Hazo fihinamboa HAZO FIHINAMBOA 1. ANKAPOBENY 1.1. Ny toetrandro: Ireo karazan-kazo fihinam-boa dia samy manana ny fepetra ilainy avy ary azo hambolena rehefa tanteraka izany (hafanana, rotsak’orana sy ny faharetany, rivotra, ny tsipimiraahabon’ilay toerana...) 1.2. Ny toetry ny tany Maharitra an-taonany maro ny fotoana hamokaran’ny hazo fihinam-boa, koa miantoka ny ho aviny noho izany ny fisafidianana ny tany hambolena azy. Noho izany dia ilaina ny tany lalinofo sy lonaka ary tsara lamina ; afaka mitahiry hamandoana sy tsy mifatratra ary tsy be fasika. Amin’ny ankapobeny dia afaka ambolena eny an-tampon-tanety noajariana sy nasiana zezi-pahitra nyhazo fihinam-boa. Marihina fa misy ireo karazany mitaky hatsiaka ka tokony hambolena amin’ny toerana avo. Ao koa ireo karazany izay mila hafanana. 2. NY FAHAZOANA ZANA-KAZO 2.1. Ny botiry: Tahony misy masony velona tsara no atao botiry atsatoka amin’ny tany mba hahazo faka ka ahazaona zanakazo vaovao indray izay mitovy toetra amin’izay niaviany. 2.2. Ny karazana botiry: Amin’ny fotoana tsy fiasan’ny ranokazo na ririnina no atao ny botiry 2.2.1. Botiry tsotra: Safidianina ny taho tanora sy efa vory nofo(feno erin-taona), ampy hery salama ary misy masony velona tsara mba hakana botiry. Tapatahana 20-30 sm. Atao atontana ary fehezana. Ampandrina anaty fasika mando. Rehefa sitrana ny fery dia afindra. Atsatoka mahintsy na misompirana izy ka ny androtokony(2/3 ) no alentika anaty tany miaraka amin’ny masony iray (ny masony roa ambiny dia mivoaka ety avelany). Alahatra tsirairay isaky ny 10sm manaraka soritra mielanalana 10sm ny botiry. -1- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa Afindra eny amin’ny toeram-pambolena rehefa mahazo faka 2.2.2. Botiry motiny: Tapahana ho 30sm ny taho amin’ny tapany ambany ary asiana sombiny 2sm avy amin’ny hazo nialany. 2.2.3. Botiry bakany: Mitovy amin’ny teo aloha saingy ampaha-taho feno 2-3sm avy eo amin’izay nitondra azy no ampiharahina aminy. 2.3. Marikotazy 2.4. 2.2.4. Botiry masony: Somby taho 3sm misy masiny iray velona tsara no volena atao anaty fasika mando mba hamaka vao afindra kendrena mba tsy ho tototra ny masona. Karazana hazo manana taho afaka manome faka kanefa tsy mora maniry botiry no atao marikotazy. Kendrena ny hivoahan’ny faka eo amin’ny taho na sampakazo mbola miray amin’ny tenaben’ ny hazo eo ampanirihana. Karazany: 2.4.1. marikotazy tsindry ladina Karazany taho malefaka sady lava no azo atao (voaloboka , paoma...). Manao lavaka manana halalina 15-20sm eo akaiky ny fototra na asiana sobika feno tany. Folahina mba handalo ao anaty lavaka na sobika ny taho na sampan-kazo. Tazonina amin’ny hazo mitsobahaka mitsatoka amin’ny tany mba tsy hihainga. Totofana tany maivana ny ampaha-taho mba hamaka (tsy totofana ny lohany mba hijoroany). Tazonina hatrany ny hamandona. 2.4.2. Marikotazy totofana Hazo manana taho afaka mamaka sy manome rantsana vaovao aorian’ny fanapahana azy no totofana ohatra paoma, kotsy, voaroy... Tapahana atreo amin’ny fotony ny taho (miala 10-15sm amin’ny tany. Totofana ny fototra rehefa maniry tsara ireo taho vaovao ireo dia totofana tany maivana ny fotony mba hamaka. -2- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa 2.5. 2.4.3. Marikotazy tsindry ladimbe Mitovy amin’ny marikotazy tsindry ladina no atao saingy taho na sampana lava (voaloboka) no ampandriana amin’ny tatatra kely tsy dia lalina loatra (5sm no alaliny). Tazonina amin’ny alalan’ny hazo baka ny faritra rehetra tiana hamaka. Avoaka ny lohany ary asiana andry mba hijoroany tsara. Tany maivana sy lonaka ary asiana zezika no hanotofana ny taho. Sady afaka mamoaka ny taho milentika anaty tany no manome taho maromaro ihany koa. 2.4.4. Maosy Natao indrindra ho fampitombo-taranaka ny lecthi, mahabibo, cacao, Fidina eo amin’ny taho ny toerna tiana hanaovana maosy. Didina misompirana amahazo nofon-kazo avy eo(alentika hatrami’ny 1/3 ny halebean’ny taho na koa esorina ny hodinkazo manodidina ilay taho). Rakofana gony na lamba tsy lena izay nofenona taim-bakona mifangaro vovontany masaka na tain’omby ny fery mba hahazoany mamaka. Fatorana aloha ny faritra ambany amin’ny taho vao fenoina io tany io ny gony avy eo vao fatorana ny faritra ambony. Tokony ho mando mandrakariva ny tany anaty gony. Matetika dia amin’ny Avril – Mai no atao ny maosy ary afindra amin’ny tanin-janakazo izy rehefa mamaka sy feno dimy na enim-bolana eo ho eo (desambra). 2.4.5. Marikotazy tangolibahy Ny hazo lava taho, mandady ary azo haolana no atao marikotazy tangolibahy Girefy Fanakambanana taho na mason-kazo (lahingirefy) amin’ny tenan’ny hazo na zanakazo efa maniry (vavingirefy) mba hazaoana mitazo sy mapitombo taranaka ny karazana tiana hanana. 2.5.1. Girefy misompirana tsotra Didina misompirana ny tapany ambany amin’ny lahingirefy toy izany koa ny tapany ambony amin’ny vavingirefy. Akambana ny faritra manolo-koditra. -3- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa Fatorana rofia mba andrakotra ny fery. 2.5.2. Girefy peta-maso asisika Mba hahazaona manao azy ity dia tokony afa miendaka mora foana ny oditra noho izany dia amin’ny fotoana fiasan’ny ranon-kazo no hanaovana azy (Août-Septembre). 2.5.3. Girefy peta-maso tsotra Atao mitovy ny velaran’ny mason-kazo sy ny faritra mandray azy eo amin’ny vavingirefy. 2.5.4. Girefy manodidina Endahina ny hoditra manodidina ny vavingirefy ary soloina lahingirefy mitovy halebe amin’izay fikarakarana ny tany. Fametrahana tsatoka. Alohan’ny hamboly na hanao lavaka dia soritanan ny laharamboly sy ny toerana tokony hisy ny hazo na tsatoka hamaritana azy. Soritana amin’ny kofehy ny laharam-boly hahintsy ny zoro isan-daharana. Marihina amin’ny tsatoka ny faritra tokony hisy ny hazo. Maka hazo fisaka (1,8-2m ny halavany ary 10-15sm ny sakany), simahina ny eo afovoany sy ny sisiny roa. Atao mifanandrify amin’ny tsatoka manamarika ny toeran’ny hazo ny simaka eo afovoan’ny hazo fisaka. Asiana tsatoka mifanandrify amin’ny simaka andaniny roa. Tsoahana ny tsatoka eo afovoany. 2.6. Fandavahana Atao amin’ny volana Jona-Aogositra ny fanaovana lavaka ny halaliny sy halebeany dia miankina amin’ny toetran’ny tany fa matetika dia atao 1m3. Avahana ny nofon-tany avy eo ambony (sahabo 30sm) ka atao amin’ny ilanan’ny lavaka ho tontosaina, ary atao eo an-dalany kosa ny nofon-tany eo ambany. Rehefa vita ny lavaka dia hevoinana ny fanambaniny. 2.7. Fanotorana Atao amin’ny volana septambra. -4- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa 2.8. Fambolena 2.9. Ampifangaroina amin’ny zezi-pahitra 40-100kg ny tany navoaka voalohany teo ankilany ary ampina dolomie 1kg isandavaka raha tany mena no hovolena. Totofana hatreo amin’ ny 20sm ny lavaka ka ny tany navoaka voalohany nampifangarona tamin’ny zezika no alefa any ambany. Alaina ny hazo fisaka ary averina eo amin’ny toerana taloha ny tsatoka eo afovoany. Fotoana: amin’ny ankapobeany dia tsy azo atao ny fambolena raha toa ka mando na maina loatra ny tany. Amin’ny volana Oktobra no atao ny famindrana zanakazo. Hanilihana sy sokafana kely tokony ho 30sm eo afovoan’ny lavaka voatototra. Analana ny ¼ ny faka sy ny 2/3 ny ravina mba tsy havery ny rano be loatra. Atohoka eo amin’ny simaka afovoan’ny hazo fisaka ny taho (hatreo amin’ny vozon’ny girefy no faritra mitohoka ho an’ny hazo natao girefy, tandremana mba tsy ho tototra ny faritra nanaovana girefy). Hajoro tsara ny zanakazo ary tototfana tsikelikely (kendrena mba izay faritra nilentika tany anaty tany ihany no hilevina). Rehefa voatototra dia hitsakitsahina ny manodidina ny fototra. Esorina ny hazo fisaka ary ampiana tototra miendrika koveta eo amboniny. Asiana mololo na rako-maina manodidina ny fototra raha toa ka maina loatra ny andro. Tondrahana rano 1-2siny isam-pototra mba hampifandray tsara ny faka sy ny tany. Fikojakojana Asiana zezi-pahitra manaraka ny faribolalana voasoritry ny ravina eo amin’ny tany (1m andaniny sy ankilany). Totofana rako maina miala eo amin’ny foto-kazo mankany amin’ny zezika ka atao mihoatra kely ivelany faribolalana (amin’ny fotoana ny orana no hanaovana izany na avy kely 3 andro mialoha ny orana) 2.10. Fandratsanana Fandratsanana hanomezana bika. Safidina ny endrika omena ny hazo. Tazomina ny hazo ahazaoana vatan-kazo manana 0,5 -0,8m (fohifohy matanjaka ary azo hifaneraseran’ny rivotra tsara). Avela hitombo tsara aloha ny zanakazo aorian’ny namindrana azy. -5- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa Rehefa mahatratara 40-50sm dia tapahina ny tendrony ambonin’ny mason-kazo. Esorina ny rantsa ambany toerna sy ireo rantsana ankoatrany voafidy. Avela hitombo ny rantsana voafidy andrafitra ny tenan’ny hazo ka rehefa mahatratra 25sm dia tapahina indray. Amin’ny toerna manaraka dia tapahina 25sm miala amin’ny sampana ny rantsana tsirairay. Fandratsanana fanatsara ny voa sy ny fikolokoloina. Fanapahana nsy fanesorana ny taho ny rantsana maty, maina , simba, silaka na misy aretina. Fanesorana ny rantsana sy taho tsy ilaina toy ny kintsetsitra sy ireo taho ratsy fipetraka manelingelina ny hafa. Fandratsanana hanavaozana ny hazo. Rehefa antitra sy tsy mamokatra diry intsony ny hazo fihinamboa dia tapahina mba hisian’ny solofony vaovao handimby azy (amin’ny ririnina no hanaovana izany). 2.11. Fihavana sy fitrevoana: Fihavana in-droa isan-taona farafahakeliny mba hisoroana ny ahi-dratsy. Raha manao voly avotra eny anelanelany mialohan’ny fisian’ny vokatra dia tandrovina hadio tsara ny ao ambaniny. Amin’ny faritra be hamandoana: kapahina ny bozaka ary havaina ny manodidina Amin’ny faritra maina dia ilaina ny fitrevoana mba hitazonana ny hamandoan’ny tany. 2.12. Fanondrahana: Ilaina ny tondraka manomboka eo amin’ny fambolena ka hatramin’ny fahazoana faka tsara toy izany koa eo amin’ny famoniana hatramin’ny fiforonan’ny voa. Asiana rakotra mba hampiena ny rano very. 2.13. Fandonahana: Ankoatran’ny fitondrana zezika amin’ny fambolena azy dia ilaina ny manampy zezika amboniny mba hanonerana ny sakafo lany teo aloha (atao manodidina ny fotony) Rehefa matoy tsara ny voa dia atao ny fiotazana (rehefa mora endahina amin’ny taho ny tangozany). 3. FIOTAZANA: -6- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa Maraina alohan’ny amin’ny9 ora sy ny tolak’andro aorian’ny 4 ora no fiotazana. Rehefa miala ny vokatra dia angonina ny voa izay lo ka halevina 50sm amban’ny tany mba hisoroana ny fianakiny laliboankazo. Sokajiana araka ny habeany sy ny hatsarany ny voa. Hoanina haingana ny voa masaka loatra (sarotra tehirizina sy tanterina). 4. FITEHIRIZANA SY FANODINANA Hoanina avy hatrany atao ranom-boankazo. Atao konfitiora na paty Hamainina 5. Aretina sy fahavalo mamely : Aretina Fisehony Oïdium(lavenom-potsy na Misy lavenom-potsy toy ny kifotsin-dravina) lafarinina ao ambanin’ny ravina; ny amandona no tena mampiroborobo azy io Cloque (ketron-dravina) Rouille(arafesina) Cochenilles (pondy fotsy na varangam-bitsika) Fiarovana sy fitsabona Asa fikojakojana ara-dalàna Fandratsanana manarampenitra Fanafody simika misy sofra (karathane na Sofril) ady gasy: lavenona kitay 1 sotro lehibe alona anaty rano 1 litatra mandritry ny 1 alina+ronono (masisosiso no tsara )1 kaopy+rano 1na 2 litatra no afafy Mikainkona sy mia-matevina Esorina sy dorana ny ravina ny ravina ary manompy mena; marary ny amandona sy ny hafanana Atao ara-dalàna ny asa no tena mampiroborobo azy fikarakarana rehetra ady gasy: lavenona kitay 1 sotro lehibe alona anaty rano 1 litatra mandritry ny 1 alina+ronono (masisosiso no tsara )1 kaopy+rano 1na 2 litatra no afafy Misy tasy mitambongabongana Esorina sy dorana ny ravina eo ambon’ny ravina dia miamarary mavo ary mihintsana ny Mampiasa fanafody simika ravina; ny amandona sy ny fiarovana amin’ny olatra hafanana no tena madinika(dithane M45) mampiroborobo azy Bibikely misy fonony mitanboganbongana fotsifotsy Ady gasy:Lalorina paraky na sakay(atao masiaka tsara) mifangaro solitany sy savony gasy ny faritra misy biby -7- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006 Hazo fihinamboa Chenilles (olim-panjehy) sy anoano Mihinana ny ravina sy ny laingom-paiso Mouche des fruits Olitra kely fotsifotsy sady mafimafy hita ao anaty voankazo efa lo sy mihintsana Anthracnose(kimanja) Misy tasy fotsifotsy eo amin’ny ravina , sampana sy ny voa Mangidy ny voankazo ary lo Rakotra molaly mainty ny ravina vokatry ny famohanan’ny varangabintsika na pondy na ramerina ranoka manintona ny vitsika Fumagine (areti-molaly) Hala menakely (acariens) Hala mipetraka ao ambanin’ny ravina Tsy fahampiana Azota, Potasy, manesioma, Sokay Fisehony Mavo ny ravina Miadana ny fitombony Marefo ny zava-maniry Tsy misy tsiriny Bibikely Valalakely,voalavo varangabintsika na pondy (cochenille) Kakana bitika (nematodes) Fisehony Mihinana ny vokatra Mitsentsitra ny hazo ka mahatonga azy ho reraka Bokaboka ny faka Miadana ny fitombony Maina ny ravina Alana ny biby ary vonoina ady gasy: rano madio + sakay + ranon-tsavony (savony mitovy habe amin’ny ankihibe) Angonina ny voa efa lo ary alevina 50sm anaty tany Fanafody simika:Fenthion 100ml/hl na 10cc/10l Ampina attractif (fisintonana) ady gasy:ranon-kena no ampiasaina 2/3+ fanafody famonoana biby kely 1 sotro lehibe+ rano 1/3 Vonoina ireo bibikely mitondra aretina Diovina amin’ny fanafody miady amin’ny olatra ny faritra tratra DICOFOL 10cc/10l ady gasy : amanin’ombivavy atao anaty tavoahangy fotsy 1litatra, saromana tsara dia atapy andro mandritry ny 15 andro, avy eo + rano 2 litatra Fiarovana sy fitsaboana Mitondra zezi-pahitra sy dolomie Fiarovana sy fitsaboana Fametrahana fandrika Esorina ny simba ady gasy : petrole+sakay Esorina sy dorana ny simba Ady gasy :tanamasoandro(tagetes minuta) totoana dia alevina amin’ny toerana -8- Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006
© Copyright 2024 ExpyDoc