay tompon’andraikitra voalohany
eo amin’ny fanaraha-maso ny volampanjakana dia nanapa-kevitra ny
taona 2005 hanao fanamafisana
fahaiza-manaon’ny
mpiara-miasa
isan-tsokajiny tao aminy. Teo koa
ny fametrahana isaky ny renivohiparitany ny fitsarana ny fampiasambola.
mametraka ny fangaraharahana eo
amin’ny fitatanam-bolam-panjakana.
Takiana
amin’izany
anefa
ny
fandraisana anjara lehibe avy amin’
ireo rafitra mpanara-maso ny volampanjakana. Izay indrindra no nanosika
ny Fitsarana ny kaontim-panjakana
nikarakara ny Fikahonan-dohampirenena momba ny fanaraha-maso ny
volam-panjakana ny 13 sy 14 aogositra
2014 tao amin’ny CCI Ivato.
Nandray anjara ary tompon’antoka
tamin’izany fihaonana izany ny
Inspection Générale de l’Etat (IGE), ny
Direction Générale du Contrôle financier
(DGCF), ny Autorité de Régulation des
Marchés Publiques (ARMP) tamin’ny
alalan’ny Commission Nationale des
Marchés (CNM).
Tsy tody hatramin’ny farany anefa io
ezaka nataon’ny Fitsarana ny kaotimpanjakana io noho ny krizy 2009.
Vokatr’izany, tapaka ny famatsiambola samihafa. Teo andanin’izany, ireo
rafitra isan-karazany mpanara-maso
ny volam-panjakana dia tsy nahavita
nandrindra miaraka ny asany ka tsy
nampahomby ny vokatra izany.
Tanjona ny fampahafantarana sy
fanentanana ireo mpikirakira ny
fandaniam-bolam-panjakana amin’ny
maha-zava-dehibe
ny
fanarahamaso ny volam-panjakana ataon’ny
Fitsarana
ny
kaontim-panjakana.
Nohetsiketsehana ihany koa ireo
mpisehatra samihafa mba hanatsarana
ny fahombiazan’ny fanaraha-maso ny
volam-panjakana isan-tsokajiny.
Amin’izao fiverenan’ny Firenena
amin’ny ara-dalàna izao, ny fitondrampanjakana tafapetraka dia miezaka
Raha bangoina, dia io fotoana io no
nentina nizarana ireo fanamarihana
sy toromarika avy amin’ny Fitsarana
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 8
ny kaontim-panjakana, nanentanana
amin’ny maha-zava-dehibe tsy azo
ialàna ny fanaraha-maso ny volampanjakana, nanomezana ny mpisehatra
rehetra fahalalana mitovy momba ny
rafi-pitantanana
volam-panjakana
mba hahamora ny fametrahana
fehezandalana momba ny fandaniambolam-panjakana. Eo ihany koa ny
fampiroboroboana ny fiaraha-miasa
sy ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo
rantsana rehetra mpanara-maso ny
fitantanambolam-panjakana.
Maherin’ny 600 ny mpandray anjara
avy amin’ny Minisitera sy Andrimpanjakana isan-tsokajiny nandritra ny 2
andro nisian’ny fikahonan-doha.
FANOMBOHANA NY ASA FANAMBOARANA NY LALANKELY
ROA AO AMIN’NY FOKONTANIN’ANOSIBE AMBOHIBARIKELY
Fanamboarana sy fanatsarana lalankely roa, mirefy 200 metatra isanisany, ao amin’ny
fokontanin’Anosibe Ambohibarikely, ao anatin’ny boriborintany fahaefatra eto Antananarivo
Renivohitra. Io no nanombohana indray ny asa mifandraika amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa iandraiketan’ny rafitra fandrindrana an’ireo tetikasa ho fampivoarana ny
toekarena sy ireo asa sosialy (CCPREAS), sampandraharaha iray eto anivon’ny Minisiteran’ny
Fitantanambola sy ny Tetibola, ny alatsinainy 28 jolay 2014 teo.
N
y
Minisitry
ny
Fitantanambola
sy
ny
Tetibola, ny Profesora
RAZAFINDRAVONONA Jean mihitsy
no nidina teny an-toerana, nametraka
ny vato voalohany, manamarika ny
fiantombohan’ny asa fanamboarana
an’ireo lalankely ireo.
Araka ny fanamarihana nataony,
Ny Ministeran’ny Fitantanambola
sy ny Tetibola dia tsy miandraikitra
fotsiny ihany ny asa efa nosahaniny
hatrizay toy ny fitantanana araka ny
tokony ho izy ny volam-panjakana fa
miditra an-tsehatra ihany koa amin’ny
lafiny sosialy sy ny fanatsarana ny
fiainan’ny mponina andavanandro.
Nanokatra izany tamin’ny fomba
ofisialy ny Filohan’ny Repoblikan’ny
Madagasikara,
Andriamatoa
RAJAONARIMAMPIANINA Hery, Ny
Ministry ny Fitantanambola sy ny Tetibola,
ny Profesora RAZAFINDRAVONONA
Jean, ny Minisitry ny Fitsarana,
Ramatoa
RAMANANTENASOA
Noëline, ny Filohan’ny Fitsarana ny
kaotim-panjakana,
Andriamatoa
RANDREZASON Théodore.
Nangonin’i HIANASY Mamisoa
Frédérica
Ccom SG
Tafapetraka ny vato fehizoro
Vola mitentina 30
tapitrisa
Ariary
no
natokana
hanamboarana
an’ireo lalankely
roa ao anatin’ity
f o k o n t a n y
ahitana mponina
miisa
6.482
ity.
Fokontany
izay
tafiditra
ao
anatin’ireo
faritra iva eto
an-drenivohitra
ary
anisan’ireo
Ny mpitantana eto amin'ny MFB tonga teny Anosibe
tena
tojo
fahasahiranana
Faritra Vatovavy Fitovinany, any
rehefa fotoam-pahavaratra.
Mananjary ka hatrany Vangaindrano,
Ny mponina eo an-toerana ihany,
no hisantarana an’izay fitetezamamin’ny alàlan’ilay paikady HIMO, no
paritra izay.
hokaramaina 3000 Ariary isan’andro
Ny
mpandrindra
nasionalin’ny
mandritra ny iray volana, fotoana
CCPREAS, Atoa RABEMANAHAKA
voatondro hamitana ireo fotoLala indray dia nanipika fa tetikasa
drafitrasa ireo.
hiantraika
mivantana
amin’ny
Olona 40 ka hatramin’ny 60
vahoaka eny ifotony miisa 100
isan’andro
no
hampiasaina.
mahery no hotanterahina ato ho ato.
Hampifandimbiasana izy ireo mba
Ny fanavaozana na fanorenana
samy hahazo anjara fidiram-bola
fotodrafitrasa
fototra,
ny
avokoa ao anatin’ny fe-potoana
fanatsarana na fananganana trano,
hanatanterahana ny asa.
ankoatra ireo asa mitarika fidiramAraka ny fanampim-panazavan’ny
bola ho an’ireo vahoaka eny ifotony
Minisitra
RAZAFINDRAVONONA
no tena iompanan’ny asa sahanin’ny
Jean dia fanombohana ihany ny eto
CCPREAS.
Anosibe Ambohibarikely fa mbola
RATEFIARIBENJA Mandrindra
hitohy ny fanamboarana fotoCcom Cabinet
drafitrasa amin'ny Faritra maro. Ny
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 9
VAOVAO
VAOVAO
MFB
D EB
FANOMEZANA MARI-BONINAHITRA AN’Atoa LEONIDAS
TEZAPSIDIS, AMBASADAORON’NY VONDRONA EOROPEANA
ETO MADAGASIKARA
Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika, tao amin’ny Hotel Colbert, ny Zoma 25 Jolay 2014
teo ny fanolorana mari-boninahitra Commandeur de l’Ordre National an’Andriamatoa Leonidas
TEZAPSIDIS, Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara izay nandao an'i Madagasikara.
T
onga nanatrika izany teny
an-toerana ireo mpikambana
maromaro
eo
anivon’ny
Governemanta
Malagasy,
izay
tarihan’ny Praiminisitra, KOLO Roger.
Nandritra
ny
lahateny
nifandimbiasana dia nilaza ny
Minisitry
ny
Fitantanambola
sy ny Tetibola, ny Profesora
RAZAFINDRAVONONA Jean, fa
maro ireo fanampiana nentin’ny
Vondrona
Eoropeana
nandritra
ny taona maro tamin’ny alalan’ny
Tahirimbola Eoropeana na FED, izay
nahazoana famatsiana mitentina 300
tapitrisa Euros, ho an’ireo mponina
tena marefo eto amintsika, sy vola
mitentina 50 tapitrisa Euros izay
natokana ho an’ny angovo. Nisy ihany
koa ny fanampiana mitentina 455,4
tapitrisa Euros ho fanarenana an’i
Madagasikara taorin’ny krizy 2009.
Tetsy
ankilany,
dia
nanamafy
ny
Praiminisitra
KOLO Roger, fa
tsy
nitsahatra
nanampy
an’i
Madagasikara
ny
Vondrona
Eoropeana
nandritra
ireo
fotoana
sarotra
nolalovan’ny
F i r e n e n a
Malagasy.
Nandritra
ny
Ny Grand Chancelier nametraka ny mari-boninahitra
lanonana
dia
nanao jery todika ireo dingana vita
Minisiteran’ny
Fitantanambola
sy andraikitra nosahaniny nandritra
sy ny Tetibola izay nisahana ny
ny roa taona sy enim-bolana
fikarakarana ny lanonana natokana
nijanonany
teto
Madagasikara
hanomezana mari-boninahitra ny
Ingahy Leonidas TEZAPSIDIS. Tsy
tenany. Nankahery ny Firenena
nohadinoiny koa ny nisaotra ny
Malagasy izy ary nanambara ny
fitohizan’ny fanampiana avy amin’ny
Vondrona Eoropeana, hatramin’ny
faran’ny taona 2014, mba ho
fampandrosoana an’i Madagasikara.
Notsindriany mafy ihany koa ny
tokony hisian’ny fanehoan-kevitra
malalaka ho an’ireo mpanao gazety
eto an-toerana.
Farany, nilaza Atoa Leonidas
TEZAPSIDIS fa handao an’ity
Nosintsika ity ary hihazo an’ny Nosy
Salomona, any Atsimo Andrefan’ny
Ranomasim-be Pasifika. Ny manampahefana eto amin'ny MFB tonga nanome voninahitra
ny fanolorana mari-boninahitra
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 10
RAHELINIRINA Annie Nicole
Ccom Cabinet
JERY TODIKA MOMBA NY FANATANTERAHANA NY
TETIBOLAM-PANJAKANA TELOVOLANA FAHAROA TAONA 2014
Tontosa ny faha-06 Aogositra 2014 teo ny tomban’ezaka telovolana faharoa mikasika ny
fanatanterahana ny tetibolam-panjakana 2014.
I
zany dia natao teo ambany
fitarihan’
Andriamatoa
R A Z A F I N D R AV O N O N O N A
Jean, Ministry ny Fitantanambola
sy ny Tetibola, izay notronon'ireo
Tompon’andraikitra ambony isantsokajiny ao amin'ny Ministera.
Ny fahatongavan’ny Filohan’ny
Fitsarana ny kaotim-panjakana
dia nanamarika ity jery todika
ity. Nanome fanazavana feno sy
nanindry ny lanjan’ny ny fitsirihana
ny fitatanam-bolam-panjakana izy
nandritra ny fandraisany fitenenana.
Natolotra tamin’ ireo mpikirakira ny
tetibolam-panjakana nandritra io
fotoana io ireo Tompon’andraikitra
ambony vao notendrena teto amin’ny
Minisitera.
Nomarihan’Andriamatoa
Ministra
tamin'ny lahateniny ny maha laharampahamehana ny fametrahana ny
Politika Ankapoben’ny Fanjakana
vaovao sy ny maha zava-dehibe
ny fanamafisana ny fahazaina
mitantana
ny
tetibola
mba
hahatrarana ny fampandrosoana
mifototra amin’ ny firoborobona
maharitra iraisan’ny rehetra.
Hita taratra tamin’ny telovolana
fahatelo fa 41% ny tahan’ny
fanatanterahana ny asa noheverina
no tontosa. 42,33% ny salan’isa
ankapobeny teo amin’ny fandaniana
ny tetibola ary 88,61% ny taha
tratra tamin’ny vola niditra ka ny
fitambaran’ny hetra niditra dia
nahatratra 708,61 Miliara Ariary
raha toa ka 794,95 Miliara Ariary
ny vinavina. Voaloa ny trosa ivelany
izay nahatratra 136,09 Miliara
Ny Manampahefana nanatrika ny jery todika teny amin'ny Plan Anosy
Ariary, ny fahazahoana ny tetibola
fanampiny 10 tapitrisa Dolara
avy any amin’ny Banky Iraisampirenana ho fanatanterahana ny
tetikasa PAUSENS (Primatiora), ny
fanantontosana ny logiciel Système
Intégré de Gestion de la Carte
d’Identité Nationale ary ny fahavitan’
ny fanitsiana ny fitantanam-bolampanjakana amin'ny taona 2014 .
Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, basy 370 isa sy
rongony 1 515,038 kg no tratra.
Fikambanan-jiolahy 39 no saron’ny
mpitandro ny filaminana. Ireto
farany dia notoloran’ny teo anivon’ny
Fiadidina ny Repoblika fiara tsy
mataho-dalana miisa 45. Eo amin’ny
lafiny sosialy dia voavolavola
ny didim-panjakana mikasika ny
karama farany ambany indrindra
any amin’ny sehatra tsy miankina.
Raha ny sehatry ny fanatanjahantena kosa indray no jerena dia teo
ny fikarakarana ny fifaninanana eto
Afrika eo amin’ny lalao Rugby. Nisy
koa ny fanomanana ny Afrobasket
U18 teto Madagasikara. Mikasika
ny fizahantany dia mpitsidika 72
303 no voasoratra ka nampiditra
130,14 tapitrisa DTS.
Teo
am-pamaranana
dia
noantitranterin’ Andriamatoa Ministry
ny Fitantanambola sy ny Tetibola
ny famolavolana dieny mialoha ny
AGPM, ny fanatsarana mikasika ny
LFI 2015, ny nandaniana ny LFR teo
anivon’ny Antenimieram-pirenena. Eo
ihany koa ny maha zava-dehibe ny
fametrahana ny Conseil de Discipline
Budgétaire et Financière ary indrindra
ny fahazoana mijery ireo tahirinkevitra mikasika ny fanatanterahana
ny tetibolam-panjakan’ireo Andrimpanjakana sy Minisitera eo amin’ny
trano-kalan’ny Fiadidina momba ny
Fanatanterahana ny Tetibola.
Tamin’ny ankapobeny dia tomombana
tokoa ny lafiny fikarakarana izay
nitondra endrika vaovao ho an’ny
jery todika telovolana faharoa.
RALAIARIMANANA Tsiry
Chef SAIDM p.i
Direction de l’Exécution Budgétaire
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 11
VAOVAO
VAOVAO
DGT
D GB
FITOKANANA NY BIRAO SY TRANO FONENANA AO AMIN’NY
FOIBEM-PITANTANAM-PARITRY NY TETIBOLA BETSIBOKA
Misokatra ny biraon’ny Direction Régionale du Budget (DRB) ho an’ny Faritra Betsiboka.
Ny Filoham-pirenena no nitokana ny tranon'ny DRB Betsiboka
N
otokanan’ny Filohan’ny
R e p o b l i k a n ’ i
Madagasikara,
A n d r i a m a t o a
RAJAONARIMAMPIANINA Hery,
ny Alatsinainy 28 Jolay 2014
teo ny birao sy trano fonenana
natoka
ho
an’ny
Foibempitantanam-paritry ny Tetibola
ao
Maevatanana,
Faritra
Betsiboka. Izay dia natao
teo
anatrehan’Andriamatoa
R A Z A N A J A T O
RAZAFINIMANANA
Mialy
Lanto,
Tale
Jeneralin’ny
Tetibola izay nisolo tena ny
Minisitry ny Fitantanambola sy
ny Tetibola, sy Andriamatoa
RANDRIANJAFINIDRIANA,
Lehiben’ny Faritra Betsiboka ary
Andriamatoa RANAIVO Henri,
Tale Jeneralin’ny Fanarahamaso
ny Volam-panjakana.
Ny Sampandraharaham-paritry
ny Fampiaharana ny Tetibola, ny
Sampandraharaham-paritry ny
Karama sy ny Fisotroan-dronono
ary ny Foibem-paritra momba
ny informatika, izay efa niasa
nanomboka ny taona 2012 no
mampiasa io trano io. Manarampenitra tokoa izao birao izao,
hoy ny Filoham-pirenena teo
am-pitokanana azy ary efa ela
no niandrasana azy.
Io fotoana io dia nahafahan’ny
Filohan’ny Repoblika nitsidika
ny asa famaranana ny tetezan’i
Betsiboka any amin’ny 21
km
avaratr’i
Maevatanana
sy
nitokana
fotodrafitrasa
maro toy ny Foibe fandanjana
ireo fiara be any amin’ny
7 km hiditra ny tanànan’i
Maevatanana,
ny
tranon’ny
Kaomina
an-drenivohitr’i
Maevatanana
izay
nasiampanamboarana
sy
nomena
fitaovana, ny OPCI Volamena,
ny Biraon’ny Ministeran’ny Rano
ary ny Tranon’ny Fampianarana
Teknika ao Maevatanana
Nandritry
ny
lahateniny,
ny
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 12
Filohan’ny
Repoblika
dia
nanambara fa tena laharampahamehana ny fametrahana
fotodrafitrasa
ara-tsosialy
sy ara-toekarena toy izao
mba hanaingana indray ny
fampandrosoam-paritra.
Ny
fametrahana
fitaovampandanjana fiara be ihany koa
dia mariky ny famerenana ny
tany tan-dalàna.
Aoka izay
ny gaboraraka, hoy izy. Ireo
fivahinianany tany ivelany dia
mikendry ny hanafoana tanteraka
ny sazin’i Madagasikara ka
hahafahana indray miverina
eo amin’ny sehatra iraisampirenena sy mamorona asa
marobe ho an’ny tanora vokatry
ny
fiverenan’ny
famatsiambola
sy
ny
fanondranana
entana. Ny Faritr’i Betsiboka
dia hahazo fampitaovana hafa
toy ny herin’aratra azo avy
amin’ny herin’ny masoandro
sy fampidiran-drano fitsotro
madio.
Niaradia
tamin’ny
Filohampirenena
tamin’izany
ny
mpikambana
vitsivitsy
avy
amin’ny
Governemanta
toy
ny
Minisitra
misahana
ny
Fotodrafitrasa
sy
ny
Asa
Vaventy, ny Minisitry ny Rano,
Ny Minisitry ny Fiompiana,
ny
Minisitra
misahana
ny
Fampianarana Teknika.
ANDRIANAVALO Yann Ely
Chef du Service Administratif et
Financier
Direction Générale du Budget
FITOKANANA NY PERCEPTION PRINCIPALE ANDILAMENA
T ont os a ny al ar ob i a 3 0 j ol ay 2 0 1 4 t e o ny f i t okanana am i n’ n y fo mb a o fis ia ly n y
t r ano vaovaon’ny Pe r c e pt i on Pr i nc i pal e A ndi l am e na.
N
anotrona izany
fitokanana izany
ny
Sekretera
Jeneralin’ny Minisiteran’ny
Fitantanambola
sy
ny
Tetibola ary ny Tale
Jeneralin’ny Tahirimbolampanjakana
Malagasy.
Raha araka ny fanambin’ny
Tahirimbolam-panjakana
ny
hoe
fanamafisana
ny fiarovana ny volambahoaka dia tafiditra
amin’izany tokoa ity trano
vaovao ity ary efa faha
dimy amby roapolo amin’ny
fotodrafitrasa voatsangana
io trano any Andilamena
io. Mifanandrify tokoa
amin’ny
politikan’ny
fitondrana
ankehitriny
amin'ny fanakaikezana ny
mpanjifa ny fanorenana
izao fotodrafitrasa izao.
Manatsara ny endriky ny
tanàna ny trano vaovao ary
faly tokoa ny Lehiben’ny
Distrika Andilamena satria
tsy natao toy ny tany lavitra
andriana izy ireo. Tsy
Ny Sekretera Jeneralin'ny MFB nitokana ny PP
adinon’ny Ben’ny Tanàna
ihany koa ny nisaotra
tamin’ny nanomezana trano
ari-fomba
ahafahana
mandray tsara ny mpanjifa
eny an-toerana.
RAKOTOSON Valérie
Ccom DGT
Ny Biraon'ny PP Andilamena
DGI
FITSIDIHANA NY IVON-KETRA TAO ANDILAMENA
Nitsidika ireo mpiara-miasan’ny Ivon-ketra ao amin’ny Distrikan’Andilamena ny Sekretera
Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola.
T
a o r i a n ’ n y
f i t o k a n a n a
ny
tranon’ny
Perception Principale tao
Andilamena, dia nandalo
nitsidika ireo mpiaramiasan’ny
Ivon-ketra
ao
Andilamena
Rtoa
ANDRIAMBOLOLONA
Vonintsalama, Sekretera
Jeneralin’ny Minisiteran’ny
Fitantanambola sy ny
Tetibola. Marihina moa fa
ny Ivon-ketra ao amin’ny
Distrikan’Andilamena
dia mbola eo ambany
fiahian’ny Foibem-paritry
ny Hetra ao Alaotra
Mangoro. Miisa enina ny
mpiara-miasa ao, ary
Atoa RAKOTONINDRAINY
Ny Aina no lehiben’ny
Ivon-ketra.
Ireo mpiara-miasa niaraka tamin'ny SG ny MFB
H.M.F
Ccom SG
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 13
VAOVAO
VAOVAO
DGI
CSC
NAHAVITAna TRANO NY IVON-KETRA ao VOHIPENO
FIFAMINDRAM-PAHEFANA TAO AMIN’NY CSC
Raha ny taona 2012 no efa nisokatra ny Ivon-ketra ao Vohipeno (Faritra Atsimo Atsinanana)
dia ny alatsinainy 11 aogositra 2014 kosa no notokanana tamim-pomba ofisialy ny birao
vaovao izay an’ny Foiben-ketra ka sady ahitàna birao no misy trano fonenan’ny mpiasa
ihany koa.
T
afiditra tanteraka anatin’ny
fanovàna
napetraky
ny
fitondram-panjakana izany
mba hahafahana mandray ireo
mpandoa hetra amin’ny fotodrafitrasa tsara kokoa miaraka
amin’ireo
fitaovana
harifomba
hanafainganana ny fomba fiasa no
fanazavana nentin’Atoa TAZAFY
Armand, Tale Jeneralin’ny Foibenketra izay nanotrona an’Atoa Minisitry
ny Fitantanambola sy ny Tetibola, ny
Pr. RAZAFINDRAVONONA Jean izay
nitarika ny delegasiona mafonja
tamin’ity fitokanana ity. Atoa
Rabemananjara Paulin Venont
(Contrôleur des Impôts) no lehiben’ny
Ivon-ketra izay mitarika ireo mpiaramiasa aminy miisa efatra hafa ka
vehivavy ny iray amin’izany.
Kaominina 19 no sahanin’ity Ivonketra ity izay efa nahatratra ny
vina amin’ity taona 2014 ity. Porofo
izany fa olona vonona ny handray
andraikitra amin’ny fampandrosoana
ny
Faritra
sy
Madagasikara
manontolo ny tanànan’ny Vohipeno,
araka ny nolazain' Atoa Minisitra
Ny Ministry ny Fitantanambola sy ny Tetibola
izay nanentana ny tsirairay amin’ny
fandoavan-ketra
izay
fomba
voalohany hahafahana mandroso.
Ohatra nalainy tamin’izany ny hetra
tambatra na Impôt Synthétique izay
nambarany fa miverina 60% amin’ny
Kaominina ary 30% amin’ny Faritra.
Manamafy ny tenin'Atoa Minisitra ny
tarehimarika naroson’Atoa TAZAFY
Armand izay milaza fa ny taona
2012 dia 5 tapitrisa Ariary ny hetra
voaangona raha niakatra 47 tapitrisa
Ar izany ny taona 2013 ary ankehitriny
dia mihoatra ny 49 tapitrisa Ariary.
Noho ny faharisihan’ny vahoaka
moa dia nisy ny fanapahan-kevitry
ny Minisitry ny Fitantanambola sy
ny Tetibola hanarina ny tafon’ny
Tranompokonolona, ny fanamboarana
ny làlana any Vohindava izay làlana
tsy azo ialàna raha hampiakatra
vokatra toy ny jirofo, kafe, isan’ny
mampatanjaka ity faritra ity.
Nanotrona ny ray aman-dreny, Atoa
Minisitry ny Fitantanambola tamin’ity
fitsidihana ity ny Talen’ny Kabinetra,
RANDRIANASOLO John Brice, ireo
mpanolo-tsaina manokany ihany
koa, raha ny avy amin’ny Foibenketra kosa ny Talen’ny harena araolona sy ny tantsoroka vaovao, ny
Talem-paritry ny Hetra Matsiatra
Ambony sy Vatovavy Fitovinany ary
Atsimo Atsinanana. Teo ihany koa
ireo Lehiben’ny Sampandraharaha
samihafa avy amin’ny Minisiteran’ny
Fitantanambola sy Tetibola.
Tontosa tao anaty firahalahiana ny alatsinainy 18 aogositra 2014 teo ny fifamindrampahefana teo amin-dRamatoa RAMELINA Victorine, Sekretera Jeneraly teo aloha, sy
Andriamatoa RAMANAMPANOHARANA Andry, Sekretera Jeneraly vaovao ao amin’ny
Filankevitra Ambony momba ny Fitanan-kaonty na ny Conseil Supérieur de la Comptabilité
(CSC) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola.
F
isaorana sy fankatelemana
ny mpiara-miasa rehetra tsy
ankanavaka no natolotry
ny Sekretera Jeneraly teo aloha
tamin’ny fiaraha-miasa nandritra ny
efatra ambin’ny folo taona ary nirary
soa ny Sekretera Jeneraly vaovao
hahatontosa antsakany sy andavany
ny adidy sy andraikitra nankinina
aminy.
Ny Sekretera Jeneraly vaovao,
RAMANAMPANOHARANA
Andry,
Expert Comptable et Financier,
mpikambana ao amin’ny Ordre des
Experts Compables et Financiers de
Madagascar (OECFM), kosa dia
nisaotra ny Sekretera Jeneraly teo
Ny fifamindram-pahefana tao amin'ny CSC
aloha noho ny zava-bitany ary
nanainga ny mpiara-miasa rehetra
hanao ny tsaratsara kokoa hatrany
amin’ny asa mba hampitomboana ny
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 14
Talen’ny Fifandraisana, CSC
de la population) izay tsy maintsy
ho tanterahina amin’ny fotoana
faran’izay haingana eto amin’ny
Firenena Malagasy.
RAKOTONIONY N.V.Suzy
Ny Biraon'ny Ivon-ketra ao Vohipeno
RAKOTO Patricia
Nanatanteraka iraka teto Madagasikara ny Mpahay antotan’isa avy amin’ny Paris 21,
Afristat, ary ny Commission Economique pour l’Afrique (CEA) niaraka tamin’ny Tale Jeneraly
sy ny Tale Jeneraly Lefitry ny Instat.
Ccom DGI
Ny delegasiona tonga teto Madagasikara miaraka amin'ny
Minisitry ny Fitantanambola sy ny Tetibola
Ny fitokanana
fahombiazan’ny CSC.
Ao anatin’ny ezaka fanatsàrana
ny Rafitra sy ny famokarana ary
ny fikirakiràna ny Antotan’isa
(Statistique) eto Madagasikara,
dia tonga nanatontosa fitsidihana
teto amintsika ireo manampahaizana ireo. Isan’ny lohahevitra
lehibe nodinihina nandritra izany
ny fanomanana ny fanisambahoaka (Recensement général
Amin’ny maha-Ingénieur Statisticien
Economiste an’Atoa Ministry ny
Fitantanambola sy ny Tetibola,
dia nangataka fihaonana taminy
ireto vahiny. Niara-dia tamin’ity
delegasiona ity ny solotenan’ny BAD,
rafitra izay hanohana ara-bola ny
fanatanterahana ireo tetikasa ireo.
Nangonin'i HIANASY M. F.
Ccom SG
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 15
SOSIALY
SOSIALY
MFB
MFB
FIVORIAM-BEN’NY MPANDRAHARAHA LEFITRY NY
SAMPANDRAHARAHA ARA-BOLA
Entina hifanakalozan-kevitra, hanatsarana ny asa sy ny fiainan’ny fikambanana ny fivoriana
izay natao.
N
otanterahina
ny
Alakamisy 14 Aogositra
2014 teo, tao amin’ny
Espace Fitsikiana Andohatanjona
Itaosy ny Fivoriamben’ny Syndicat
des Administrateurs Adjoints des
Services Financiers (SAAF) izay
fanao
isan-taona.
Anisan’ny
lahadinika tamin’izany ny tatitra
momba ny asa natao sy ny arabola. Nisy ihany koa fifanakalozankevitra ny amin’ny hanatsarana ny
fikambanana sy fifanakalozambaovao hanatsarana sy hamahana
ny olana atrehan’ny mpikambana eo
amin’ny fanatanterahana ny asany.
Teo ihany koa, ny fanatanteraha
ireo adidy ara-piarahamonina
izay tsy vita sy ny fanitsiana ny
fitsipika anatiny mba hanaraka
ny zava-misy ankehitriny ary ny
fanavaozana ny mpikambana ao
amin’ny birao.
Mpitambola :
RAKOTOASIMBOLA Christian
Lanonana
fiaraha-misakafo
mikorana no namaranana
fivoriambe.
Mpanamarin-kaonty :
RAMIALILALA Laza Anthony
sy
ny
Ireto indray àry ireo mpikambana ao
amin’ny birao vaovaon’ny SAAF :
Filoha :
ANDRIANAVALO Yann Ely
Filoha mpanampy :
ANDRIAMBOLATIANA Parson Pierre
M. Eliot
Mpitantsoratra :
RAZAFINDRATANDRA Domoina
RAJAONARISON Noronirina Seheno
Mpiandraikitra Serasera :
RANDRIANARISO
RAHARIMANANA Fanomezana
Mpanolontsaina :
RANAIVONJOANY Mahatsimbina
BE Roger
RAZAFINDRAKOTO Yves Pascal
RAFIDISON Willy
NDRIANAIMALAZA Tsirimahatafa
Charles Hubert
RAJAONINJATOVO Anjatiana
20 TAONA NY NISIAN’NY DELEGUE
Ny 14 oktobra 1994 no nitsangana voalohany tamin’ny fomba ofisialy ny délégué teto amin’ny
Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola.
N
oho ny fahatrarana io
tsingerintaona
faha20
taona
nijoroan’ny
Solotenan’ny mpiasa teto amin’ny
Minisiteran’ny Fitantanambola sy
ny Tetibola, dia niara-nisakafo sy
nikorana teny Ambohimanga Vohitra
Paradisa ny Solotenan’ny mpiasa ny
voalohan'ny volana aogositra 2014.
Tamin’ny fanokafana ny fotoana
fiarahana dia nisy ny dinidinika
sy
fifanakalozan-kevitra
entina
hanatsarana ny asa. Rehefa vita izany
dia nanomboka ny korana, ary nifarana
tamin’ny 04 ora hariva ny fotoana.
Ny Solotenan’ny mpiasa dia misaotra
an’Andriamanitra nahavita ny adidy
sy andraikitra izay tandrify azy ary
misaotra ireo Mpitondra rehetra
nifandimby izay niara-niasa taminy
nandritra izay 20 taona izay ary
maniry ny mbola hitohizan’izany.
Mofomamy fanamarihana ny faha-20 taonan'ny Délégué
ANDRIANAVALO Yann Ely
Filohan’ny SAAF
RAZAIARIMINO Fenonirina
dit Ninie
Ny Solontenan'ny Mpiasa eto amin'ny MFB
Délégué miasa ao amin’ny DSI
IREO FILOHAN’NY SOLOTENAN’NY MPIASA NIFANDIMBY
NANOMBOKA NY TAONA 1994 KA HATRAMIN’IZAO
• 1994
ka
hatramin’ny
2000
:
ANDRIATSIMATAHOMANJAKA Fortunat, mpiasa tao
amin’ny Direction Générale du Budget ;
• 2001 ka hatramin’ny 2005 : RASOLONANDRIANINA
Arsène, mpiasa ao amin’ny Logement ;
• 2006
ka
hatramin’ny
2008
:
RANDRIAMANAMIHANTASOA Pierre, mpiasa tao amin’ny
Direction des Ressources Humaines et de l’Appui ;
Ny mpikambana ao amin'ny SAAF
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 16
• 2009 ka hatramin’izao : RAHELIMININA Yvonne Marie
Roja, mpiasa ao amin’ny Direction Générale du Trésor.
IREO BIRAO MPITANTANA ANKEHITRINY VOAFIDY
TAMIN’IREO SOLOTENAN’NY MPIASA VOAFIDY ISAKY
NY SERVICE SY NY DIRECTION (miisa 62 ireo solotena)
MISY ETO AMIN’NY MINISITERAN'ny fitantanambola
sy ny tetibola izay voafidy tamin’ny 19 janoary
2009
• RAHELIMININA Yvonne Marie Roja - DGT/DRSF
• RABENDRIAKA RAMAROVELO Eugène - DGI
• ANDRIANJOHANY Lanto - DGD
• RAZANADRAKOTO Jean Marie Antoine - DGCF
• MANIRISOA - CABINET
• RABENJAMINA Hanitra - DGAI
• RAZAIARIMINO Fenonirina - SG/DSI
• ANDRIAMANANTSOA Martia - DGB
• RAVELOSON Herinirina - DAAF
• MPANOLOTSAINA AVOKOA IREO SISA AMBINY
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 17
SOSIALY
SOSIALY
S R EB A N A LA N JI RO FO
DAA F
RANDONNEE NY MPIASAN’NY DAAF
Nanatanteraka Diabe ny mpiara-miasa ao amin’ny Daaf. Ny Mutuelle des Agents de la
Direction Des Affaires Administratives et Financières du Ministère des Finances et du Budget
no nikarakara ny hetsika.
A
Toy ny olom-pirenena maro samy hafa, dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana ny
26 jiona 2014 ihany koa ny mpiasan’ny « Service Régional de l’Exécution Budgétaire » (SREB)
Analanjirofo.
T
raka
ny
filamatry
ny
fikambanana
hoe
Firaisankina,
Fifankatiavana,
Fifanampiana,
ary ho fanamafisana izany filamatra
izany, dia nanatanteraka diabe ny
mpiara-miasa rehetra ao amin’ny
Fitantanan-draharaha Ankapobeny
sy Ara-bola ny 25 jolay 2014
teo. Atoa RAVELOSON Heriniaina,
Talen’ny Fitantanan-draharaha no
nitarika ny fotoana.
a o r i a n ’ n y
filaharambe nentina
nandravahana
ny fety aman-danonana
manoloana
ireo
Manampahefana
isantsokajiny, dia niara-nisakafo
ny Mpiara-miasan’ny SREB
rehetra, ho mariky ny
firaisan-kina.
Fa nararaotina ihany koa,
nandritra an’io fotoana io,
ny nanasongadinana, ho
Niainga teo amin’ny INSTAT Anosy,
tamin’ny 7 ora sy sasany maraina
ny fiara iombonana. Andranovelona
kosa ny toerana nifamotoana.
Raha vao tonga ireo mpiara-miasa
dia nijery ireo zava-bita vaovao
ao amin’ny tanin’ny Minisiteran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola,
avy eo dia namonjy ny toerana
fisakafoanana mba hametraka
fiarakodia sy ny entana rehetra,
nizara ny rano fisotro ho entina
mitety ilay tendrombohitra atao hoe
Babay sy Loha-vohitra.
Ny Mpiara-miasan'ny SREB Analanjirofo
Ny Lehiben'ny Sreb Analanjirofo,
BEMAITSO Alexis
fikambanana.
Somary mafimafy ny niakatra
nyntendrombohitra
nefa
tsy
nampihemotra ny mpiara-miasa
izany fa niezaka hatrany izy rehetra
ho tody teny amin’ny farany ambony.
Ody vavony no natolotra azy ireo
rehetra nahatody izany izany ezaka
izany.
Tsikaritra
tamin’io
fotoana
io ny fifanohanana teo ampanatanterahana
ny
diabe
ka tanteraka noho izany ny
teny filamatra sy ny tanjon’ny
FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA
Ny fahasalamana no voalohankarena
ary izay mandehandeha mahita
raha. Sady fanatanjahantena no
sady fampahafantarana ny zavamisy eto Antananarivo ny diabe
natao. Maro amin’ireo mpiara-miasa
ihany koa no izay vao nahafantatra
izany atao hoe Babay sy Lohavohitra izany. Rehefa vita izany teo
amin’ny 12 ora teo dia naka aina
kely ary nitohy ny fiarahana tamin’ny
nofo-kena mitampihavanana sy ny
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 18
an’ireo mpiara-miasa, fa
tsy fety fe fety ihany ny 26
jona, fa andro natokana
indrindraindrindra
hampahatsiahivana
ny
maha-zava-dehibe
ny
fahaiza-miaraka,
satria
tsy
tonga
amin’izao
toerana misy azy izao ny
Firenentsika raha tsy teo ny
firaisan-kina nananan’ireo
Ray aman-drenintsika niady
ho an’ny Tanintsika.
Ary tsy amin’ny andro
ankalazana ny 26 jona
ihany no tokony anehoana
izay fiaraha-mientana izay,
fa mandritra ny andrompiainana rehetra, hatreny
amin’ny
toeram-piasana
eny ka hatrany anivon’ny
fiaraha-monina
rehetra
any.
BEMAITSO Alexis
Chef du Service Régional
de l’Exécution Budgétaire
Analanjirofo
dihy maro isan-karazany. Nifarana
tamin’ny efatra ora hariva ny
fotoana niarahana ka samy namonjy
fodiana avokoa ny rehetra. Tsy
hijanona hatreo anefa ny ny hetsika
fa hiezaka hitady zavatra hatao
hatrany ny fikambanana mba ho
fanamafisana ny filamatra izay
napetraka.
NIAINAMANANA Mirantsoa
Faniry
Mutuelle DAAF
Ny Matso izay natao
Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo ny fankalazana
ny Fetim-pirenena
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 19
FANATANJAHANTENA
ASOI M I
TOMPODAKA AMIN’NY VOLLEY BALL NY TRESOR public
Ny ekipa Volley ball-n’ny Trésor Public no tompondakan’ny ASOIMI Championnat
Analamanga tamin’ity taona ity raha nandresy tamin’ny seta 3/1 ny Présidence. Tao amin’ny
kianja mitafon’ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola no nanaovana ny lalao ny
sabotsy 16 aogositra 2014 teo.
N
y mpilalaon’ny Tahirimbolampanjakana no nahazo mazava
ny seta volohany tamin’ny isa
25/16. Hita ho tsy nanohitra mihitsy
ny mpifanandrina taminy teny ampiandohan’ny lalao. Niady dia niady
ary nampitaintaina ny mpijery kosa ny
seta faharoa satria nifanaranaraka
hatrany ny isa azon’ny roa tonta.
Samy nanao izay ho afany ny andaniny
sy ny ankilany hany ka tonga hatramin’ny
24/24 ny isa teny amin’ny solaitrabe.
Taorin’ny ady mavaivy kosa dia azon’ny
Tahirimbolam-panjakana ihany ny seta
faharoa (26/24).
Nitsimbadika kely ny lalao tany amin’ny
seta fahatelo satria nahazo vahana
ny mpilalaon’ny Présidence raha toa
ka somary nivahavaha ny fomba
filalaon’ny
Tahirimbolam-panjakana.
Nitarika foana ny Présidence ka nahazo
seta iray izy ireo (25/16).
Niezaka nanarina ny tsy nety kosa ny
Tahirimbolam-panjakana tamin’ny seta
fahaefatra. Vokany, nody ventiny ny
rano nantsakaina ary toa niverina nety
avokoa izay natao na teo amin’ny attaque
na teo amin’ny défense izany. 25/18
no isa nisarahan’ny mpifanandrina ary
io seta farany io no nandrobahan’ny
Tahirimbolam-panjakana ny amboara.
Tsiahivina fa tamin’ireo lalao im-balo
nataon’ny
Tahirimbolam-panjakana,
hatrany amin’ny lalao famaranana
(championnat) dia ny mpilalaon’ireo
Miaramila (RAS) ihany no nandresy
azy nandritra ny fifanintsanana. Resiny
mazava tamin’ny seta 3/0 kosa ny
CAPSAT teo amin’ny manasa-dàlana.
Teo amin’ny ASOIMI (Coupe – manasadàlana) indray dia mbola lavony
tamin’ny seta 3/1 ireo avy amin’ny
Minisiteran’ny Fampianarana (MEN).
Tetsy an-kilany dia ny Présidence ihany
koa no nivoaka mpandresy tamin’ny seta
3/2 raha nihaona tamin’ny ekipan’ny
Miaramila (RAS). Araka izany dia
mbola ny Tahirimbolam-panjakana sy ny
Présidence no nifanandrina fanindroany
eo amin’ny lalao famaranana coupe,
natao ny Alakamisy 21 aogositra 2014.
Resin'ny Présidence tamin'ny seta 3/1 ny
Tahirimbolam-panjakana tamin'izany.
nanatrika io lalao io ny Tale Jeneralin'ny
Tahirimbolam-panjakana.
Ireo mpilalao mandrafitra ny ekipan’ny
Tahirimbolam-panjakana : Liva (D.E),
Mampionona (Chef SGAB), Tahiana
(Percepteur Principal Ambatolampy),
Mamy (DCP), Yve (DGT), Iary (PGA),
Abel (DDP), Njaka (DDP), Chantal (DDP),
Isabelle (DBIV), Vince, Alain. Coatch :
Onja.
RAKOTO Yves
Ccom DGT
Bitsika
Gazety mivoaka isam-bolana
Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola
BP 61 - Antaninarenina Antananarivo - MADAGASCAR
www.mefb.gov.mg
Talen'ny famoahana
ANDRIAMBOLOLONA Vonintsalama S.
Talen'ny fanoratana
HIANASY Mamisoa Frédérica
Tonian-dahatsoratra
ANDRIANAVALO Yann Ely
Ekipan'ny Bitsika
RAKOTONIONY Noro V. Suzy
LOKHAT H. Mikaïla
RAZAF Miarana
RANDRIANARIFIDY Rivolala
RAJAONARIVELO Antsa
RAFIANDRANA Tantely
ANDRIANARY LALA Onivola
ANDRIANANTOANDRO Tiana
RANAIVO Mandimby
RABARIJAONA Andriamitantsoa Fetra
RAKOTONDRAZAKA Hermann
RASENDRA Jo Amigo
RASOLOARIMANANA Hery (PAO)
Natonta : 8000 isa
Trano printy : Tranompirintim-pirenena
Gazetim-baovao mivoaka isam-bolana - n° 0048 - Septambra 2014 - pejy 20