“Aza Matahotra, fa Momba Anao Aho”

Nilaza izy fa hoe fantany fa tsy maintsy [ho avy] izy ireo.
“Nandeha ny fotoana ary tsy tonga
ilay naman’i Joshua, kanefa tsy nilavo
lefona izy. Mbola nandeha nijery
matetitetika tamim-­pahatokiana teny
am-­bavahady izy. Raha efa tonga ny
fotoana hanombohana ny fampiriman’entana dia indro i Joshua nanomboka nitsambikimbikina sy nilaza
hoe: ‘Ireny izy ireny! Ireny izy ireny!’
Nitraka aho ary nahita fianakaviana
iray manontolo nanatona ny fiangonana. Nihazakazaka nivoaka i Joshua
hiarahaba azy ireo ary hamihina ilay
namany. Niditra daholo izy ireo ary
toa tena nankafy ilay varavarana misokatra. Naka bokikely vitsivitsy izy ireo
ary nandany fotoana betsaka nifankafantarana tamin’ny namana vaovao
sasantsasany. Nahafinaritra ny nahita
ny finoan’ity ankizilahy kely ity sy ny
nahafantatra fa afaka ny ho misiônera
koa ny ankizy ao amin’ny Kilonga.” 11
Mijoro ho vavolombelona aho fa
rehefa miara-­miasa isika ka mitady ilay
iray, sy manasa ary manohy mandray
andraikitra amim-­pahatokiana sy
amim-­pinoana, dia hitsiky amintsika ny
Tompo ary zanak’Andriamanitra an’hetsiny no hahita ny anton’ny fiainana
sy fiadanana ao amin’ny Fiangonan’i
Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny
Andro Farany. Enga anie ny Tompo hitahy antsika rehetra ao amin’ny ezaka
ataontsika mba hanafainganana ny asa
famonjena. Izany no vavaka ataoko
amim-­panentren-­tena amin’ny anaran’i
Jesoa Kristy, amena. ◼
FANAMARIHANA
1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
115:4.
2. Torio ny Filazantsarako: Torolalana
ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera
(2004), 200.
3. Torio ny Filazantsarako, 1.
4. Asan’ny Apôstôly 3:1–8; nampiana
fanamafisana.
5. Thomas S. Monson, “Tonga Soa eto amin’ny
Fihaonambe,” Liahona, Nôv. 2013, 4.
6. Matio 9:37–38.
7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1:20.
8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
88:81.
9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
62:3.
10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
84:61.
11. Taratasy ho an’ny tena manokana,
10 Martsa 2014.
Nataon’i Jean A. Stevens
Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny
Fiadidian’ny Kilonga Maneran-­tany
“Aza Matahotra, fa
Momba Anao Aho”
Rehefa mampitombo ny finoantsika sy ny fitokiantsika
ny Tompo isika dia afaka mahazo ny heriny mba hitahy
sy hanafaka antsika.
V
itsy ny fahatsapana azo ampitahaina amin’ny fahatsapana
mamy amin’ny fahatongavana
ho ray na reny. Tsy misy zavatra mamy
kokoa noho ny fahazoana zazakely
sarobidy nalefa mivantana avy any
an-­danitra. Niaina izany tamin’ny
fiontanam-­po lalina ny iray tamin’ireo
anadahiko. Teraka tsy tonga volana
ny zanany lahy kely voalohany ary
tsy nilanja afa-­tsy 1,3 kg. Tao amin’ny
sampana mirakarakara zaza vao
teraka mila fikarakarana mafy dia
mafy tao amin’ny hopitaly no nisy
an’i Hunter nandritra ny roa volana
voalohany niainany. Fotoana nampisy
fiontanam-­po ho an’ny rehetra tao
amin’ny fianakaviana ireo volana ireo
satria nanantena sy nangataka fanampiana tamin’ny Tompo izahay.
Nila fanampiana lehibe i Hunter
kely. Nitolona mafy izy mba hahazo
ny hery ilaina mba ho velona. Matetika no nandray ny tanana kelin’ny
zanany lahy ny tanana matanjak’ilay
ray be fitiavana mba hampahery ilay
zanany kely osa dia osa.
Dia toy izany ny zava-­miseho ho
an’ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Manolo-­tanana antsika tsirairay ny
Raintsika any an-­danitra, amin’ny
fitiavana tsy manam-­petra. Manana
fahefana amin’ny zavatra rehetra
Izy ary maniry ny hanampy antsika hianatra, hivoatra ary hiverina
any Aminy. Izany dia mamaritra ny
tanjon’ny Raintsika dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny
fiainana mandrakizain’ny olona.” 1
Rehefa mampitombo bebe kokoa
ny finoantsika sy ny fitokiantsika ny
Tompo isika dia afaka mahazo ny heriny mba hitahy sy hanafaka antsika.
Ny Bokin’i Môrmôna dia mandrafitra ny endrik’io foto-­kevitra mahafinaritra momba ny herin’ny Tompo
hanafahana ireo zanany io ao anatin’ireo pejy ao aminy. Nanome fampidirana mikasika izany i Nefia ao amin’ny
toko voalohany amin’ilay boky. Mivaky toy izao ny ao amin’ny andininy
20: “Izaho Nefia dia haneho aminareo
fa ny halehiben’ ny famindram-­pon’
ny Tompo dia amin’ ireo rehetra izay
efa nofinidiny, noho ny finoany, ka
mampahery azy na dia hatrany amin’
ny herin’ ny fanafahana aza.” 2
Taona maro lasa izay dia nanjary takatro avy tamin’ny traikefa manokana
ireo fahamarinana voalaza ao amin’io
Mey 2014
81
andininy io. Fantatro hoe hatraiza no
maha tena akaiky ny Raintsika any
an-­danitra ary ohatry ny ahoana izany
faniriany hanampy antsika izany.
Indray hariva izay rehefa nanakaiky ny alina raha nandeha fiara iny
izaho sy ireo zanako dia nahatsikaritra
zazalahy kely iray aho izay nandeha
an-­tongotra irery teny amin’ny lalana
iray mangingina. Rehefa avy nandalo
nihoatra azy izahay dia nanana fahatsapana mazava tsara aho fa tokony
hiverina ka hanampy azy. Saingy
niahiahy aho sao dia hampatahotra
azy ny fisian’ny olon-­tsy fantatra iray
mijanona amin’ny fiara eo akaikiny
amin’ny alina, ka dia notohizako ny
diako. Niverina indray ilay fahatsapana
mahery vaika niaraka tamin’ny teny
tao an-­tsaiko nanao hoe: “Mandehana
manampy an’iny zazalahy iny!”
Nampitodi-­doha ny fiara hiverina
teo aminy aho dia nanontany hoe “Mila
fanampiana ve ianao? Nanana fahatsapana aho fa tokony hanampy anao.”
Nitodika tany aminay izy ary nilaza
taminay niaraka tamin’ny ranomaso
nijohy teo amin’ny takolany hoe “Hanampy ahy ve ianao? Nivavaka foana
aho mba hisy olona hanampy ahy.”
Novaliana tamin’ilay fitaomam-­
panahy tonga tao amiko ny vavaka
nataony mba hahazo fanampiana. Nametraka marika tsy hay hadinoana izay
mbola voarakitra ato am-­poko izany
traikefa izay nandraisako fitarihana
mazava avy tamin’ny Fanahy izany.
Ankehitriny afaka 25 taona, ary
tamin’ny alalan’ny famindram-­po
lehibe, dia izay indray aho vao nifandray tamin’io zazalahy io vao volana
vitsivitsy izay. Fantatro tamin’izany fa
tsy tantarako irery ilay zavatra niainana—fa tantarany ihany koa. Raim-­
pianakaviana manana ny tokantranony
i Deric Nance amin’izao fotoana izao.
Izy ihany koa dia tsy nanadino mihitsy
ity zavatra niainana ity. Nanampy anay
izany hanorina fototra ara-­pinoana hoe
maheno sy mamaly vavaka Andriamanitra. Samy nampiasa izany izahay
hampianarana ny zanakay hoe miahy
antsika ny Tompo. Tsy irery isika.
Tamin’io alina io dia nijanona mba
hanao atrik’asa iray taorian’ny firavana tany an-­tsekoly i Deric ka tsy
82
Liahona
nahatratra intsony ny fiara fitaterana
farany. Noho izy mbola zatovolahy
kely dia natoky tena izy fa afaka ny ho
tody tany an-­trano, ka noho izany dia
nanomboka nandeha an-­tongotra.
Adiny iray sy sasany no lasa rehefa
nandeha teo amin’ilay lalana mangina
izy. Noho izy mbola tany amin’ny kilaometatra maro niala ny tranony sady
tsy nahita trano na dia iray aza dia natahotra izy. Rehefa tao anatin’ny hakiviana izy dia nandeha tao ambadiky ny
vangongom-­batokely iray, nandohalika
ary nangataka fanampiana tamin’ny
Ray any an-­danitra. Minitra vitsy taorian’ny niverenan’i Deric teo amin’ny
arabe no nijanonako nanome azy ilay
fanampiana izay efa nivavahany.
Ankehitriny taona maro taty
aorian’izay dia mahatsiaro i Deric
hoe: “Nahatsiaro ahy ny Tompo,
izaho ilay zazalahy nahia kely sy tsy
ampy fiomanana. Ary na dia eo aza
ny zavatra hafa rehetra mitranga eto
amin’izao tontolo izao dia fantany ny
toe-­javatra niainako ary tiany tokoa
aho ka nandefasany fanampiana.
Imbetsaka ny Tompo no namaly ny
vavaka nataoko taorian’ny nandehanako tamin’io lalana mangina io. Tsy
hoe eo no ho eo sy mazava foana
tahaka ny tamin’iny ny valim-­bavaka
omeny saingy hita mazava tsy misy
hafa tamin’ilay tamin’io alina mangina io ny fiahiany ahy ankehitriny.
Isaky ny vesaran’ireo ahiahy maro
eo amin’ny fiainana ny tontoloko dia
fantatro fa manana drafitra lalandava
Izy hahatongavako soa aman-­tsara
indray any an-­trano.”
Araka ny voalazan’i Deric dia tsy
mivaly haingana avokoa ny vavaka
rehetra. Kanefa tena mahafantatra
antsika tokoa ny Raintsika any an-­
danitra ary mahare ny fitalahoan’ny
fontsika. Tanterahany tsirairay isaky
ny vavaka sy isaky ny olona ny fahagagana avy Aminy.
Afaka matoky isika fa hanampy
antsika Izy, tsy voatery hoe amin’ny
fomba tiantsika fa amin’ny fomba izay
hanampy indrindra antsika hivoatra.
Mety ho sarotra ny mampifanaraka
ny sitrapontsika amin’ny Azy, saingy
ilaina ny ho tonga toa Azy sy ny mitady ilay fiadanana atolony antsika.
Mety hanana fahatsapana tahaka
izay nofaritan’i C. S. Lewis isika hoe:
“Mivavaka aho satria tsy tafavoaka
samirery. . . . Mivavaka aho satria
mahatsapa lalandava fa ilaiko izany, na
mifoha na matory. Tsy manova an’Andriamanitra izany. Fa manova ahy.” 3
Maro ireo tantara ao amin’ny soratra masina mikasika ireo izay nametraka ny fitokiany tamin’ny Tompo ka
dia nampiany na nafahany. Eritrereto i
Davida tovolahy, izay avotra tamin’ny
fahafatesana teo am-­pelatanan’ilay
Goliata matanjaka tamin’ny alalan’ny
fianteherany tamin’ny Tompo. Eritrereto i Nefia, izay ny fitalahoany
tamin’Andriamanitra tamim-­pinoana
no nitondra fanafahana ho azy teo
anatrehan’ireo rahalahiny izay nikasa
ny hanafaka ny ainy. Tadidio i Joseph
Smith kely, izay nikatsaka ny fanampian’ny Tompo tamin’ny alalan’ny
vavaka. Nafahana teo anatrehan’ny
herin’ny haizina izy ary nandray
valim-­bavaka mahagaga. Ny tsirairay
tamin’izy ireo dia niatrika olana azo
tsapai-­tanana sy sarotra. Samy naneho
finoana izy tsirairay ary nametraka
ny fitokisany tamin’ny Tompo. Samy
nahazo fanampiany. Ary amin’izao
androntsika izao dia mbola miseho eo
amin’ny fiainan’ireo zanany ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany.
Hitako vao haingana izany teo
amin’ny fiainan’ireo Olomasina
vontom-­pinoana any Zimbabwe sy
Botswana. Nandritra ny fivoriana
fifadian-­kanina sy fijoroana ho vavolombelona tao amin’ny sampana
kely iray dia nampanetry tena ahy sy
nanentana ny fanahiko ny fijoroana ho
vavolombelona nozarain’ireo ankizy
madinika sy zatovo maro, ary toy izany
koa ny an’ny olon-­dehibe. Samy nanambara tamin’ny fomba mahery vaika
ny finoany an’i Jesoa Kristy Tompo
izy ireo. Ao anatin’ireo olana sy toe-­
java-­tsarotra manodidina azy ireo dia
miaina isan’andro amin’ny alalan’ny
fametrahany ny fitokiany amin’Andriamanitra izy ireo. Manaiky ny fiasan’ny
tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainany
izy ireo ary matetika maneho izany
tamin’ilay andian-­teny hoe “Tena feno
fankasitrahana an’Andriamanitra aho.”
Taona vitsy lasa izay dia nampiseho
tamin’ny alalan’ny ohatra tamin’ireo
mpikambana tao amin’ny paroasinay
izany fahatokiana ny Tompo izany ny
fianakaviana mahatoky iray. Niaina
fiainana sambatra niaraka i Arn sy
Venita Gatrell kanjo nahitana homamiadana mahery vaika tao amin’i
Arn. Nampalahelo ny vinavina avy
amin’ny mpitsabo—herinandro vitsy
sisa no hiainany. Te hiaraka farany ilay
fianakaviana. Noho izany dia nifamory
ireo zanany, ny sasany dia avy lavitra.
Tsy nanana afa-­tsy 48 ora sisa izy ireo
mba hiarahana, izay sarobidy tokoa.
Nisafidy tsara ny zavatra tena nanan-­
danja ho azy ireo ny fianakaviana
Gatrell—fakana sary ny fianakaviana,
fiarahan’ny fianakaviana misakafo ary
fotoam-­bavaka tao amin’ny Tempolin’i
Salt Lake. Hoy i Venita hoe “Rehefa nivoaka ny varavaran’ny tempoly izahay
dia izay no fotoana farany niarahanay
teto amin’ity fiainana ity.”
Saingy nony nivoaka avy tao izy
ireo dia nahazo antoka fa mbola
betsaka lavitra tokoa mihoatra noho
ity fiainana ity ny zavatra natao ho
azy ireo. Noho ireo fanekempihavanana masina tao amin’ny tempoly dia
manam-­panantenana amin’ny fampanantenan’Andriamanitra izy ireo. Afaka
ny hiaraka mandrakizay izy ireo.
Feno fitahiana maro tsy ho voatanisa ireo volana roa taorian’izay.
Nitombo ny finoan’i Arn sy Venita sy
ny fahatokiany an’ny Tompo, araka ny
hita tao amin’ny tenin’i Venita manao
hoe: “Nampiana aho. Nianatra aho fa
afaka mahatsapa fiadanana ianao ao
anatin’ny fijaliana. Fantatro fa niahy
anay ny Tompo. Rehefa mahatoky
ny Tompo ianao dia afaka mandresy
marina na inona na inona olana eo
amin’ny fiainana.”
Hoy ny iray tamin’ireo zanany
vavy hoe: “Nandinika ireo ray aman-­
dreninay izahay dia nahita ny ohatra
nasehony. Hitanay ny finoan’izy ireo
sy ny fomba nikolokoloany izany. Tsy
ho nangataka ity fitsapana ity mihitsy
aho, saingy tsy hamoy izany velively
ho an’olon-­kafa. Feno ny fitiavan’Andriamanitra manodidina anay”
Mazava ho azy fa tsy ny fahafatesan’i Arn no vokatra nantenain’ny
fianakaviana Gatrell. Kanefa tsy olana
ara-­pinoana no olan’izy ireo. Tsy
hoe lisitra fanaraha-­maso ny zavatra
tokony hatao ny filazantsaran’i Jesoa
Kristy fa mitoetra ao am-­pontsika
izany. “Tsy enta-­mavesatra ny filazantsara fa manamaivana ny eta-­
mavesatra eo amintsika” 4. Manampy
antsika hahazaka ny fitsapana izany.
Nanampy ny fianakaviana Gatrell
izany. Nahatsapa fiadanana teo
anivon’ny fitsapana izy ireo. Nifanohana mafy izy ireo ary nifikitra mafy
tamin’ny fanekempihavanan’ny tempoly izay nataony sy notandremany.
Nitombo ny fahafahan’izy ireo nitoky
tamin’ny Tompo ary nanamafy orina
azy ireo ny finoany an’i Jesoa Kristy
sy ny heriny manavotra.
Rehefa mby eo amin’ny lalan’ny
maha-­mpianatra isika, na inona
na inona mety ho ahiahy sy olana
ananantsika, dia tsy irery isika. Tsy
hadino ianao. Tahaka an’i Deric, sy
ireo Olomasina any Afrika, ary ny
fianakaviana Gatrell dia afaka misafidy
ny hangataka ny fanampian’Andriamanitra amim-­pinoana koa isika. Afaka
miatrika ireo zava-­tsarotra mianjady
amintsika amin’ny alalan’ny vavaka sy
ny fahatokiana ny Tompo isika. Ary
lasa tahaka Azy kokoa isika ao anatin’izany dingana izany.
Ny Tompo dia nilaza, raha niresaka
tamintsika tsirairay, hoe: “Aza matahotra; . . . momba anao Aho; ary aza
miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho
sady mamonjy anao; . . . Mitantana
anao amin’ny tanana ankavanan’ny
fahamarinako Aho.” 5
Mizara ny fijoroana ho vavolombelona kely ananako nefa azoko antoka
aho fa Andriamanitra Raintsika dia mahafantatra antsika tsirairay sy manolo-­
tanana hanampy antsika. Amin’ny
alalan’i Jesoa Kristy Zanany Lahy
Malalany ihany no hahafahantsika
mandresy ireo fanambin’izao tontolo
izao sy hahazoantsika fanafahana mba
ho tody soa aman-­tsara any Aminy.
Enga anie isika ka hino sy hatoky
Azy, izany no vavaka ataoko amin’ny
anaran’i Jesoa Kristy, amena. ◼
FANAMARIHANA
1. Mosesy 1:39.
2. 1 Nefia 1:20.
3. Teny nolazain’ilay hoe C. S. Lewis araka ny
voatantara ao amin’ny William Nicholson,
Shadowlands (1989), 103.
4. Harry Emerson Fosdick, Twelve Tests of
Character (1923), 88.
5. Isaia 41:10.
Mey 2014
83