Voly foto tsakafo OVY 1- Karazana ovy famboly : • Ovy telo volana : meva , marevaka • Ovy 3 – 4 volana : Spunta ,pota ,diamondra ,maharevo • Ovy mahatanty fandazo : jengy ;diamondra ,miova ,ovimanga 2- Antoky ny fahombiazana : • Voly teo aloha tsy manimba ny nofon tany • Voly tsy mitovy fianakaviana aminy tao anatin'ny 5 taona (oh :voatabia , sakay ,baranjely …) • Mety tsara ny ovy raha atao voaloham boly 3- Ny tsy zakan'ny ovy : • Ny hafanana be loatra • Mari pana latsaky ny 4°C • Hamandoana diso tafahoatra 4- Fisafidianana ny tany : • Tsy miangon drano • Masaka tsara , lali nofo • Tany tsy mikisilasila be • Vodin tanety • Ialana ny tany ditra (tanimbary) • Voafehy ny rano 5- Fanomanana ny tany : • Asa tany :20 25sm • Fanapotehana ny tany(atao malemy tsara :15 18sm ny halaliny) • Soritra fambolena miaro ny riaka(manaraka ny soritra marin drano) Ovy an tanimbary : • Fanaovana ny toromboly (5 10m ny sakany) • Asiana tatatra ny manodidina ho an'ny fitatanan drano (25 – 30sm ny halaliny) 6- Fanomanana ny masomboly: • Fifantenana ny masomboly(salama tsara ,tsy maratra) • Masomboly matoy tsara( tsy mienda koditra) Habeany :28 – 35mm, fatra ilaina :15 16kg/ara 35 – 45mm ;fatra ilaina :28kg/ara 45 – 55mm ,fatra ilaina :30 – 35kg/ara 7- Fampitsimohana : • Amin'ny talatalana azon'ny hazavana (voahara amin'ny taratry ny masoandro mivantana) • Atontan'ny ovy tsy mihoatra ny 3 mifanaingina 1 Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra natao 05-06-07-08 Desambra 2006 Voly foto tsakafo • Esorina ny masomboly simba (fahaloavana …) • Mila fanaraha maso (bibikely ,…) Fanafainganana ny fampitsiriana : • Ny hafanana amin’ny ankapobeny dia manafaingana ny fitsiriana'ny ovy • Rakofana fasika na bozaka ary tondrahina matetika amin'ny rano mafanafana(53°C) 8- Fambolena : • Mety foana ny fambolena ovy rehefa misy ny hamandoana afa tsy amin'ny toerana be fanala • Famaritana soritra mielanelana 70sm • Fandaharana ny masomboly mielanelana 30sm • Famafazana ny zezi pahitra manaraka ny soritra • Fandrarahana ny zezika mineraly sy ny dolomite manaraka ny soritra • Fanotorana avy amin'ny tany an'elanelan'ny soritra (hahavony :5 – 8sm) 9- Fatran jezika : • Zezi pahitra :300 – 400kg/ara • Zezika mineraly (NPK 11 22 16) : 3kg/ara • Dolomita :2,5kg/ara (amin'ny tany masaka :PN<5,5) 10- Fikojakojana : • Fiavana : 15 20 andro aorian'ny fipoirany • Fitondrana Urée (1kg/ara)arahina famohofana rehefa mahatratra 20 – 25sm ny hahavon'ny ovy • Fanotofana fanindroany raha ilaina(10 – 15 andro aorian'ny voalohany) • Fampiasana fanafody famonoana bibikely (renibefangaraka ,olimpanjehy ,sakivy ,fano …) oh :Décis EC 25g/l na Sumicidin 10 EC 100g/l ; no ampiasaina 15 andro aorian'ny fipoiran'ny voly • Fiarovana amin'ny aretina (lagaly) • Fanafody :Dithane M45 80% :2,5kg/ha na Mancozèbe :2,5kg/ha • Raha misy fandezo dia ongotana ka dorana na alevina. 11- Vokatra 11.1- Fiomanana ny fiotazana : • Fanapahana ny tahon'ovy (10 – 15 andro alohan'ny fangadiana) mba hanamafy ny hoditra ovy , sy iarovana amin'ny aretina. 11.2- Fiotazana : • Amin'ny fotoana mainandro • Arovana ny ovy amin'ny tany sy ny vatokely • Avahana ny ovy madinika ,ny vaventy ary ny maratra ,ny marary 11.3- Fitehirizana • Avahana araka ny habeany sy ny filàna • Amin'ny toerana maina sy azon drivotra • Toerana maizina raha ovy hoanina. 2 Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra natao 05-06-07-08 Desambra 2006
© Copyright 2025 ExpyDoc