JANOARY - llbmgfrance

Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly
MADAGASIKARA
solika
Tél. 22 288 41 - 24 809 92
Mailaka : [email protected]
JANOARY
Takelaka mivoaka isan-telovolana ampahafantarana
ny fizotran’ny asan’ny FMMB Madagasikara
2
0
1
4
TENY FANOLORANA
NY FANANANA SY NY VOLA AMAN-KARENA
« Hoy ny tompony taminy : tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely
ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao » (Matio 25. 21)
Zavatra vitsivitsy no ilaintsika ho tsarovana eo amin’izao fiainana misy antsika izao :
• Tsy tompon’ny fananana aho tsy akory : an’Andriamanitra ny vola aman-karena (Hagay 2. 8) ;
nomeny andraikitra mazava aho, dia ny hitandrina izany.
• Hisy ny fotoana hamoahako eo amin’Andriamanitra, ny amin’izay fomba nitantanako ny
fananany : nohazoniko ho ahy samirery ve sa nentiko nanampy ny hafa, ary nampandroso ny
asan’izy Tompo ?
• Fifaliana lehibe ho an’Andriamanitra ny manana mpitandrin-draharaha mahatoky.
• Hampitomboin’Andriamanitra ny fananana sy ny fahaiza-manaoko, rehefa mahatoky aho.
Isaorantsika ny Tompo ny amin’ireo asa lavorary nandritra iny telovolana faran’ny taona 2013 iny.
Anisan’izany :
- ny fanavaozana ny fifanekem- piaraha-miasa eo amin’ny “Service d’entr’aide et de liaison” (SEL),
izay nosoloin-dRtoa Véronique Lavoué (Frantsa) sy Eric Mayer (Belgique) tena sy ny FMMB.
-Fihaonana tamin’ny Mpitondra fivavahana rehetra tao Antsiranana, nandritra ny Fitsidihan’ny Tale
mivady (9-18 Okt); azo tsapain-tanana ny vokatry ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin’ny FMMB
sy ny Fiangonana FJKM Antseranana Fahazavàna.
- Nandritra ny “Conseil régional” tany Nairobi (27-30 Okt), no nanavaozana ny Mpitarika eto
anivon’ny Oseana Indiana : Atoa Stellio Souci avy ao Maorisy no Filoha ary Atoa Mamy Rakotolehibe
no Talen’ny “Sous-Region Océan Indien”. Nisy ihany koa ny fihaonan’ireo FMMB miteny Frantsay
(30 okt-02 Nov), izay mitondra ny anaram-pientanana hoe “Dynamique francophone”. Ny tanjona
dia ny hijery izay ahafahana mifanampy misimisy kokoa ; manomboka amin’ny fampivelarana ny
serasera izany.
Andeha hiara-mivavaka isika, mba hahazoan’ny FMMB toerana malalaka afovoan-tanàna eto andrenivohitra, ahafahana mampivelatra ny fanofanana noho ireo olona mangetaheta ara-panahy izay
miha-mitombo hatrany, na eo amin’ny sehatry ny ankizy sy ny tanora na eo amin’ny lehibe.
Mba homen’ny Tompo koa anie ny ho enti-manana hahatanteraka izany !...
Mamy Rakotolehibe
Talen’ny FMMB
Atoa Rakotolehibe Mamy Tale Nationaly, miaraka amin’i
Rtoa Janet Morgan (sisiny havia), Tale FMMB iraisam-pirenena sy
Rtoa Monika Kuschmierz, Tale FMMB Eoropa
ary Atoa Emmanuel Mbikay FMMB (Republique Démocratique du Congo),
nandritra ny fihaonana tany Nairobi ny Oktobra 2013
OKTOBRA
VOLAN’NY FITORIANA NY
FILAZANTSARA
Napetraka tao amin’ny Programanasan’ny taona 2013 teo fa ny volana
Oktobra dia volan’ny Fitoriana Filazantsara
manerana ny Nosy, ankoatr’izay Tafika
Masina fanaon’ny sampana samihafa
mandritry ny fotoam-pialan-tsasatra sy ny
fotoana hafa ihany koa.
Tamin’ny alalan’ny «Herinandron’ny
Filazantsara» no nanatontosana izany.
Fomba fanatanterahana azy : Mifidy
fiangonana iray mpiara-miasa dia miantso
ny olona isaky ny hariva amin’ny 6 ora
ka hatramin’ny 8 alina. Miompana aminà
lohahevitra ny toriteny atao amin’izany.
Ahitam-bokatra tokoa ny asa toy izany
satria ny toriteny dia arahina antso
mandrakariva ary dia maro ireo manohina
ny antso manolotena ho an’ny Tompo ao
anatin’izany.
Manamafy orina ny fiarahamiasantsika
amin’ny fiangonana tokoa izany hetsika
izany satria fanomezan-tànana azy ireo
ny amin’izay antsoiny hoe «Tafika Masina
anatiny». Tsy ferana ho olona avy ao
amin’ny fiangonana mpiara-miasa ihany
anefa ny mpanatrika fa hanasàna ny olon-
drehetra. Anterina ao anatin’ny fotoana
ny amin’ny Mpiara-Mamaky sy ny antompisiany ary ny fomba fiasany.
Ny FMMB Imerintsiatosika no isan’ny
sambany nikarakara ny «Herinandron’ny
Filazantsara» tamin’iny taona iny ary
nitondra aina sy fivelarana ho an’ny asa
izany asa fitoriana natao izany.
LASY SAMIHAFA
Tanora
Maro tamin’ireo departemanta eto
Analamanga no nanatontosa lasy ihany
koa tamin’iny fotoana iny; Tao anatin’izany
koa «NY AKO»
Ny tanjona ho azy ireny tamin’izany
moa dia ny hanofana sy hampahery ny
mpikambana ao aminy mba hiorina bebe
kokoa ao amin’ny Tompo ary hivelatra
Tanora B handeha hilasy
amin’ny toetra maha-kristiana ary hahomby
kokoa amin’ny fanompoana hanolorany
tena na eto anivon’ny fikambanana sy any
amin’ny fiangonana misy azy ireo avy.
Fianakaviana
Nanao lasy ho an’ny fianakaviana tany
Moramanga ny departemanta fianakaviana avy eto Analamanga ny 1-2-3
Novambra 2013.
Ny mpandrindra nasionalin’ny Ministera
eo anivon’ny mpivady sy ny ankohonana,
Atoa RAKOTONDRAMBOA Jean mivady,
izay sady talen’ny vondrom-paritra
afovoany no niandraikitra ny fanofanana
tamin’izany lasy izany.
Fanao isan-taona io lasy io ary misy foana
ankohonana vaovao manatrika ireny
fotoana ireny. Ny vavaka atao moa dia ny
hamoazan’ny voa izay nafafy tao amin’ireo
olona nanatrika ka hitondra fivoarana ho
araka ny endriky ny planin’Andriamanitra
eo anivon’ny fianakavian’izy ireo.
HERINANDRON’NY FMMB
Herinandrom-bavaka iarahana amin’ny
FMMB manerantany ny herinandron’ny
3-10 novambra 2014.
Tamin’ity taona ity dia nentanina ny
rehetra mba hisy vavaka misandratra
24ora/24ora nandritra io herinandro io Izay rahateo moa no tena antom-pisian’io
herinandron’ny FMMB io raha ny manerantany no lazaina. Nomena anjara ora ny
firenena tsirairay avy tao anatin’izany
ary dia anjaran’ny isaky ny firenena no
nandamina mba hisian’ny vavaka tsy
tapaka ao anatin’ny fetr’ora izay anjarany.
Faka-tahaka ny fanao tahaka izany ary
heverina hanentanana ny FMMB any
amin’ny faritra rehetra koa, indrindra ao
anatin’izao vanimpotoana fanarenana tsy
maintsy atrehin’ny firenena izao sy eo
anatrehan’ny fanamby goavana mipetraka
eo anoloan’ny fikambanana ihany koa ;
Mila manamafy lohalika isika.
Ho an’ny teto Antananarivo manokana dia
fampianarana isaky ny atoandro no natao
ary niompana tamin’ny lohahevitra hoe :
«Ireo mpanompon’Andriamanitra ao
amin’ny Baiboly sy ny fampihavanana».
Samy nandray anjara fampianarana ny
solontena avy amin’ny isa-tsampana ka
nomena
mpanompon’Andriamanitra
avy ao amin’ny Baiboly iray avy mba ho
voaboasana izy ireo dia samy nizara izay
voarainy.
Tsy natao ho an’ireo efa mpikambana ao
amin’ny FMMB ihany akory ny fotoana
toy ireny fa hanasàna izay mpanompon’
Andriamanitra maniry hitombo amin’ny
fahalalana ny tenin’Andriamanitra ka
hitombo amin’ny finoana.
Fanamby napetrak’ireo mpiandraikitra
eto Analamanga moa ny hampisy fotoana
toy izany isaky ny roa volana antsoina hoe
SEKOLIN’NY BAIBOLY.
VIDE-GRENIER
Hetsika karakarain’ny foibe izy mba ho
fampidiram-bola hanohanana ny asan’ny
fikambanana. Nentanina ny rehetra
mba hanolotra zavatra (akanjo, kiraro,
kojakojan-dakozia, kilalao, sns...) izay efa
tsy miasa aminy intsony - na mety mbola
miasa aminy mihitsy koa aza fa afoiny ho
an’ny Tompo tsotra izao - kanefa mety
mbola hahasoa ny hafa. Noraisin’ny foibe
ireo entana ireo ary dia namidy nandritry
ny telo andro ny 5-6-7 desambra lasa teo.
Nisy tokoa ireo olona izay nanolotra
tamim-pitiavana, izay araraotina hatrany
ny misaotra azy ireo noho ny fanehoampitiavana an’Andriamanitra sy ny asa
nasehon’izy ireo.
Tsy tratra anefa ny tanjona ara-bola
nokendrena noho ny antony maro
samihafa. Tsy atao hahakivy izany satria
mbola azo atao tsara ny fanatsaràna ny
hetsika amin’ny taona ho avy indray.
NOELY NIARAHAN’NY TANORA
REHETRA
Ny Asabotsy 21 desambra dia niaranankalaza an’Andriamanitra noho ny
tsingerintaona nahaterahan’ny Mpamonjy,
Jesoa Kristy ny tanora teto Analamanga.
Azo lazaina ho sambany io teo amin’ny
tantara ary nahafaly tokoa ny nahita ny
firaisankinan’ireo tanoran’ny FMMB ireo.
Nitondra ny tenin’Andriamanitra tamin’
izany moa Atoa RAFALIMANANA Camille
izay mpandrindra nasionalin’ny Ministera
eo anivon’ny Tanora.
Ny tanjona napetraka manaraka dia ny
iarahan’ny rehetra manao réveillon indray
ny faran’ny taona 2014.
NOELIN’NY MPIASA
Niara-nankalaza an’Andriamanitra noho
ny fetin’ny faran’ny taona ihany koa ny
mpiasa matihanina ny Alatsinainy 23
desambra 2014. Fotoana iarahana amin’ny
fianakavian’ny mpiasa izany fotoana
izany ka nizaràna kilalao ho an’ny ankizy,
nanomezana valopin’ny faran’ny taona
ihany koa ho an’ny mpiasa, ahafahan’ny
mpiasa sy ny vady aman-janany miaramifaly tahaka ny olona rehetra ihany koa,
sady ho fanehoam-pankasitrahana ireo
mpiasa ihany koa noho ny hafanampon’izy
ireo niasa nandritry ny taona.
Lasa niala sasatra ny ankamaroany
taorian’io ary tsy nandray ny asa raha tsy
ny 6 janoary 2014, afa-tsy ireo mpiasa
tao Antaninarenina, izay tsy afaka nanao
izany noho ny vanimpotoan’ny faran’ny
taona izay maha-maro ny olona mividy
fanomezana faran’ny taona sy ny taombaovao.
Manantena ny fitrotroantsika am-bavaka
ireo mpiasa matihanina ireo sy ny
ankohonany amin’ny fanatontosana ny asa
niantsoan’ny Tompo azy. Manana fikasana
ihany koa hanatsara ny fikarakarana azy
ireo ny fitantanana eto amin’ny FMMB. Ny
tenin’Andriamanitra rahateo moa mibaiko
ny «tsy hanakombonana ny vavan’ny omby
mively vary !».
Ankoatry ny fetin’ny faran’ny taona moa
dia manao fitsangatsanganana iraisana
ny mpiasa rehetra, indray mandeha isantaona ary amin’ny fotoanan’ny fetin’ny
mpifankatia dia nanaovana fetin’ny
mpifankatia ihany koa ireo izay efa
manan-tokantrano mba hanampiana azy
ireo hanana fiainan-tokantrano mirindra
hatrany ho voninahitr’Andriamanitra.
SAKAFO ANTRA
Nikarakara sakafo tamin’ny vidiny mirary
(5oo ariary) ho an’ireo fianakaviana
sahirana ety amin’ny manodidina ihany
koa ny mpiandraikitra ny asa sosialy ny
faran’ny volana desambra teo noho ny
Noely 2014. Fiaraha-miasa taminà malalatànana avy any am-pitan-dranomasina no
nahavitana izany hetsika izany ka isaorana
izy ireo noho izany.
Taorian’ny fiaraha-misakafo dia samy
nandray anjara hira na tantara ny isambohitra. Tsiahivina moa fa manana fivoriambavaka isaky ny alarobia fola-kandro ireo
olona sahirana avy ety amin’ny manodidina
ireo ary mizara ho vohitra maromaro izay
efa samy manana ny vondrom-bavaka eo
aminy avy izy ireo.
Ireo fianakaviana ireo koa dia mahazo
fanampiana isam-bolana : vary sy savony.
REVEILLON 2013
Maromaro ireo réveillon nokarakarain’ireo
sampana samihafa teto amin’ny FMMB.
Efa mpikarakara izany isan-taona moa
ny tanora B, ny tanora M sy ny tafiky ny
famonjena (fanabeazana Ambohidratrimo)
ohatra.
Sambany kosa tamin’ity no nikarakarana
ho an’ireo mpikambana tranainy sy mbola
am-perin’asa ihany koa.
Teny Ambatofotsy, toeram-pilanonana
«Ifarihy», no nanatontosana izany.
Atoa Camille RAFALIMANANA mivady
sy ny ekipany no niara-nanomana
izany ary nahafaly tokoa ny fihaonana
indray tamin’ireo mpikambana saiky
tsy nifankahita firy intsony noho ny asa
aman-draharaha. Betsaka ireo nangataka
ny hanaovana indray ho amin’ny faran’ny
taona 2014 saingy efa tanjona hafa indray
no miandry amin’ity faran’ny taona ity dia
ny réveillon ho an’ny tanora izany.
FOARAM-BOKY
Ny herinandro fahatelon’ny volana
desambra dia manao io hetsika io isika
FMMB mba hanentanana ny olona hividy
ny fitaovana aelintsika ho famporisihana
ny olona hamaky ny Baiboly sy hifandray
amin’Andriamanitra amin’ny alalan’izany.
Misy ireo fitaovana vokarintsika tahaka
ny Mana isan’andro, boky, karatra ; ny voa
zato, ny «manantsika roa» manentana ho
amin’ny fiaraha-mandinika lohahevitra
mahakasika ny mpivady sy miara-mivavaka
ihany koa, ny «fanilo» ho an’ny ankizy, ny
«karatry ny ankizy» ampahafantarintsika
ny olona.
Misy ihany koa anefa ireo boky avy amin’ny
«Livr’Afrique» amin’ny fiteny frantsay.
Isika FMMB moa no «dépôsitaire» an’ireo
boky avy amin’io fikambanana any Frantsa
io. Ny tanjon’izy ireo dia ny hahatonga ny
vidin’ireo boky aeliny ho mora kokoa noho
ny any Eoropa satria fantany ny fahefamividy ho antsika aty Afrika ary tian’izy
ireo mba hahazo tombontsoa avy amin’ireo
boky ireo koa anefa ny kristiana aty Afrika
sy Madagasikara.
Rehefa fety toy izao koa dia manome alalana
antsika hanao «stand biblique» eo amin’izy
ireo ny «Shoprite» Talatamaty ary ahitambokatra tokoa izany satria maro ireo liana
amin’ny boky izay narantitsika.
Mahafaly sy mampahery ny mahita koa
ireo mpiasa an-tsitrapo izay mahatsiaro
ny hasarobidin’ireo fitaovana ireo ka
manolotena, mahafoy fotoana sy asa
aman-draharaha mihitsy mba handray
anjara amin’ny fitazonana ireny «stand»
ireny. Entina am-bavaka mba hisy maro
no hanolotena hanao toy izany koa any
amin’ireo fiangonana samihafa.
VAOVAO AVY ANY FIANARANTSOA
Ny 1-2-3 Novambra 2013 dia nisy
ny
lasim-pianakaviana
natao
tany
«Ampibanjinana» ka olona 55 mianaka no
nanatrika izany. Nampitaina ny amin’ny
planin’Andriamanitra ho an’ny isambatan’olona sy ny fianakaviana dia ny
hanohy hanoratra ny tantaran’ny Baiboly
ka ho mpandray anjara feno amin’ny izao
vanim-potoana izao.
Nifarimbona tamin’ny fanatanterahana io
lasy io ny ministera rehetra (ankizy, tanora,
biblika, mpivady sy ankohonana). Nisy ny
fotoana izay nifampizarana isaky ministera
nandritra izany.
Nanome aina vaovao ny fientanana tao
amin’ny mpikambana izany lasy izany sady
nampifamatotra bebe kokoa.
Ny 21 Desambra 2014 no notontosaina
ny Noelin’ny ankizy. Tao amin’ny chapelle
militaire Besorohitra.
PAIKADIN’NY TETI-PIVOARANA
Amin’ity taona ity no hanomboka ny
paikadin’ny
teti-pivoarana
faharoa
mandritry ny dimy taona manaraka 20142018.
Niainga avy tamin’ny jeritodiky ny paikady
voalohany izany. Nohazonina ireo soridàlana telo dia ny :
1. Famokarana fitaovana ;
2. Fanofanana ireo mpiasa, na an-tsitrapo
na ireo matihanina ;
3. Fitrandrahana ny hoenti-manana.
Mifampitrotro am-bavaka isika mba ho
tratra ny tanjona napetraka rehetra ho
voninahitr’Andriamanitra.
ANTOM-BAVAKA
«Fa ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra» (Jakoba 5:16b)
• Ny Fivoriana fandrindran’asa (Réunion de Coordination Nationale) hatao ny 5-8
febroary 2014.
- Mba ho feno ny fanatrehan’ny Tompo ny fotoana rehetra.
- Ireo manana anjara amin’ny fizaràna sy fampianarana.
- Ny dian’ireo solontena avy any amin’ny faritra.
- Ireo mpikarakara ny fandraisana amin’ny fanomanana ny trano sy ny
fandrahoana ny sakafo (RCN) tarihin’i Rtoa Jo, mpiandraikitra ireo toeram-pilasiana.
• Ny fanamboarana sy ny fanatsaràna ireo toeram-pilasina Mandriambero sy Mantasoa.
Ny hoenti-manana sy ireo mpiasa hanao izany koa mba hanao zavatra tsara, «manarapenitra».
• Ny fampitomboana ny vola miditra eo amin’ny FMMB amin’ny alalan’ny fanapariahana
ireo fitaovana sy fampiasàna ireo toeram-pilasiana.
• Fananganana indray ny «bungalow» potikin’ny afo any amin’ny toeram-pilasiana
«OASIS» Nosy Be. Ny fanatsarana amin’ny ankapobeny tokony hatao any an-toerana
mba ho azo ampiasaina tsara amin’ny fandraisam-bahiny ny tanàna ao satria toerana be
mpizaha tany any.
• Ny fikarakaran’ny isam-paritra - izay efa afaka hanao izany - ny takarivan’ny
mpifankatia.
• Ny ministera eo anivon’ny mpivady sy ny ankohonana amin’izay hetsika rehetra kasaina
hatao ato anatin’ity taona ho an’ny fianakaviana ity.