Fiompiana KISOA Toko -1- Karazany Misy karazany maro ny kisoa hita eto Madagasikara: kisoa zana-tany, kisoa vahiny, kisoa safiotra 1.1./ Toetoetra ara-pamokarana 1.1.1./ Kisoa zanatany • • • • • • • 1.1.2./ Kisoa vahiny • • • • • 1.1.3./ Matanty aretina sy toetany Tsy mifidy sakafo Mahandry mihafy Tsy mila fitsaboana loatra Ela fitombo Tsy maro anaka Mahalana miteraka Sarotiny eo amin’ny ara-pahasalamana Mila sakafo feno Lehibe ny vatany Miteraka indroa isan-taona Haingam-pitombo Kisoa safiotra • • • Kisoa zanatany x kisoa vahiny Mora karakaraina kokoa noho ny kisoa vahiny na ny arapahasalamana na ara-tsakafo Mila fifehezana tsaratsara kokoa raha ny ara-teknika no jerena mitaha amin’ny kisoa zanatany 1.2./ Fifantenana ny karaza-kisoa hakana taranaka • Raha ny tsara dia ireo kisoa haingam-pitombo ompiana, miankina amin’ny ho enti-manana anefa ny safidy hatao (sakafo, trano, vola sns ...) 1.3./ Fitandrema-pahasalamana • • • • Fiarovana: fanaovana vakisiny fanefitra ara-potoana Fikarakarana ny fahasalamana amin’ny lafiny rehetra (fahadiovana, famonoana kantsetsitra anatiny sy ivelany sns…) Tsy azon'olo-kafa na fiara hafa ivezivezena ny toerampiompiana Tsy azo iompiana biby hafa Toko -2-Ny sakafo 2.1./ Ny filàna rano: • • • • • • Rano madio hatrany no omena ny kisoa ka toy izao ny fatrany isan’andro farafahakeliny: Zanakisoa2-4 volana : 2-6l Kisoa hatavezina : 4 l Renikisoa bevohoka : 15 – 20 litatra Lahikisoa : 15 litatra Mampinono : 15 – 35 litatra -1Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony natao ny 29-30 jona 01 jolay 2005 Fiompiana • • 2.2./ Ny Hery: • • • 2.3./ Ny Praotida • • 2.4./ Ny Mineraly: • • • 2.5./ Ny vitaminina • • • • • • Fadina ny manome ranon-dolana- sisa-tsakafo avy any andakozy- abattoir- hotely -sambo- sns… Tsarovy fa ny 70% ny fandaniana dia lany amin'ny sakafo avokoa Manome hafanana ny vatan’ny biby ka ahafahany mihetsiketsika (taova, vatana), mampitombo ny vatany Ilaina amin’ny famokarana rehatra (hena, ronono ho an’ny zanany) Ireo dia hita amin’ireto akora ireto: kajaha, ampombo, katsaka, sns… Ilaina amin’ny fitomboan’ny nofo (hena), famokarana ronono ho an’ny zanany Ireo dia hita amin’ireto akora ireto: soja, faikam-boanjo, vovo-trondro, ra-kena sns… Ilaina amin’ny fandrafetana ny taolana, sy famokarana ronono ho an’ny zanany. Ny tsy fahampiany dia mitarika fikorontanana eo amin’ny fitomboany. Ireo dia hita amin’ireto akora ireto: vovo-taolana, akorandriaka, sokay, sira, sns… Ny vitaminina dia misy karazany maro fa ny tena ilaina dia ireto tanisaina eto ambany ireto. Vitamina A: ilaina amin’ny fitomboana Vitamina D: ilaina amin’ny firafitry ny taolana Vitamina E: ilaina amin’ny fananahana Marihina fa ny ankamaroany dia azo avy amin’ny ahimaintso Noho izany raha hiompy kisoa, dia tsara raha mamboly vilona ihany koa. 2.6./ Ny fomba famahana kisoa • 2.6.1./ Fatra tsy voafetra • • 2.6.2./ Sakafo omena amin’ny fatra tsy ara-dalàna izay vitaina amin’ny vokatry ny fambolena fotsiny (fomba mahazatra taloha). Natao ho an’ireo kisoa vitsy an’isa io fomba io, ohatra kisoa 1 na 2. Sakafo fototra ampiana sakafo fameno. • 2.6.3./ Misy karazany telo ny fomba famahanana kisoa.: Io dia sakafo vokatry ny fambolena (mangahazo, vomanga, katsaka, saonjo, sns…), saingy kosa ampiana sakafo fameno toy ny faikam-boanjo, soja, trondro maina, vovo-taolana, sira, sns… Sakafo feno na praovandy: • Io dia sakafo nafangaro indray miaraka avy amin’ny sakafo fototra sy fameno, rehefa samy avy nototoina natao vovoka. -2Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony natao ny 29-30 jona 01 jolay 2005 Fiompiana • • Azo vidiana any amin’ireo mpivarotra ireo akora ireo, nefa ny tena tsara dia ny hamokaran’ilay mpiompy eo an-toerana. Marihina fa ny fatra sy ny sokajin-tsakafo omena ny kisoa dia miankina amin’ny sokaji-taonan’ilay biby sy ny vokatra takiana. Toko -3-Ny Trano 3.1./ Antony hanovana trano ho an’ny kisoa • • • • 3.2./ Fepetra • • • • • • • • 3.2.1./ Mafy orina Toerana maina: talaky masoandro Tsy manetra-rivotra, nefa tsy mihibokiboka Tsy mamofona mankany amin’ny toeram-ponenana Tsy lafo masonkarena fa atao amin’ireo zava-misy eo antoerana Misolampy 1 à 2% makany ivelany Akaiky rano raha azo atao mba hahamora ny fampisotroandrano sy ny fanadiovana Mifanaraka amin’ny filàn’ny biby ny habeny (isany, taonany, sns…) Ireo faritra ao amin’ny tranonkisoa • • • • • (a) zone 1 Zone 2 (m) (a) zone 1 Zone 2 (m) 2.5m Mba ahazoana vokatra tsara dia tsy maintsy atao ny Fitandrema-pahasalamana (fiparitahan’aretina) Fanamorana ny asa atao: fitsaboana, famahanana, fanadiovana sns… Fiarovana amin’ny mpangalatra sy ny mety fanimbanjavatra vokatry ny firenirenin’ny biby 3m Zone 1: tokotany tsy mitafo Zone 2: trano mitafo Zone 3 : lalatsara mitafo Fisotroan-drano (m) Fihinanana Zone 3 Zone 3 1m -3Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony natao ny 29-30 jona 01 jolay 2005 Fiompiana 3.3./ Ny toetoetry ny tranokisoa amin’ny ankapobeny 3.3.1./ Ny refy ilaina raha hanorina trano- kisoa • • • • • • • • 3.3.2./ Reniny mampinono : Tokotany 9m² Trano: 6 m² fefy fiarovana ny zanany 20sm x 20sm Kisoa hatavezina: 0,75m² isaky ny kisoa Lahikisoa 1,5m² isaky ny kisoa Reniny bevohoka: 3 –4m² isaky ny kisoa Ny haavony amin’ny ankapobeny dia 0,9 – 1m eo ho eo Fitaovana hafa ilaina • • • • • • • • • • Fihinanana: misy refiny daholo ny fihinanana arakaraky ny taonan’ilay biby Kisoakely 1 latsaky ny 3 volana: L:20sm, l:20sm, h: 10sm Kisoa 3-5 volana: L:25sm, l:20sm, h: 10sm Kisoa mihoatra 5 volana: L:30sm, l:20sm, h: 10sm Fisotroan-drano, tsara raha tokony ho lehibe noho ny fatra ilain’ilay biby ny tavy fisotroan-drano Misy koa ireo fitaovana madinidinika tokony hilaina toy ny: Fitaovana fandrarahana fanafody Fitaovana famarana sy fandanjana sakafo Angady, borety, siny fitateran-drano, sobika sns… Lava-jezika ampifandraisina amin’ny alàlan’ny tatatra avy ao amin’ny valakisoa Toko -4-Fitandremam-pahasalamana • • • • • • • Na dia tomombana daholo aza ireo rehetra ireo dia aza hadino ny manantanteraka ny vakisiny fanefitra ara-potoana toy ny: Vakisiny fanefitry ny Pesta -" Ramjivax" Fanefitry ny Ramoletaka – " Sovax Teschen" Fanefitry ny Empona – " Pneumoporc" Mila tsindrona "FER " ny zanakisoa 4 ka 5 andro Aza hadino koa anefa ny fotoana fanalana ny kankana sy ny hao ary ireo bibikely mety hanelingelina ny kisoa toy ny lalitra sy ny moka ary ny voalavo Tsara koa anefa raha rarahana fanafody famonoana otrik’aretina ny tranokisoa aorian’ny fiompiana na alohan’ny hampidirana kisoa vaovao. -4Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony natao ny 29-30 jona 01 jolay 2005
© Copyright 2024 ExpyDoc